Mahatakatra ireo fanamby atrehanao i Jesoa Kristy

Tsy voatery miaina ireo fanambin’ny fiainana irery ianao. Mahatakatra tanteraka ny zavatra lalovanao sy hitarika anao ary hanohana anao i Jesoa Kristy.

Mahatakatra ny mahazo anao i Jesoa Kristy

Rehefa nijaly ho antsika rehetra tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy dia nahazo fahatakarana tanteraka momba ny fitsapana rehetra izay atrehantsika Izy. Izy no hany olona mahafantatra tsara ny zavatra lalovanao, ary ny fahasoavany dia hanome ny hery ilainao handresena ireo fitsapana.

Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna:

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:11–12).

Satria tia anao Andriamanitra ary tiany ianao mba ho lasa ny tsara indrindra avy aminao, dia nandefa ny Zanany tonga lafatra Izy mba ho Mpamonjy anao. Nitondra teo Aminy ny fanaintainana sy ny fijaliana i Jesoa Kristy mba hahafantarany ny fomba hanohanana anao. Mahafantatra tanteraka anao ary mahafantatra ny fomba hanampiana anao Izy raha mitodika amin’ Andriamanitra amim-bavaka sy mangataka fitarihana ianao.

Afaka mahita fiadanana sy fanohanana amin’ireo fotoan-tsarotra ianao

Coping with Grief
Afaka manampy anao miatrika alahelo ny fiarahamonina iray feno fitiavana ao amin’ny Fiangonana
Rehefa mitodika amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ianao dia hampatanjahana ary hiasa ho toy ny vatofantsika ao anatin’ireo tafiotry ny fiainana ny finoanao. Ny filazantsaran’i Kristy dia afaka manoro anao ny lalana mitondra any amin’ny fifaliana maharitra, ary ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Fiangonany dia afaka mitondra fiadanana sy fanantenana.

Ny namanao sy ny fianakavianao dia afaka ny ho loharanom-pitaovana mahafinaritra hahazoana fanohanana sy fahasambarana, anisan’izany ireo finamanana niforona tany am-piangonana. Miezaka manolotra fiarahamonina mikarakara izay hifanompoantsika amin’ny fomba mahomby sy ara-panahy ireo mpikambana ao amin’ny fiangonantsika.
two women hugging
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manome rafitra fanohanana mandritra ireo fanamby eo amin’ny fiainana. Ny mpiangona eo an-toerana misy anao dia afaka manome fampahalalana misimisy kokoa momba ireo fahafahana hahazoana fanohanana misy eo amin’ny faritra misy anao.

Hampatanjaho ny finoanao

Afaka mahazo tanjaka sy faharetana mba handresena ireo fanamby eo amin’ny fiainana ianao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Afaka mampiseho anao ny fomba hanaovana izany ireo misiônera.