2024
Hiverina indray i Jesoa Kristy Tompo
Nôvambra 2024


Fivoriana alahady tolakandro

Hiverina indray i Jesoa Kristy Tompo

Sombin-dahatsoratra

petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Tena manafaingana ny asany tokoa ny Tompo.

Fa nahoana isika no manorina tempoly amin’ny hafainganana tsy mbola nisy toy izany? Nahoana? Satria asain’ny Tompo isika hanao toy izany. Manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely ao amin’ny lafiny roan’ny voaly ireo fitahian’ny tempoly. Manampy amin’ny fanomanana olona izay hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany koa ireo fitahiana ireo! …

Izao no fampanantenako aminareo: Hahita Azy ao amin’ny tempoly izay rehetra mikatsaka marina an’i Jesoa Kristy. …

Nianatra aho fa ity no fanontaniana manan-danja indrindra tsy maintsy valiantsika tsirairay avy: Ho an’iza na amin’ny inona no hanolorako ny aiko?

Ny fanapahan-kevitro hanara-dia an’i Jesoa Kristy no fanapahan-kevitra manan-danja indrindra nataoko hatrizay. … Nanampy ahy hiaritra ireo fitsapana teo amin’ny fiainako koa izany. …

Mamporisika anao aho hanokana fotoana isan-kerinandro, mandritra ny androm-piainanao sisa, mba hampitombo ny fahatakaranao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …

Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotanao, ny fanaintainanao, ny ratram-ponao, ary ny rofinao. Tsy voatery hizaka izany irery ianao! …

Tsy misy izany hoe aloha loatra na tara loatra izany ho anao mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena. …

Mbola ho avy ny maraina, ry rahalahy sy anabavy malalako, satria hiverina indray ny Mpamonjy! Mbola ho avy ny maraina satria manafaingana ny asany ny Tompo. Mbola ho avy ny maraina rehefa mampitodika tanteraka ny fontsika sy ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy isika.