Miresaka amin’ireo zanany amin’ny alalan’ireo mpaminany Andriamanitra

Tamin’ny andron’ny Baiboly dia nisafidy mpaminany Andriamanitra mba hitarika ny vahoakany. Manohy mandray ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminany velona iray isika ankehitriny.

Nahoana isika no mila Mpaminany?

Tia ny zanany Andriamanitra ary tiany isika hahita fiadanana sy fahazavana ao anatin’ny fisafotofotoana eto amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fifandraisana Aminy. Afaka manakaiky kokoa an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka, ny fitsaohana ao am-piangonana, ary amin’ny alalan’ireo mpaminanin’ Andriamanitra.

Na dia miresaka amintsika tsirairay avy amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy manokana aza Andriamanitra, dia miresaka amintsika rehetra amin’ny alalan’ireo mpaminany koa Izy, izay miasa amin’ny maha-mpitondra hafatr’ Andriamanitra azy ireo, izay nalefa mba hampianatra antsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary hizara fitarihana manokana amin’izao androntsika izao.
God Has More to Share with You

Mampiasa mpaminany foana Andriamanitra hanao ny asany

The Old Testament prophet Noah and his family aboard the ark. Noah is watching the animals board the ark. Storm clouds and lightning are depicted in the sky.
Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mampiseho fa hatramin’izay Andriamanitra dia nisafidy mpaminany mba hanao asa amin’ny anarany ho famonjena ireo zanany.

Indraindray ny olona dia nino ny tenin’ireo mpaminany ary nanana fomba fiainana marina. Indraindray nefa dia nandà ny hafatr’ Andriamanitra izy ireo ary niala Taminy, tao anatin’ny toe-javatra fantatra amin’ny hoe “apôstazia.” Ireo fotoan’ny apôstazia ireo nony farany dia nifarana tamin’ny fahamarinana nohavaozina rehefa nibebaka ny olona ary nanomboka nihaino ireo mpaminany voafidin’ Andriamanitra indray.

Nandritra ny Testamenta Taloha dia naniraka mpaminany ny Tompo mba hampitandrina ny olona tamin’ny mosary na ny ady na ireo loza hafa.

Mety ho fantatrao ny anaran’ny sasany amin’ireo mpaminany ireo, toy an’i:
  • Adama
  • Noà
  • Abrahama
  • Isaka
  • Jakoba
  • Mosesy
  • Isaia
Nizara ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny olona ireo mpaminany ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny vokatry ny fahotana. Ny tena manan-danja indrindra dia nitondra fanantenana ireo mpaminany rehefa nitantara tamin’ny olona ny momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay manova fiainana.

Ireo mpaminany ao anatin’ny soratra masina rehetra dia nampianatra lesona momba ny fanorenana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fahatongavana ho tahaka Azy kokoa, ary mbola manakoako ireo hafatra ireo ankehitriny. Afaka mahazo tanjaka sy manana fanantenana ary mahazo fitaomam-panahy amin’ny alala’ny famakiana ny tenin’izy ireo ianao.
Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.

Misy mpaminany iray mitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ankehitriny

Ny ilàna ny Famerenana amin’ny laoniny

Fony i Jesoa Kristy teto an-tany dia niantso Apôstôly roa ambin’ny folo Izy mba hanampy tamin’ny fitarihana ny Fiangonany. Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa dia niatrika fanoherana ireo Apôstôly ary novonoina ny sasany. Rehefa nandeha ny fotoana dia very ireo fahamarinana manan-danjan’ny filazantsara sy ny fahefan’ny fisoronana avy amin’ Andriamanitra rehefa tafalatsaka tao anatin’ny apôstazia ny olona manerana an’izao tontolo izao.

Avy eo tamin’ny taona 1820 dia nivavaka tamin-kitsimpo ny zazalahy iray 14 taona nantsoina hoe Joseph Smith, izay nikatsaka famelan-keloka ary nangataka mba hahafantatra hoe iza no fiangonana tokony hidirany ho mpikambana.

Niseho tamin’i Joseph Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Nilaza taminy izy ireo fa voavela ny fahotany ary tsy tokony hiditra ho mpikambana ao amin’ireo fiangonana misy amin’izao fotoana izao izy. Taty aoriana izy dia lasa mpaminany nofidin’ Andriamanitra hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany.

Joseph Smith, Jr. kneeling in the Sacred Grove during the First Vision.  There are shafts of light shining down on Joseph.

Mpaminany ho an’izao androntsika izao

Mampianatra fahamarinana mandrakizay izy ireo, mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, mampitandrina antsika amin’ny loza, manome antsika antony hanantenana, manome fitarihana manokana avy amin’ Andriamanitra ho an’izao androntsika izao, ary mihazona fahefana avy amin’ Andriamanitra hitarika ny Fiangonany sy hanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Fanontaniana fametraky ny olona matetika

Indroa isan-taona ny mpaminany sy ireo Apôstôly ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana no manao lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, manome hafatra nentanim-panahy mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa.

Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia atao mivantana any Salt Lake City, Utah, Etazonia, fa olona an-tapitrisany maro maneran-tany no manaraka avy lavitra na mandalina samirery ireo hafatra amin’ny fotoana aty aoriana.

Afaka mijery momba ireo toriteny teo aloha ianao eto, ary afaka manaraka tsara ny zavatra lazain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ireo zavatra hafa, toy ny fanokanana tempoly na fihaonambe iraisam-pinoana, amin’ny alalan’ny fitsidihana ny Church Newsroom. Azonao ampiasaina koa ny fomba fikarohana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hitetezana ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, sy ireo lahatsoratra ao amin’ny gazetiboky, ary ireo loharanom-pitaovana hafa araka ny lohahevitra.
Rehefa maty ny mpaminany iray sady Filohan’ny Fiangonana dia ny apôstôly zokiny indrindra (amin’ny faharetan’ny fotoana nanompoana fa tsy amin’ny taona) no antsoin’Andriamanitra ho lasa mpaminany vaovao. Rehefa misy fahabangana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manentana ny fanahin’ny mpaminany ny Tompo mba hiantso ilay olona izay nofidian’ny Tompo.

Misy ihany koa ireo andraikitra hafa—izay antsoinay hoe “antso”—izay omena eo anivon’ny faritra na eo an-toerana amin’ny alalan’ny fikatsahana fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra. Ohatra, ny eveka izay mitarika vondrona mpiangona iray dia mety hivavaka ary hahatsapa fitaomam-panahy hangataka vehivavy iray manokana hitarika ny rafitry ny vehivavy izay fantatra amin’ny hoe Fikambanana Ifanampiana. Avy eo izy dia hivavaka mba hahafantarana hoe iza no tokony hanampy azy ho mpanolotsaina sy mpitantsoratra ary mpampianatra.

Ireo hafatr’Andriamanitra ho antsika

Afaka mampianatra anao misimisy kokoa momba ireo mpaminany ny misiônera ary manampy amin’ny fampahafantarana anao ireo hafatra omen’ Andriamanitra ho an’izao androntsika izao.