Afaka mandray anjara tsara ireo mpitsidika, saingy tsy takina hanao izany izy ireo. Rehefa zaraina amin’ny mpiangona ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo (mitovy amin’ny Kômonio), ka mahatsapa ho sadaikatra ianao ny handray izany, dia ampitao amin’ny olona eo akaikinao fotsiny ilay lovia. Ankoatra izany dia aza misalasala maka aina tsara eo am-pipetrahana ary ankafizo fotsiny ilay fivoriana.
Eny! Asaina ianao hiaraka aminay mandritra ireo fiaraha-mientana isan-kerinandro, fiarahana miala voly na manao zavatra any ivelan’ny Fiangonana, tetikasa hanaovana asa fanompoana, ary fotoam-pivavahana ao am-piangonana. Mba te hahafantatra anao izahay ary hankasitrahanay ny fandraisanao anjara ao amin’ilay vondrom-piarahamonina.
Tongava miaraka amin’ny fitafy mahazatra anao fa horaisina am-pitiavana be ianao. Raha toa ianao ka manahy sao dia hiavaka amin’ny rehetra, dia miezaka manao fitafiana tsara kokoa noho izay anaovanay mandritra ny fotoana sisa ao anatin’ny herinandro izahay mba hanehoanay ny fanajanay fatratra an’ Andriamanitra. Ny fitafy mahazatra indrindra ho hitanao ao am-piangonana dia lobaka sy karavato ho an’ny lehilahy ary zipo na akanjo lava ho an’ny vehivavy.
Manaraka lamina adiny roa mitovy ho an’ny fotoam-pivavahana isaky ny alahady ny fiangonana maneran-tany ato aminay. Misy fivoriana anankiroa, ary adiny iray ny fivoriana tsirairay.
Mandritra ilay antsoinay hoe “fivoriana fanasan’ny Tompo,” dia miara-mivory ny mpikambana rehetra ao amin’ny fiangonana. Io fivoriana io dia ahitana hira sy vavaka ary toriteny (na “lahateny”) ataona mpikambana samihafa avy eo anivon’ireo mpivavaka isan-kerinandro. Fa ny ampahany manan-danja indrindra amin’ilay fivoriana dia ny fotoana handraisanay ny fanasan’ny Tompo (izay mitovy amin’ny kômonio) mba hahatsiarovana ny Mpamonjy.
Ankoatra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia asaina ny olona hijanona mandritra ny ora iray faharoa hianatra miaraka amina olona vitsivitsy kokoa izay ahitana kilasy ho an’ny lehilahy, ho an’ny vehivavy, ho an’ny zatovo, ary ho an’ny ankizy.
Ireo paroasy sy sampana dia vondron’ny mpikamban’ny Fiangonana izay mipetraka ao anatin’ny faritra iray voafaritra. Ao amin’ny paroasy ianao dia afaka mahazo namana, mahatsapa ho manan-toerana, ary manorina fifandraisana mifono fifanohanana amin’ny hafa ao amin’ny fiarahamonina misy anao. Mety misy karazana paroasy sy sampana azonao atrehana izay miankina amin’ny toerana ipetrahanao.
Paroasy ho an’ny daholobe
Afaka manatrika fiangonana ho an’ny daholobe avokoa ny olona rehetra. Miara-manompo ao amin’ny vondrom-piarahamonin’ny Fiangonana ny olona avy amin’ny sokajin-taona rehetra ao amin’ny fiangonana ho an’ny daholobe. Miara-mivavaka ao anatin’ny fivoriana iray ihany ireo fianakaviana, ny olon-dehibe tokan-tena, ny ankizy, ny mananotena, ary ireo mpivady vao herotrerony.
Paroasy miteny amin’ny fiteny manokana
Mety ho tsikaritrao fa any amin’ny faritra sasany dia misy paroasy na sampana voatanisa miaraka amin’ny fiteny iray misoratra eo akaikiny. Misy mpiangona manao fivoriana amin’ny fiteny hafa ankoatra ny fiteny be mpampiasa indrindra eo amin’ny faritra izay anaovanao fikarohana.
Ireo paroasin’ny tanora tokan-tena
Ny paroasin’ny tanora tokan-tena dia natao ho an’ireo olona tokan-tena 18-35 taona. Matetika ireo vondron’olona mpiangona ireo no hita eo akaikin’ireo faritry ny oniversite ary manao fiaraha-mientana mandritra ny herinandro ankoatra ireo fotoam-pivavahana isaky ny alahady.
Paroasy ho an’ny olon-dehibe tokan-tena
Ny vondron’olona mpiangona izay olon-dehibe tokan-tena dia natao ho an’ireo olona tokan-tena 36-45 taona. Ireo vondron’olona mpiangona ireo dia manampy ny olona hivavaka sy hiara-hanompo izay miaina toe-javatra mitovy sy liana amin-javatra mitovy.