Fivoriana sabotsy maraina
“Izany no filazantsarako”—“Ity no fiangonako”
Sombin-dahatsoratra
Tahaka ny dinamita izay tsy hiavaka raha tsy misy nitroglycérine, dia rehefa miorina eo amin’ny filazantsarany ihany ny Fiangonan’ny Tompo vao miavaka. Raha tsy misy ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansiny, dia tsy nisy nampiavaka ny Fiangonana.
Raha tsy misy an’ilay fanamafisana entin’ny kieselguhr dia ho zava-mipoaka tsy misy lanjany ny nitroglycérine. Araka ny nasehon’ny tantara, raha tsy nisy ny Fiangonan’ny Tompo, dia tsy ho azo antoka toy izany koa ny fahatakaran’ny olombelona ny filazantsarany, mirona mankany amin’ny fiovan’ny fotopampianarana sy voataonan’ireo fivavahana sy kolontsaina ary filôzôfia isan-karazany. …
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ahafahana manana ny herin’ Andriamanitra satria nomeny fahefana izany mba hampianatra ny fotopampianaran’i Kristy sy hanolotra ireo ôrdônansin’ny filazantsara ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Maniry mafy ny hamela ny fahotantsika sy hanampy antsika hanana ny heriny ary hanova antsika ny Mpamonjy. Nijaly noho ny fahotantsika Izy ary maniry mafy ny hamela antsika amin’ny famaizana izay mendrika antsika. Tiany ho lasa masina sy ho tanteraka ao Aminy isika. …
Manasa anareo aho mba hanolo-tena feno bebe kokoa ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ary ny Fiangonany. Rehefa manao izany ianareo dia ho hitanareo fa hitondra hery eo amin’ny fiainanareo ny fitambaran’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Mahery vaika lavitra noho ny dinamita izany hery izany. Hamaky ireo vato amin’ny lalanao izany, sy hanova anao ho lasa mpandova ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra Ary ianao dia “[hofenoina amin’izato] fifaliana izay tsy hay tenenina ary heniky ny voninahitra.” [Helamàna 5:44].