Nampianatra antsika i Jesoa Kristy mba hifankatia

I Jesoa Kristy no ohatra faratampony amin’ny fitiavana. Ny manaraka Azy dia midika hoe mitia an’ Andriamanitra sy manompo ireo manodidina anao.

Ireo didy roa lehibe

Nampianatra i Jesoa Kristy fa ireo didy anankiroa lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny hafa.


“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”
Missionaries helping distribute food during a service project in Hong Kong.
Nataon’ny Mpamonjy mazava tsara fa ny mitia ny namanao dia mifono zavatra bebe kokoa noho ny manao tsara fanahy amin’ny olona izay mipetraka eo akaikinao. Anisan’ny andraikitr’ireo mpanara-dia Azy ny maneho fiantrana, ilay fitiavana madion’i Kristy, amin’ny olon-drehetra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo izay mety ho eritreretinao ho fahavalonao.

Ny fomba hanehoan’ny Fiangonanay fitiavana

Mino izahay fa ny fiarahana miasa mba hanehoana fiantrana tahaka ny an’i Kristy dia iray amin’ireo zavatra manasitrana sy mahafaly ary mampiray indrindra azon’ny mpiangona atao. Ireto misy fomba vitsivitsy hanaovanay asa fanompoana, ary tianay ianao mba hiaraka aminay!

Asa fifanampiana

Amporisihina ireo mpikambana manerana ny Fiangonana mba hifady hanina isam-bolana, ka tsy mihinana sakafo sy misotro zava-pisotro mandritra ny 24 ora (raha toa ka mahavita izany ara-batana izy ireo). Avy eo ny mpikamban’ny Fiangonana dia manolotra ny vola izay mety ho nampiasaina ho an’ireo sakafo ireo mba hanampiana ny sahirana.

Amin’ny alalan’ireo fanatitra ireo dia afaka manolotra fanampiana ara-bola ho an’ny sakafo sy ny trano fonenana ary ny fitaterana ireo mpitarika eo an-toerana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana koa dia manampy ny olona tsirairay izay mandray fanampiana mba hanao drafitra mba hanatsarana ny toe-javatra iainany, ka matetika amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanom-pitaovana fanampiny toy ny sampan-draharaha misahana ny asa, fakana torohevitra amin’ny alalan’ny Family Services, ireo fampianarana mikasika ny fizakan-tena, ary ireo zavatra maro hafa izany.

Izany fanampiana izany dia manome fahafahana an’ireo sahirana mba hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ary koa ny fitiavan’ilay vondrom-piarahamonina misy azy ireo, indrindra rehefa misy fotoan-tsarotra.

Vonjy voina

Rehefa mitranga ny loza voajanahary, ny ady, ary ireo loza hafa dia mihetsika ny Fiangonana sy ireo mpikambana ao aminy mba hanolotra sakafo, fitaovam-pitsaboana, fitafiana, ary zavatra ilaina hafa.

Ny Fiangonana dia miara-miasa amin’ireo fikambanana azo itokiana mba hanomezana ireo zavatra ilaina manokana izay miseho avy amin’ny toe-javatra mitranga tsirairay, ka mampiasa ireo mpiangona eo an-toerana mba hanao zavatra toy ny fanangonana sy fitsinjarana ireo fanomezana natolotra, fanadiovana ireo potipoti-javatra, fanomezana sakafo sy akanjo sy toeram-ponenana ary fanohanana ara-pihetseham-po rehefa ilaina.

Asa fanampiana olona

Ny Fiangonana dia manao asa mba hikarakarana ireo izay sahirana manerana an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fandaharan’asa sy tetikasa isan-karazany.

Miovaova izany asa izany izay mifototra amin’ireo zavatra manokana ilain’ireo faritra samihafa. Ny Fiangonana dia mifantoka manokana amin’ny fanatsarana ny fahafahana manana rano madio sy toeram-pidiovana, ny fikarakarana ny reny sy ny zaza vao teraka, ny fahasalamana, ny fianarana, ny fahampiana ara-tsakafo, ary ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana.

Ny fiarahana miasa amin’ireo fikambanana azo itokiana mba hanatanterahana ireo tetikasa ireo dia manampy ny Fiangonana hampakatra amin’ny farany ambony ny ezaka mba hanompo.

Fanompoana

Eo anivon’ireo mpiangona ao aminay dia zarazaraina ho mpiara-miasa ireo mpikambana ka ampiandraiketina olona vitsivitsy mba “hotompoina”. Ny fanompoana dia miompana amin’ny famoronana finamanana tahaka ny an’i Kristy. Eritrereto ho toy ny rafitry ny mpiray asa izany. Ireo manompo anao dia toy ny rafitra anaty iray mpanolotra fanohanana izay azonao iarahana miasa ao anatin’ireo fotoana milamina ary azonao itodihana ao anatin’ireo fotoan-tsarotra.

Elizabeth Edwards On Church Community
Nasehon’ny mpiangona tao amin’ny Fiangonana tany amin’ny faritra misy ahy fa tsy irery aho

Ny fomba ahafahanao maneho fitiavana

Manao ahoana ny endrik’izany hoe mitia ny namanao izany raha aminao manokana? Ireto misy hevitra vitsivitsy mikasika ny fomba hitiavana ny namanao:
  • Mivavaha mba hahita fotoana azo araraotina mba hanehoana hatsaram-panahy mandritra ilay andro iray manontolo hodiavinao.
  • Miezaha mba hamela ireo izay tsapanao fa nanao ratsy anao.
  • Tohero ny fampitahorana, ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ireo endrika hafan’ny fanavakavahana
  • Mampieleza hafatra tsara ary aoka ianao ho tsara fanahy amin’ny hafa ao anatin’ny tambajotran-tserasera.
  • Fantaro ny vaovaon’ireo namana izay mandalo fotoan-tsarotra.
  • Manolora fiderana amin-kitsim-po.
  • Tohano ireo ezaka atao sy ireo fikambanana mba hikarakarana ireo sahirana.
Afaka mahita tetikasa fanompoana any amin’ny faritra misy anao koa ianao na fomba hanompoana avy lavitra amin’ny alalan’ny fitsidihana ny JustServe.org.

Andao hiaraka hanompo aminay!

Raha toa ianao ka mitady vondrom-piarahamonina iray ahitana olona be fitiavana izay te hanao an’izao tontolo izao ho toerana tsaratsara kokoa dia tianay mba hiaraka aminay ianao! Afaka mianatra misimisy kokoa momba ny Fiangonanay avy amin’ireo mpikambana izay manolo-tena ho misiônera eo amin’ny faritra misy anao ianao.