I Jesoa Kristy no Mpamonjy anao
I Jesoa Kristy no ilay Zanakalahin’ Andriamanitra—Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, izay nirahina mba hamonjy antsika rehetra. Noho Izy dia afaka mahatsapa fifaliana sy fiadanana ianao noho ny fahafantarana fa afaka ny hafahana amin’ny fahotana ianao ary indray andro any dia hiaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra sy ireo olona ankamamianao.
Rehefa naniraka antsika hankety an-tany Andriamanitra mba hianatra sy hivoatra dia fantany fa hanao fahadisoana isika. Izany no antony nanomezany Mpamonjy antsika.
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Mino isika fa i Jesoa Kristy no Zanakalahin’ Andriamanitra ara-bakiteny sy mpikambana miavaka tsara ao amin’ Ny Andriamanitra, miaraka amin’ Andriamanitra Ray sy ny Fanahy Masina. Tonga teto an-tany Izy mba hanatanteraka iraka masina izay hanatanterahany ireto manaraka ireto:
- Miaina ireo fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany.
- Mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ Andriamanitra.
- Manatanteraka fahagagana lehibe.
- Mijaly sy maty noho ny fahotantsika ka mahatonga antsika ho afaka ny ho voadio amin’ny fahotana.
- Mandresy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty, ka manome lalana ho antsika rehetra mba hitsangana amin’ny maty.
Ohatra tamin’ny fitiavana madio i Jesoa Kristy. Nanasitrana tamim-pangorahana ny marary sy ny manan-kilema Izy, namahana ireo noana, nanangana ny maty, nikarakara ny mahantra, nandray ireo voailiky ny fiarahamonina, ary nanompo ireo rehetra izay nikatsaka Azy tamim-pahatokiana.
Mahatsapa izany fitiavana sy fangorahana izany ho anao ny Mpamonjy.
Amin’ny maha Kristianina antsika dia miezaka ny ho tahaka ny Mpamonjy isika ary maneho ny fitiavany amin’ny zavatra rehetra ataontsika.

Mpampianatra lehibe i Jesoa Kristy. Ny toriteniny, izay nomena 2.000 taona lasa izay, dia mbola mitaona ny olona manerana izao tontolo izao mba hanana fiainana tsaratsara kokoa ankehitriny. Nampianatra vahoaka maro an’isa Izy, saingy mampianatra antsika ny Baiboly fa nanokana fotoana ihany koa Izy hifandray amin’ny olona tsirairay.
Afaka mahatsapa fifaliana sy fiadanana lehibe kokoa isika tsirairay avy, anisan’izany ianao, amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Ny mpiangona ao amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany eo amin’ny toerana misy anao dia manana fotoam-bavaka isan-kerinandro izay ahafahanao mianatra misimisy kokoa mikasika ny fomba hampiharana ireo fampianarana ireo aminao manokana.Ny Bokin’i Môrmôna ihany koa dia mirakitra ny rakitsoratr’ireo fampianaran’i Kristy izay afaka manampy ireo izay ao amin’ny Baiboly.
Afaka mahatsapa fifaliana sy fiadanana lehibe kokoa isika tsirairay avy, anisan’izany ianao, amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Ny mpiangona ao amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany eo amin’ny toerana misy anao dia manana fotoam-bavaka isan-kerinandro izay ahafahanao mianatra misimisy kokoa mikasika ny fomba hampiharana ireo fampianarana ireo aminao manokana.
Noho ny sorona nataon’i Kristy dia afaka ny ho voavela heloka sy ho velona indray ianao
Ny sorona sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy
Na dia niaina fiainana tonga lafatra aza ny Mpamonjy dia nisy sasany nahatsapa ny fitaomany ho fandrahonana na tezitra rehefa niantso ny fihatsarambelatsihin’izy ireo Izy. Niray tetika ny hamonoana an’i Jesoa izy ireo.
Ny alina talohan’ny nanomboana Azy dia nisitaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy, izay toerana niaretany ny fanaintainana sy ny aretin’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay. Izany dia nahatonga Azy ho afaka hanome fanampiana sy fanasitranana amin’ny toe-javatra rehetra.
Avy eo dia nisy namadika Izy, nosamborina, nokapohana, nihomehezana ary nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana. Telo andro taty aoriana dia nitsangana Izy hiaina indray, nandresy ny fahafatesana sy ny fahotana. Na dia nampahory sy tsy marina aza ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia nahatonga antsika tsirairay ho afaka ny ho voavela heloka sy hitsangana amin’ny maty ny sorona masina nataony.
Afaka ny ho voavela heloka isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy
Rehefa nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy dia nitondra ny fahotantsika teo aminy Izy. Nanonitra ny saran’ny fahamarinana Izy mba hahafahantsika tsirairay mahazo famindram-po. Rehefa mibebaka amin-kitsimpo isika dia afaka ny ho voavela heloka.

Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala. Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.
Afaka miaina indray isika amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty
Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy tamin’ny andro fahatelo taorian’ny Fanomboana Azy. Noho Izy dia afaka ny hitsangana amin’ny maty sy ho velona indray ihany koa isika tsirairay avy. Afaka miaina miaraka amin’ Andriamanitra sy ireo olona ankamamiantsika ao anatin’ny vatana tonga lafatra isika, afaka amin’ny aretina sy ny alahelo ary ny fanaintainana.

“Mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.
“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.”