Iza moa izahay
Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia avy amina vondrom-piarahamonina isan-karazany manerana izao tontolo izao izay manana finoana an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany iombonana.
Finoana mavitirika
Namana sy mpifanolobodirindrina
Afaka mahita anay miaina sy miasa ary mikarakara ny fianakaviana manerana izao tontolo izao ianao. Ho anay, ny fandraisana anjara eo anivon’ny fiarahamonina misy anay dia fomba iray ahafahanay mitia ny namanay araka ny nampianarin’i Jesoa.
Mpiangona mandray anjara
Izahay rehetra dia samy mandray anjara eo anivon’ny fiangonana misy anay eo an-toerana, amin’ny alalan’ny fananana anjara asa eo amin’ny fitarihana sy amin’ny alalan’ny fanaovana lahateny izay nampiandraiketina ary amin’ny alalan’ireo fahafahana manao zavatra an-tsitrapo, fa tsy manana mpitondra fivavahana mandray karama.
Fanohanana mihoatra ny andro alahady
Ho anay, ny fiangonana dia mihoatra noho ny fitsaohana isaky ny alahady. Toerana iray ahafahana mahita fanohanana amin’ny alalan’ny finamanana sy ny zavatra iainana koa izany izay manamafy orina ny finoana sy manolotra fanampiana mahasoa eo anatrehan’ireo olana eo amin’ny fiainana.
Miara-miasa izahay amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anay
Manatsara ny fiainana sy manorina fiarahamonina matanjaka
Miara-mitsaoka izahay
Any anatin’ireo vondrona mpiangona eo an-toerana izay miisa 30.000 mahery manerana izao tontolo izao, dia mivondrona miaraka amin’ireo olona hafa eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ireo ny olona mba hitsaoka, hivavaka, hihira hira ao amin’ny fihirana, ary handalina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Miara-mianatra izahay
Mandritra ny herinandro, ny olona ao anatin’ny sokajin-taona rehetra dia mivondrona mba hanatrika kilasy, toy ny seminera ho an’ny zatovo na institiota ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, mba hiaraka handalina ny fampianaran’i Jesoa.
Manompo ny hafa izahay
Ny tetikasa fanompoana dia singa iray tsy tapaka mandrafitra ny fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana ary fomba iray manan-danja hankatoavanay ilay didin’ Andriamanitra mba hitia ny namanay.
Manorina fifandraisana amin’ny hafa izahay
Ireo mpiangona ao aminay dia isan’ireo mponina ao amin’ireo toerana ipetrahanay, ary miezaka mafy izahay mba ho mpifanolobodirindrina sy namana tsara. Ireo fiaraha-mientana ara-tsôsialy dia ampahany mahafinaritra sy manan-danja ao anatin’ny fanorenana fiarahamonina eo anivon’ny fiangonana.
Manamafy orina ny fianakaviana izahay
Ny fifandraisana mafy orina eo amin’ny fianakaviana dia mahatonga ity fiainana ity ho feno fifaliana ary manampy antsika hanorina ilay karazana tontolo tiantsika haorina. Ny zavatra iainanay ao am-piangonana sy ny asa fanompoana ataonay dia manampy amin’ny hisian’ny fifandraisana lalina kokoa sy feno fitiavana eo anivon’ny fianakaviana.
Lasa olona tsara kokoa izahay
Ny fahatongavana amin’ilay karazana olona hantenainay hahatongavana dia ampahany manan-danja eo amin’ny fiainanay ao amin’ny fiangonanay. Ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana dia manampy ny olona hianatra sy hivoatra ara-panahy sy amin’ny fomba mahasoa amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Fitarihana ao amin’ny Fiangonana
“Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.” –
Mino ny mpaminany sy apôstôly izahay
Ny Fiangonana dia tarihin’ny mpaminany iray sy ireo apôstôly amin’izao fotoana izao, izay manaraka ilay lamina napetrak’i Jesoa Kristy mba hitarihana ny olony tamin’ny andron’ny Baiboly. Manompo sy miasa eo ambanin’ny fitarihany mifono fanentanam-panahy ireo mpitarika ireo. Afaka mianatra misimisy kokoa momba azy ireo ianao ato .
Avy amin’ny firenena manerana izao tontolo izao ireo mpitarika
Lehilahy sy vehivavy avy amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainana dia manampy amin’ny fitarihana ny asan’ny Fiangonana maneran-tany sy eo anivon’ny faritra. Ohatra iray amin’izany ny vehivavy mitarika ny Fikambanana Ifanampiana .
Olon-tsotra ireo mpitarika eo an-toerana
Ireo mpiangona eo an-toerana dia tarihin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana izay manolotra an-tsitrapo ny fotoanany, fa tsy mpitondra fivavahana mandray karama. Tohanan’ireo olon-tsotra hafa mpikamban’ny Fiangonana izy ireo izay manampy amin’ny zavatra rehetra manomboka any amin’ny fampianarana ireo kilasin’ny Sekoly Alahady ka hatrany amin’ny fanadiovana ny trano fiangonana.
Mifampianatra izahay
Rehefa mitsidika ny mpiangona ao aminay ianao dia hahatsikaritra fa mifampianatra izahay ary miara-mianatra avy amin’ny soratra masina. Mino izahay fa ny olona tsirairay dia manana zavatra sarobidy atolotra mba ho anjara biriky, noho izany dia mangataka olona maro samihafa ireo mpitarika mba hitory eny amin’ny polipitra, hivavaka, ary hampianatra kilasy.
Hangataka fampahafantarana manokana
Raha toa ka liana ny hitsidika ny fiangonana any amin’ny toerana misy anao ianao, dia tianay ianao mba hahazo aina araka izay azo atao. Afaka mihaona aminao mialoha ireo misiônera eo an-toerana mba hampahafantatra anao ny zavatra ho hitanao any sy hamaly ireo fanontanianao ary hamandrika toerana ho anao mihitsy aza rehefa vonona ny hitsidika ianao.
Mahazoa hafatra manentana ny fanahy avy ao anatin’ny boaty fandraisanao email
Mahazoa horonan-tsary, lahatsoratra, ary zavatra ihany koa ao anatin’ny email isan-kerinandro.