Tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly

Mampianatra antsika momba ny drafitr’ Andriamanitra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly.

Mitarika antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny soratra masina

Nomena ireo mpaminany ny tenin’ Andriamanitra ary noraketina ao amin’ny soratra masina. Mitondra antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny fandalinana ireo lahatsoratra ireo.

Holy Scripture Guides Us Closer to Jesus
Ny fomba iarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna miasa

Tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna

Ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho An’ Ny Olomasin’ Ny Andro Farany dia mandray ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ny Bokin’i Môrmôna dia rakitsoratra masina nentanim-panahy, toy ny Baiboly izay natambatr’ireo mpaminany fahiny. Ny fandalinana ireo boky anankiroa ireo dia afaka manome fitaomam-panahy sy hevi-baovao ary fitarihana.
What is the Book of Mormon about - In App

Inona no resahana ao amin’ ny Bokin’i Môrmôna?

Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny fomba fitaoman’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny nitahiany ireo olona niaina tany Amerika fahiny.

Manomboka amin’ny tantaran’ny mpaminany iray antsoina hoe Lehia izany. Nampitandrina azy Andriamanitra teo amin’ny faha 600 talohan’i JK fa horavana i Jerosalema. Notarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra hitondra ny fianakaviany hiampita ny ranomasimbe i Lehia sy i Sarià vadiny.

Taty aoriana dia nitombo ny taranak’izy ireo ka lasa firenena roa izay fantatra amin’ny hoe ny Nefita sy ny Lamanita. Mamariparitra ny finoana an’ Andriamanitra sy ny famindram-pon’ Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra, ary ny fampitandremany amin’ny fahotana ny tantaran’izy ireo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny zava-nitranga lehibe indrindra tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny fitsidihan’ny Mpamonjy an’ireo mpanara-dia Azy tany Amerika taorian’ny nahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Io fitsidihana io no nahatanteraka an’ilay fampianarany tao Jerosalema:
Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko.
Taorian’ny nampianaran’i Jesoa Kristy ny fotopampianarany sy nananganany ny Fiangonany tany Amerika, dia niaina tamim-piadanana sy tamim-pahamarinana nandritra ny taranaka maro nifandimby ny vahoaka.

Tamin’ny farany dia tafalatsaka tao anatin’ny ady sy ny faharatsiana ny vahoaka, ary dia ringana ny Nefita. I Môrmôna, izay anisan’ireo Nefita tafavoaka velona farany, no nanambatra ireo rakitsoratry ny Nefita ho lasa ilay ahafantarana azy amin’izao andro maoderina izao, dia ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba nahazoantsika ny Bokin’i Môrmôna?

Tany am-piandohan’ny taona 1800, Andriamanitra dia nisafidy an’i Joseph Smith mba ho mpaminany hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonany. Nambaran’Andriamanitra ny toerana nanafenana ireo rakitsoratra fahiny ary nomaniny i Joseph mba handika izany tamin’ny alalan’ny fanambarana masina.

Nanomboka tamin’izay dia tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna miisa 192 tapitrisa no efa natao printy, ary nadika tamin’ny fiteny miisa 115 izany. Nitaona ny fanahin’ny olona an-tapitrisany maro mba ho lasa mpanara-dia feno fanoloran-tena bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Afaka manentam-panahy anao koa izany.

Aiza no ahafahako mamaky izany?

Afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna an-jotra na ao amin’ny application Bokin’i Môrmôna ianao. Afaka mahazo tahadika amin’ny endriny boky haterina eo am-baravaranao maimaim-poana ianao.
Series of images of people studying in groups, individually, in families sitting in Congo

Ny Baiboly dia tenin’ Andriamanitra

Ny Baiboly Masina dia boky soratra masina nomen’ Andriamanitra antsika—zanany—mba ho tombontsoantsika. Afaka manome tanjaka sy fitaomam-panahy ary fitarihana ho anao ny fampianarany.

Ny famakianao ny Testamenta Taloha dia ahafahanao:

  • Mianatra momba ny fahariana ny tany.
  • Mamaky ny fomba nilazan’ireo mpaminany fahiny, toa an’i Isaia, mialoha ny fiavian’i Jesoa Kristy.
  • Mahita ohatra mahery vaika maneho finoana, tahaka an’i Estera Mpanjakavavy.
  • Mahazo fampiononana amin’ny tononkalo mahafinaritra ao amin’ny Salamo sy ny Ohabolana.


Ny famakianao ny Testamenta Vaovao dia ahafahanao:

  • Mianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy anao, rehefa mamaky momba ny fiainany sy ny fahagagana nataony ary ny ohatra tonga lafatra nasehony ianao.
  • Mahita ilay lalana mitondra any amin’ny fiainana manan-danja sy feno fiadanana kokoa ary any amin’ny famonjena mandrakizay.
  • Mianatra momba ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho anao sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Noho Izy dia afaka mahatratra ny hery masina ao aminao ianao amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao ary hiomana ny hiara-hiaina amin’Andriamanitra sy ireo olon-tianao mandrakizay.
A boy is reading his scriptures.  The scriptures are open to Philemon.

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra momba ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fahasambarantsika ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly.



Tsy mifampaka toerana izy ireo, fa mameno kosa ny fampianaran’ny tsirairay avy amin’izy ireo.



Rehefa mandalina miaraka ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly ianao dia afaka mahazo fahatakarana bebe kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny fifandraisanao Aminy.

Lohahevitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly

Rehefa mandalina miaraka ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly ianao dia afaka mahazo fahatakarana bebe kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny fifandraisanao Aminy. Ohatra, fantaro ny zavatra lazain’ireo boky roa ireo momba an’ireto lohahevitra ireto:
I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Natao ho antsika rehetra ny sorona nataony. Afaka mahita fiadanana sy fanantenana ary famelan-keloka isika amin’ny fanarahana Azy.

Ny Baiboly
“Amavoina sy lavin’ny olona Izy; lehilahin’ny alahelo, sy zatra fahoriana; ary nafenintsika Taminy ny tavantsika; nohamavoina Izy ary tsy nahoantsika.

“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.

“Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:3–5).

Ny Bokin’i Môrmôna

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:11–12).
Noharin’ Andriamanitra isika mba hianatra sy hivoatra. Rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny ho lasa tahaka Azy.

Ny Baiboly

“Nefa katsahonareo aloha ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, ary hanampy ho anareo ireo zavatra rehetra ire.” (Matio 6:33).

Ny Bokin’i Môrmôna

“Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny olona mba hanatontosany ny asany.

“… Miangavy anareo aho mba tsy hanemoranareo ny andron’ ny fibebahanareo hatramin’ ny farany; fa aorian’ izao androm-piainana izao, izay omena antsika mba hiomanana ho amin’ ny mandrakizay, indro, raha tsy mampiasa tsara ny fotoantsika isika raha mbola eto amin’ ity fiainana ity, dia ho avy ny alin’ ny haizina izay tsy misy asa azo atao” (Almà 34:32–33).
Tsy mifarana ny fiainana rehefa misy olona iray nodimandry. Niara-niaina tamin’Andriamanitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany, ary afaka hiverina any Aminy. Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny hitsangana amin’ny maty sy hiaina mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra ny olona rehetra izay nodimandry.

Ny Baiboly

“Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray:

“‘Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay’ (Jaona 11:25–26).


Ny Bokin’i Môrmôna

“Ary amin’izany ny zavatra hitranga, ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry ny fiadanana izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.

“Ny fanahy dia haverina amin’ny vatana ary ny vatana amin’ny fanahy; eny, ary ny ratsam-batana tsirairay sy ny vaniny dia haverina amin’ny vatany; eny, na dia singam-bolo iray amin’ny loha aza dia tsy ho very; fa haverina amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana ny zava-drehetra.

“Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra“ (Almà 40:12, 23, 25 ).
Rehefa manompo ny hafa isika dia manao ny zavatra izay ho nataon’i Jesoa Kristy. Manompo an’ Andriamanitra isika.

Ny Baiboly

“‘Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no nataonareo tamiko” (Matio 25:40).

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” (Jaona 15:13).

Ny Bokin’i Môrmôna

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17).

Haka ny tantara manontolo

Na dia boky samy hafa aza ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly dia anisan’ny tantara iray ihany izy ireo. Alaivo ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna ary halalino miaraka amin’ny misiônera ireo boky soratra masina roa ireo.