Fivoriana alahady maraina
Ireo andro izay tsy hohadinoina na oviana na oviana
Sombin-dahatsoratra
Manomboka izao 2024 izao ka hatramin’ny 2034 dia hiaina tranga maro manan-danja isika, izay hiteraka fahafahana tsy mbola nisy toy izany hanompo sy hiray hina amin’ireo mpikambana sy namana, ary hampahafantarana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’olona maro kokoa noho ny teo aloha. …
Ho an’izany tanjona izany dia maniry aho ny hiresaka aminareo taranaka vao misondrotra, ka manasa anareo hisaintsaina fa tena hampientanentana ity folo taona ho avy ity, ho folo taona tsy hohadinoina na oviana na oviana ho anareo. …
… Ho anareo manokana izany dia ho folo taona tsy hohadinoina na oviana na oviana. Fa mbola ho roa avo heny izany raha miezaka amim-pahavitrihana ianareo ho tonga fahazavana ho an’izao tontolo izao mikasika ny fomba ahafahan’ireo vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mitondra harena sy hatsarana tsy ho an’ny fiainanareo ihany fa ny an’ny fianakavianareo sy ny namanareo ary ireo mpanaraka anareo eny amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa.
Mety manontany tena ianareo hoe ahoana no hanaovana izany. …
Voalohany, miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. …
Faharoa, manolora tanana amim-pangorahana hikarakarana ireo sahirana. …
Fahatelo, manasa ny rehetra handray ny filazantsara. …
Fahefatra, mampitambatra ny fianakaviana ho mandrakizay. …
Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ry tanora namako malala, azo inoana fa hisy fotoan-tsarotra ho antsika tsirairay amin’ny andro ho avy. Na izany aza, amin’izao fidirantsika amin’ity folo taona ho avy itrangan’ny fotoana tsy mbola nisy toy izany ity dia enga anie isika hizara vaovao mahafaly amin’ny alalan’ireo asa tsotra eo amin’ny fiainana, sy ny fikarakarana, sy ny fanasana ary ny fampitambarana. Raha manao izany isika dia hanome antsika fotoana tsy hohadinoina na oviana na oviana ny Tompo.