2024
Ny fandresen’ny fanantenana
Nôvambra 2024


Fivoriana sabotsy maraina

Ny fandresen’ny fanantenana

Sombin-dahatsoratra

petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Ny fanomezam-pahasoavan’ny fanantenana dia fanafiana masina tsy voavidim-bola avy amin’ Andriamanitra. …

Rehefa manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia mahita an’ireo fitahiana sy fampanantenan’ny mandrakizay amin’ny fomba fijery mahatakatra fa mandalo ihany ny adintsika. Tahaka ny hazavana izay mitombo ny famirapiratany, ny fanantenana dia mampamiratra ny tontolo maizina, ary dia mahita ny hoavintsika be voninahitra isika. …

Ry rahalahy sy anabaviko isany, fanomezam-pahasoavana velona ny fanantenana, fanomezana mitombo rehefa mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika. … Manorina izany fahatokiana izany isika, ilay porofo ho an’ny tena manokana momba ny finoantsika, amin’ny alalan’ny vavaka, ny fanekempihavanan’ny tempoly, ny fitandremana ny didy, ny fivokisana tsy tapaka amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary ny fitsaohana isan-kerinandro miaraka amin’ireo Olomasina namantsika.

Mba hanamafisana ny fanantenantsika amin’izao vanim-potoanan’ny faharatsiana miha-mitombo izao, ny Tompo dia nandidy ny mpaminaniny hanorina ny tempoliny amin’ny toerana maro manerana ny tany. …

Tsy misy fanaintainana, na aretina, na tsy rariny, na fijaliana, na inona na inona mety hampihena ny fanantenantsika rehefa mino sy mihazona mafy ny fanekempihavanantsika tamin’ Andriamanitra tao amin’ny tranon’ny Tompo isika. Tranon’ny fahazavana sy tranon’ny fanantenana izany. …

Ry rahalahy sy anabavy, mety tsy ho tonga haingana araka izay irinareo ny fiadanana tadiavinareo, kanefa mampanantena anareo aho fa rehefa matoky ny Tompo ianareo dia ho tonga ny fiadanany.

Enga anie isika hikolokolo ilay finoantsika sarobidy, hibosesika handroso miaraka amin’ny famirapiratan’ny fanantenana tonga lafatra. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no fanantenantsika. Amin’ny alalany, ireo nofinofy rariny rehetra ananantsika dia ho tanteraka. Izy no Andriamanitry ny fanantenana, fandresen’ny fanantenana. Velona Izy ary tiany ianareo.