Fantaro ny momba anay
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny finoanay sy eo amin’ny fiainanay i Jesoa Kristy. Ny asa anirahana anay dia ny hanasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra hanaraka an’i Jesoa sy hiaina ilay fifaliana izay afaka ny ho tanteraka noho Izy.
Ireo zavatra inoanay
Mahità hery amin’ny alalan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary amin’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny fahamarinana.
Fantaro ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ho anao sy ny fomba ahafahanao hiaraka amin’ny fianakavianao mandrakizay noho i Jesoa Kristy.
Iza moa izahay
Naorina tamin’ny taona 1830
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia naoriana tamin’ny fomba ara-dalàna tany Fayette, New York tamin’ny 1830, ka i Joseph Smith no Filohan’ny Fiangonana voalohany.
Vondrom-piarahamonina iray maneran-tany
Ny Fiangonana izay nanomboka tamin’ny fomba tsotsotra dia nitombo ho vondrom-piarahamonina maneran-tany ahitana mpino miisa 17 tapitrisa izay miray hina ao anatin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.
Tarihina amin’ny alalan’ny fanambarana
Mpikambana ao anatin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izahay, izay tarihin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny mpaminaniny izay mahazo fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra.
Fanontaniana fametraky ny olona matetika
Moa ve kristianina ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
Moa ve kristianina ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
Eny! Mino izahay fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao ary miezaka ny hanaraka Azy izahay. Tahaka ireo antokom-pivavahana kristianina maro, dia misy antsipiran-javatra ao anatin’ireo zavatra inoanay izay somary tsy mitovy amin’ny an’ireo namanay. Saingy mpanara-dia feno fanolorantena an’i Kristy sy ny fampianarany izahay. Ireo ampahany miavaka sy tena tsara mandrafitra ny teôlôjia ifotoranay dia manampy amin’ny fampitomboana ny fahatakaranay ny momba an’i Jesoa sy ny filazantsarany.
Moa ve mino ny Baiboly ianareo?
Moa ve mino ny Baiboly ianareo?
Eny! Mino izahay fa ny Baiboly dia tenin’ Andriamanitra. Mandalina tsy tapaka izany any an-tokantranonay sy any am-piangonana izahay, ary miezaka ny miaina araka ny fampianarana ao anatiny. Mino izahay fa ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia miara-miasa amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, mba ho vavolombelon’i Jesoa sy hanome anay fahatakarana feno kokoa momba ny drafitr’ Andriamanitra.
Inona no zava-mitranga any amin’ny tempoly?
Inona no zava-mitranga any amin’ny tempoly?
Ny tempoly dia tsy mitovy amin’ireo trano fiangonanay mahazatra izay hanatanterahanay fotoam-pivavahana isaky ny alahady. Toerana masina indrindra ho anay ireo ary natokana mba hanatanterahana ireo asan’ Andriamanitra masina indrindra. Ireo zavatra ataonay any amin’ny tempoly dia mifandray amin’ilay fampanantenana fa afaka miaina miaraka amin’ Andriamanitra sy ireo olona akaikin’ny fonay mandrakizay izahay. Manolo-tena ny hanaraka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa izahay ao amin’ny tempoly. Manao fampanantenana amin’ Andriamanitra izahay, toy ny fampanantenana mba hitandrina ny didiny sy hanokana ny tenanay sy izay rehetra anananay ho Azy. Ny mpivady sy ny ray aman-dreny ary ny zanaka dia atambatra, na “fehezina” hiaraka mandrakizay. Ary manao izany asa izany ho an’ireo razambenay koa izahay, ka manome azy ireo fahafahana hanaiky ireo fitahiana ireo any amin’ny fiainana ho avy raha misafidy izany izy ireo.
Moa ve ho voaray tsara ny olona tahaka ahy any am-piangonana?
Moa ve ho voaray tsara ny olona tahaka ahy any am-piangonana?
Mazava ho azy! Mino izahay fa zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra ary ireo fitahiana nampanantenainy dia afaka ny ho azontsika rehetra rehefa miezaka manaraka ny teniny isika, na inona na inona toetrantsika na lasantsika. Ny Fiangonana dia toerana hianaran’ny rehetra sy hivoaran’ny rehetra. Mety manana karazana hevitra raikitra ao an-tsainao ianao ka mahatsapa ho toy ny tsy manana ny toeranao ao anatin’izany ianao, saingy raha ny marina ny mpikambana ao aminay dia avy amina fiaviana samihafa sy manana tanjona samihafa daholo. Tongava mitsidika ary mety ho taitra ianao rehefa hahita ilay olona mipetraka eo akaikinao eo amin’ilay sezalava.
Miaraha mivavaka aminay
Afaka ny ho lasa olona tsara kokoa isika rehetra amin’ny alalan’i Jesoa rehefa miara-mianatra sy miara-manompo ao amin’ny Fiangonany. Tongava ary jereo ny zavatra rehetra momba anay amin’ny alalan’ny fiarahana mivavaka aminay amin’ny alahady iray izay ho avy.