Fivoriana Asabotsy tolakandro
Mandevina ny fiadian’ny fikomiantsika
Sombin-dahatsoratra
Afaka ny ho mivantana na tsy mivantana ny fikomiana. …
Fa ny endriky ny fikomiana amin’ Andriamanitra izay mamitaka kokoa anefa, dia angamba ilay endriny ankolaka, ilay tsy firaharahiana ny sitrapony eo amin’ny fiainantsika. Maro ireo olona izay tsy hieritreritra ny hanao fikomiana mivantana velively no mety mbola manohitra ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny teniny amin’ny alalan’ny fanohizan’izy ireo ny lalany ka tsy miraharaha ny fitarihana avy amin’ Andriamanitra. …
Ny sabatra sy ny fiadiana hafa nalevin’ireo Lamanita niova fo dia fiadian’ny fikomiana noho ny fomba nampiasan’izy ireo izany. Ireo kazarana fiadiana ireo koa rehefa teo an-tanan’ny zanakalahin’izy ireo ka nampiasaina mba hiarovana ny fianakaviana sy ny fahafahana dia tsy fiadian’ny fikomiana amin’ Andriamanitra velively. …
Torak’izany koa, misy zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mety ho tsy atahorana na misy hatsarana mifono anaty mihitsy aza saingy raha ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy izany dia lasa “fiadian’ny fikomiana.” …
… Raha toa ka ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fahavononantsika hanompo Azy amin’ny herintsika sy ny saintsika ary ny tanjatsika no lasa foto-pitsipika entitsika mandanjalanja ny zavatra rehetra sy mandray ireo fanapahan-kevitsika rehetra dia efa nalevintsika ny fiadian’ny fikomiantsika. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy dia hamela ireo helotsika sy ireo fikomiana nataontsika taloha Andriamanitra ary hanaisotra ny pentimpentin’ireo fahotana sy fikomiana avy amin’ny fontsika. …
Mitondra any amina fifaliana miavaka ny fandevenansika ny fiadian’ny fikomiantsika. … Enga anie isika ka handevina, lalina dia lalina, izay singa maneho fikomiana amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ka hanolo izany amina fo sy saina feno fahavononana.