Misy tanjona sy misy dikany ny fiainanao

Tsy tongatonga ho azy teny fotsiny ny fiainana eto an-tany. Zanak’ Andriamanitra ianao, ary etỳ mba ho ampahany ao anatin’ny drafitry ny fahasambarana nataony.
Find Answers Through Jesus
Inona no anjara asa sahaniko ao amin’ilay drafitry ny fahasambarana nataon’ Andriamanitra amin’ny ankapobeny?

Misy antony ny mahatonga anao etỳ

Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana ianao no etỳ?

Mino isika fa efa nisy isika tsirairay avy talohan’ny nahariana ny tany, ary niara-niaina tamin’ Andriamanitra amin’ny maha-zanany antsika, amin’ny endriny ara-panahy. Nandefa antsika tsirairay etỳ ny Raintsika any An-danitra mba hahafahantsika mahazo vatana sy mianatra ary mivoatra mba hitovy kokoa Aminy. Rehefa manaraka ny drafitr’ Andriamanitra isika dia afaka miverina miaina eo anatrehany.

Raha toa efa nahatsapa ianao fa manana tanjona lehibe kokoa ny mahaeto anao noho ny hoe misy fotsiny, dia marina ny anao. Afaka mahita ny tanjon’ny mahaeto anao ianao amin’ny alalan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra.
A mother stands and comforts her son in their home

Tian’ Andriamanitra ho sambatra ianao

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampanantena fiadanana sy tanjaka ary fifaliana ho an’ireo izay manaraka ny didin’ Andriamanitra ary atao batisa ao amin’ny Fiangonan’i Kristy.
Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana
Saingy ahoana no ahafahan’ny fifaliana ho tanjon’ny mahaeto antsika kanefa ny fiainana dia feno fahasahiranana be? I Jesoa Kristy no valiny.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo fampiononana isika ao anatin’ireo alahelontsika, ary hatanjahina ao anatin’ireo fahasarotana. Afaka mahatsapa fankasitrahana isika noho ireo zavatra kanto maro azontsika ankafizina eto amin’ity tany ity. Afaka manatsara ny fifandraisana amin’ireo olona tiantsika isika amin’ny alalan’ny fiainana ireo fitsipika nampianariny tao amin’ny Baiboly: fangorahana, asa fanompoana, famelan-keloka sy fitiavana.

Nanao lalana ho an’ny zanany rehetra Andriamanitra mba hahitana fifaliana tamin’ny alalan’ny fanomezana Mpamonjy.
South Africa.  Braai (or barbecue).  Two women standing outside near a gate.

Fotoana hianarana sy hivoarana ny fiainana

Rehefa mandalo fotoan-tsarotra dia afaka manampy ny mahatsiaro fa ny drafitr’ Andriamanitra ho anao dia mihoatra any ambadiky ny fiainanao eto an-tany. Rehefa manao izay tsara indrindra vitanao ianao mba hanarahana an’i Jesoa Kristy, dia hampodiana ho rariny ny zavatra rehetra iainanao indray andro any amin’ny alalany. Mampanantena ny Baiboly fa “Andriamanitra dia hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” (Apokalypsy 21:4).
An elderly man stands outside in Brazil while his wife kisses his cheek.
Tafiditra ao anatin’ny fiainana ireo zavatra iainana mangirifiry, satria ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, ireo fitsapana atrehintsika dia afaka ny ho lasa tombontsoa sy fivoarantsika. Ireo fahasarotana ireo dia afaka manampy antsika hahazo toetra toy ny hoe:
  • Tanjaka. Mitovy mihitsy amin’ny fanatanjahan-tena izay afaka manatanjaka antsika ara-batana, ny fanoherana atrehintsika mandritra ny fiainantsika dia afaka manatanjaka antsika ara-panahy sy ara-tsaina, ary ara-pihetseham-po. Afaka manampy antsika hahatafy ireo tafiotry ny fiainana izany tanjaka izany.
  • Fahaiza-miombom-pihetsehampo. Rehefa mandalo fanamby ianao dia mitombo ny fahaiza-miombom-pihetsehampo ao aminao. Ary rehefa mampiasa ny traikefanao ianao mba hanampiana ny hafa ao anatin’ny toe-javatra mitovitovy amin’izany dia manampy amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra eto an-tany izay ianao.
  • Faharetana. Rehefa betsaka ny zavatra tsy voafehintsika, anisan’izany ny zavatra ataon’ny hafa, dia afaka “miandry an’i Jehovah” isika (Salamo 27:14). Afaka mino isika fa ny zavatra rehetra tsy rariny niaretantsika dia hampodiana ho rariny amin’ny alalan’i Jesoa Kristy amin’ny farany.

Afaka miova ianao

Young women in Thailand pick berries off a bush.  They are laughing and enjoying themselves.
Efa nahafantatra foana Andriamanitra fa hanao fahadisoana ianao ary hila fanampiana mba handresena ny alahelo sy ny fahotana. Tao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra dia nanome Mpamonjy sy Mpanavotra, dia i Jesoa Kristy, Izy mba hijaly sy ho faty ho anao sy ho an’ny olona rehetra izay efa niaina hatrizay. Noho ny sorona nataon’i Jesoa Kristy dia afaka mahita famelan-keloka sy fanasitranana ianao.

Afaka mandresy ny fahotana, ny fahalemena, ny fahazaran-dratsy, ary ny fiankinan-doha izay nihazona anao ianao miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Afaka ny ho feno fiantrana, mamela heloka, manetry tena, ary manam-paharetana kokoa noho ny teo aloha ianao. Rehefa lasa mitovy kokoa amin’i Kristy ianao dia hanana faniriana lehibe kokoa hanohy ny lalana hiverenana hiara-hiaina amin’ Andriamanitra.

Mianara misimisy kokoa momba ny drafitr’ Andriamanitra

Manana drafitra ho anao Andriamanitra. Mianara amin’ireo misiônera momba ny tanjon’ny fiainana amin’ny alalan’ny fifampiresahana an-jotra na famangiana mivantana.