Afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana

Afaka ny haharitra aorian’ny fahafatesana ny fifandraisana misy eo aminao sy ny fianakavianao eto amin’ity fiainana ity. Ny fanamafisana orina ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra dia afaka ny hitarika amin’ny fifandraisana matanjaka kokoa amin’ny fianakavianao.
A family enjoys their time together as they walk down a sidewalk.

Ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ny fianakaviana

Amin’ny maha-Rainao any An-danitra be fitiavana Azy, dia tian’ Andriamanitra hianatra sy hivoatra eo amin’ny fiainana ianao. Manana anjara asa lehibe eo amin’izany fivoarana izany ny fianakaviana. Izahay dia mino fa:
  • Ny fianakaviana no akora fototry ny fiarahamonina matanjaka.
  • Ny tokantrano dia afaka ny ho toerana izay hahatsapantsika fanohanana sy fiarovana ary fitiavana.
  • Ny fifandraisana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanorenana fianakaviana matanjaka izay ahitana an’ireo filàna ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana.

Afaka ny hiaraka amin’ny fianakavianao mandrakizay ianao

Raha toa ka loharanom-pitiavana sy fifaliana lehibe eo amin’ny fiainanao ny fianakavianao dia mety ho sarotra ny hieritreritra ny lanitra ho tsy misy fifandraisana amin’ireo olona ireo. Anisan’ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny hoe afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana.

Ao amin’ny Baiboly, i Jesoa dia nanome ny fahefan’ny fisoronana an’ireo Apôstôly Roambinifolo, sady nampanantena fa “na inona na inona fehezinareo ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra” (Matio 18:18). Io fahefana avy amin’ Andriamanitra io ihany no mampiray—na mamatotra—ny mpivady ary koa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ho mandrakizay.

Family life in Hong Kong.  Images include: Family at ocean, laughing together, reading, praying, playing games etc.
Amin’ny alalan’io fahefana io ihany no anatanterahana lanonana ara-panambadiana any amin’ny tempoly miaraka amin’ny fampanantenana fa ny fanambadian’ireo izay mahatoky amin’ Andriamanitra sy amin’ny vadiny dia afaka maharitra mandrakizay fa tsy mifarana amin’ny fahafatesana.

Manatontosa an’ireo lanonana famehezana ireo ihany koa izahay ho an’ireo razambentsika, izay inoanay fa afaka misafidy ny hanaiky na handà an’ireo famehezana ireo.

Mety ho sarotra ny fifandraisana sy ny toe-java-misy eo amin’ny fianakaviana, ary tsy fantatsika mazava tsara ny fomba hirindran’ny zava-drehetra any amin’ny fiainana manaraka. Saingy manam-pinoana ny amin’ny fahendrena sy ny fitiavana tonga lafatr’ Andriamanitra izahay, ary mino izahay fa ny lanitra dia ho toeram-pifaliana tsy hay lazaina.

Afaka mahita fanampiana ianao mba hanamafisana orina ny fianakavianao

Julie Hillyard On Family
Ny nolazain’ i Julie Hillyard momba ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana
Miaina fifaliana ao amina fianakaviana iray izay toa miavaka amin’ny hafa
Ny fifandraisana ao anatina mpianakavy be fitiavana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ireo fitsipika nampianarin’i Jesoa Kristy, toy ny:
  • Fiantrana
  • Famelan-keloka
  • Fahamarinan-toetra
  • Fankasitrahana
  • Vavaka
  • Fiaraha-mitsaoka
Rehefa miha-manakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fahazarana ireo ny fianakavianao dia hifanakaiky kokoa ianareo.

Noho ny finoanay fa manan-danja tokoa ny fianakaviana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny manaraka, dia tsy mikely soroka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanohanana ny hisian’ny fifandraisana mahasoa eo anivon’ny fianakaviana. Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahanao mahita fanohanana ho an’ny fianakavianao.

Ireo loharanom-pitaovana ho an’ny fianakaviana

Manolotra loharanom-pitaovana ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ny Fiangonana mba ho ampiasaina eo am-pandalinan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo loharanom-pitaovana enti-mandalina ireo dia manome fahafahana anao hampihatra ny zavatra nianaranao sy hampitomboana ny finoanao. Hamafisina isan-kerinandro any am-piangonana ireo fitsipika ireo.

Midira ao amin’ireo drafitra hoenti-mandalina, antsoina hoe Avia, hanaraka Ahy.
Ny fandaharan’asa ho an’ny zatovon’ny Fiangonana dia manohana ireo ray aman-dreny amin’ny fampianarana ireo soatoavina tahaka ny an’i Kristy amin’ireo zanany, ary izy ireny dia mamela ireo tanora hifandray amin’ny hafa izay miaina soatoavina mitovy amin’izany. Ny sasany amin’ireo fahafahana ho an’ny zatovo dia ahitana:
  • Ireo kilasy fianarana ny filazantsara
  • Fiaraha-mientan’ny vondron-jatovo isan-kerinandro
  • Tetikasa fanompoana
  • Dihy
  • Lasy amin’ny fahavaratra
  • Ireo fihaonambe
Ny takariva ao an-tokantrano dia fomba fanao iray izay hamporisihana ny fianakaviana hanokana takariva iray isan-kerinandro mba hiarahan’izy ireo mandany fotoana. Mety ho tafiditra amin’izany ny fandalinana ny filazantsara, ny fanaovana kilalao, ny fankafizana sakafo, ary ny fandraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientana hafa izay manorina firaisan-kina. Tsara avokoa izay mety amin’ny fianakavianao! Ny zavatra manan-danja dia ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanokanana fotoana tsara ho an’ny fianakaviana. Mety ho fotoana hivondronana miaraka amin’ny namana sy ny mpifanolobodirindrina ary ireo mpiara-miangona aminareo ihany koa izany.
Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tendrena hanompo olona vitsivitsy amin’ireo mpiara-miangona aminy. Rehefa manompo ny hafa isika dia miezaka manompo azy ireo toy izay ho nataon’ny Mpamonjy. Izany dia manome antoka fa ny mpikambana rehetra ao am-piangonana dia manana olona iray mikarakara azy ireo sy olona iray azon’izy ireo hitodihana raha toa ka misy zavatra ilaina izy ireo. Ohatra, mety hanolotra fitaterana mankany am-piangonana ny rahalahy na rahavavy mpanompo iray, na mandamina sakafo haterina rehefa tera-bao ny fianakaviana iray, na mba ho namana fotsiny eo amin’ireo dabilio.
Raha toa ka sahirana amin’ny famatsiana ny zavatra ilain’izy ireo ny fianakaviana na ny isam-batan’olona dia afaka manampy amin’ny filàna toy ny fividianana sakafo ny fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana. Ny sampan-draharaha misahana ny asa an’ny Fiangonana dia afaka manampy ny olona amin’ny fitadiavana asa vaovao na fanatsarana ny fahaiza-mitady asa. Manolotra kilasy tohanan’ny Fiangonana isika, izay misokatra ho an’ny rehetra, mikasika ny fitantanam-bolan’ny tena manokana, ny hery ara-pihetsehampo, ary ny fanombohana fandraharahana.
Ny olona tsirairay dia ao anatin’ny fianakavian’ny ray aman-drenintsika any an-danitra. Tsy ny olon-drehetra izay mandeha any am-piangonana no miara-mipetraka amin’ny fianakaviana, fa ny rehetra kosa dia afaka mahita fanohanana ara-panahy sy fivondronana any am-piangonana. Ny olon-dehibe tokan-tena dia afaka misafidy ny hitsaoka ao anatina vondrona mpivavaka izay ahitana fianakaviana sy ankizy—na, any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao, dia afaka manatrika fotoam-bavaka manokana ho an’ny olon-dehibe tokan-tena ao anatin’ny sokajin-taonany izy ireo. Ny fanatrehana ireo kilasy fianarana ny filazantsara sy ireo fiaraha-mientana ara-piarahamonina natokana ho an’ny olon-dehibe tokan-tena dia afaka manome fahafahana miavaka ho an’ny finamanana sy ny fivoarana ara-panahy.

Andeha isika hiresaka momba ny fianakaviana

Ny Fiangonana dia afaka manampy anao hanamafy orina ny fianakavianao sy hitahiry ireo fifandraisana sarobidy mba haharitra mandrakizay. Afaka mianatra misimisy kokoa ianao amin’ny alalan’ny firesahana amin’ireo misiônera an-jotra na mivantana.