Ao anatin’ny taona tsy dia maro loatra
Sombin-dahatsoratra
Ny Bokin’i Môrmôna dia tsy rakitsoratra ara-tantara izay mifantoka amin’ny lasa fotsiny ihany. Fa io boky soratra masina io dia mibanjina kosa ny ho avy ary mirakitra fitsipika sy fampitandremana ary lesona manan-danja natao ho an’ireo toe-javatra sy fanamby amin’izao androntsika izao. Noho izany, ny Bokin’i Môrmôna dia boky momba ny hoavintsika sy ny fotoana izay iainantsika ankehitriny sy mbola hiainantsika. …
Ireo feo fahiny avy ao amin’ny vovoka dia miangavy antsika amin’izao fotoana izao mba hianatra ity lesona mandrakizay ity: ny firoboroboana, ny fananana, ary ny fiadanana dia fifangaroan-javatra mahery vaika izay mety hitarika na dia ny olo-marina aza hisotro ny poizina ara-panahin’ny avonavona. …
… Tsy maintsy mitandrina mandrakariva isika amin’ny avonavona diso tafahoatra ateraky ny fahatsapana ho manan-danja be noho ny hafa, ny fanombanana diso ny amin’ny fahavitan-tenantsika, ary ny fikatsahana izay ho an’ny tena toy izay ny fanompoana ny hafa. …
Mamelà ahy hanoro hevitra fa raha toa ianao na izaho ka mino fa efa ampy ny hery ananantsika ary mafy orina isika mba hialana amin’ny fizahozahoan’ny avonavona, dia angamba efa tratran’io aretina ara-panahy mahafaty io sahady isika. …
Kanefa, raha toa ianao na izaho mino fa mety hanana sy handairan’ny avonavona isika, amin’izany isika dia hanao tsy tapaka ireo zava-madinika sy tsotra izay hiaro sy hanampy antsika ho tonga “tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika].” [Môzià 3:19].
… Rehefa mandalina sy misaintsaina [ny Bokin’i Môrmôna] isika dia hotahiana amin’ny fananana maso hahita, sofina handre ary saina sy fo hahatakatra ireo lesona tokony hianarantsika mba “[hitandrina] amin’ny fiavonavonana, fandrao hiditra ao amin’ny fakam-panahy [isika].” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:1].