Mahafantatra anao sy tia anao Andriamanitra

Tia ny zanany rehetra Andriamanitra, izay midika hoe tia anao Andriamanitra. Afaka manakaiky kokoa ny Rainao any An-danitra ianao amin’ny alalan’ny vavaka ary mianatra mamantatra ny fitarihany be fitiavana eo amin’ny fiainanao.

Zanak’ Andriamanitra ianao

Isan’ireo fahamarinana lehibe ao amin’ny Baiboly ny hoe isika rehetra dia “terak’ Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 17:29), izay nohariana araka ny endriny. Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao dia manana hery anaty tsy manam-petra ahafahanao mahavita zavatra sy lanja tsy manam-petra ianao.

Mahafantatra anao manokana Andriamanitra

Nampianatra i Jesoa Kristy fa mahalala antsika Andriamanitra. Fantany rehefa isaky ny misy tsintsina mianjera amin’ny tany, ary isika dia “mihoatra noho ny tsintsina maro” Aminy (Matio 10:29–31
Leaving Church Domain
You are about to leave our site. The new site has its own terms of use and privacy policy that differ from ChurchofJesusChrist.org
). Tsy irery na oviana na oviana ianao ao anatin’ireo fahasarotana rehetra atrehanao. Fantatr’ Andriamanitra tsara ianao ary mahafantatra ny zavatra ilainao Izy mba hanampiana anao hahazaka ireo olanao sy hahatsapa ny fitiavany.

Afaka miresaka amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ianao

A family in Brazil doing various activities including: walking, talking, reading, studying, hugging, visiting with each other, playing games, taking selfie photos, playing with a baby, praying etc.

Mihaino tahaka ny Ray be fitiavana Andriamanitra

Amin’ny maha-Raintsika any An-danitra Azy dia te hahare vaovao avy amintsika Andriamanitra. Dodona ery Izy ny hanome anao fitarihana, ary afaka miresaka Aminy amin’ny alalan’ny vavaka ianao.

Te hifampiresaka amintsika Andriamanitra

Mihoatra noho ny fombafomba fotsiny na fomba hilazana amin’ny lanitra ny zavatra tiantsika ny vavaka—fifampiresahana izany. Afaka miresaka amin’ Andriamanitra momba ireo zavatra maha-velom-pankasitrahana anao ianao, ny fanantenanao sy ny nofinofinao, ny ahiahinao, ary ireo zavatra ilainao.

Mandre sy mamaly Andriamanitra

Maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra. Ho tonga foana ny valim-bavaka, na dia ela aza izy ireny vao mivaly na tsy izay valiny nandrasantsika na nantenaintsika. Afaka manalefaka ny fontsika isika mba hanaiky ny sitrapony ho antsika. Mety ho amin’ny endriny maro ny valin’ny vavaka, tafiditra ao anatin’izany ireo eritreritra sy fahatsapana, ny zavatra ataon’ny olona manodidina anao, na soratra masina iray izay nahakasika ny fonao.
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.

Tsy mety mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ve ianao?

Raha mitolona amin’ny fisalasalana ianao na mahatsapa ho tsy mifandray amin’ Andriamanitra, dia afaka mianatra mamantatra amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny fanatrehany eo amin’ny fiainanao ianao.
  • Manokàna fotoana isan’andro tsy hihainoana ireo zavatra mahavariana ka mifandraisa amin’ Andriamanitra.
  • Mivavaha tsy tapaka. Mangataha mba hahatsapa ny fitiavany!
  • Halalino ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina.
  • Manaova diary hiraketana ireo fitahiana sy fahatsapana ara-panahy.
  • Resaho amin’ireo namana sy fianakaviana azo itokisana mba hamantarana ny fomba hahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra.
  • Manehoa fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny alalan’ny asa fanompoana sy ny famelan-keloka.

Atanjaho ny finoanao an’ Andriamanitra

Afaka manampy anao hahazo fiadanana sy hery ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny finoana. Afaka manampy anao hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hanana fifandraisana akaiky kokoa Aminy ny misiônera.