Naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Afaka mianoka ireo fitahiana entin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany amin’izao fotoana izao ny rehetra.
Nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy
- Ampahany manan-danja tamin’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany ny nananganany ny Fiangonany.
- Niantso ireo Apôstôly Roambinifolo izy mba hampianatra sy hampiely ny filazantsara.
- Nomeny fahefana hiasa amin’ny anaran’ Andriamanitra ireo Apôstôly, izay fantatra amin’ny hoe fisoronana (jereo ny
Matio 10:1–10 ).
- Taorian’ny nanomboana an’i Jesoa dia niatrika fanoherana sy fanenjehana ireo Apôstôliny, ary nitarika ny fahafatesan’izy ireo ny tranga sasany tamin’izany.
- Nampiasa ny fivavahana entina hampitomboana ny fahefan’izy ireo manokana ny olona sasany, na nihataka mba hanorina antokom-pivavahana izay mandika vilana ny fampianaran’ny Mpamonjy.
- Rehefa nandeha ny fotoana dia nesorina teto an-tany ny fisoronana ary fahamarinana manan-danja maro no very.
- Tany amin’ny taonjato faha 16 tany dia nahatsapa ny tsy fahafenoana teo amin’ny sehatry ny Kristianisma ireo olona toa an’i Martin Luther sy i John Calvin ary niezaka nanavao ireo fiangonana efa nisy.
- Fiangonana vaovao maro no naorina mba hanarahana amin-kitsimpo an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany tena izy.
- Indrisy anefa fa ireo fivavahana ireo dia mbola tsy nanana ny fahefan’ny fisoronana avy amin’ Andriamanitra mba hanatanterahana ôrdônansy toy ny batisa na ny fanasan’ny Tompo.
Na dia teo aza ny ezaka natao nandritra ny Fanavaozana Protestanta, dia nilaina ny famerenana amin’ny laoniny feno, izay tarihin’ny mpaminany nofidin’ Andriamanitra.
Ny fotoan’izany famerenana amin’ny laoniny izany dia tonga tamin’ny 1820 rehefa nanomboka nahatsapa “fahasahiranana lehibe”, araka ny teniny, momba ny fiadanan’ny fanahiny sy ny fiangonana tokony hidirany ny zazalahy iray 14 taona nantsoina hoe Joseph Smith (Joseph Smith—Tantara 1:8 ).
Indray andro, raha nandalina ny Baiboly i Joseph, dia namaky ny hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5).
Nisy fiantraikany mahery vaika teo amin’i Joseph io soratra masina io, izay nanosika azy hitady alakely mangina izay nivavahany tamin’ny fony manontolo mba hahazoany ny fitarihan’ Andriamanitra. Nanoratra izao tantara izao momba ny zava-nitranga taorian’izay izy:
Ny fotoan’izany famerenana amin’ny laoniny izany dia tonga tamin’ny 1820 rehefa nanomboka nahatsapa “fahasahiranana lehibe”, araka ny teniny, momba ny fiadanan’ny fanahiny sy ny fiangonana tokony hidirany ny zazalahy iray 14 taona nantsoina hoe Joseph Smith (
Indray andro, raha nandalina ny Baiboly i Joseph, dia namaky ny hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5).
Nisy fiantraikany mahery vaika teo amin’i Joseph io soratra masina io, izay nanosika azy hitady alakely mangina izay nivavahany tamin’ny fony manontolo mba hahazoany ny fitarihan’ Andriamanitra. Nanoratra izao tantara izao momba ny zava-nitranga taorian’izay izy:
Tamin’izay fotoam-pahatairana lehibe izay no nahitako andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko. … Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana dia nahita Olona roa aho izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy! (Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ).
Niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, ary nilaza taminy fa voavela ny fahotany ary tsy misy tamin’ireo fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Fa i Josefa kosa dia voafidy ho mpaminanin’ Andriamanitra izay hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy eto an-tany.
Ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny
Tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ilay Fiangonana izay naoriny tamin’ny andro fahiny, izay midika fa:
Naverina naorina indray niaraka tamin’nympaminany sy Apôstôly Roambinifolo ny Fiangonana.
Bokin’i Môrmôna , izay testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ity bokin-tsoratra masina ity dia nosoratan’ireo mpaminany tany Amerika fahiny, ary nadikan’i Joseph tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy any an-danitra ilay boky.
Tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna sy nyfanambarana maoderina avy amin’ Andriamanitra , dia nambara ireo fahamarinana manan-danja momba ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika sy ny tanjontsika eto an-tany. Tafiditra amin’ireo fanambarana ireo:
Naverina naorina indray niaraka tamin’ny
- Azo atao batisa ao amin’ny Fiangonany ireo mpianatr’i Kristy miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronana tena marina avy amin’ Andriamanitra ary omena ny fanomezana ny Fanahy Masina.
- Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany indray ireo fombafomba ara-pivavahana manan-danja izay fantatra amin’ny hoe ôrdônansin’ny fisoronana, anisan’izany ny hery hamehezana ny fianakaviana ho amin’izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay.
Tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny
- Ny fahatakarana lalina kokoa momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy.
- Ny fahalalana fa niaina niaraka tamin’ Andriamanitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany.
- Ny fahalalana hoe eto isika mba ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa, ary hiverina hiara-hiaina Aminy indray.
- Ny toky fa afaka
miara-miaina mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika isika.
Ankehitriny dia mbola tarihin’ny mpaminany velona iray sy Apôstôly hatrany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fampianaran’izy ireo ho an’izao “andro farany” izao dia ahitana ny fampitomboana ny fifantohantsika amin’ny Mpamonjy, ny fikarakarana ny mahantra, ny fanatsaharana ireo fifandirana manokana eo amin’ny fiainantsika, ary ny fanamafisana orina ny fianakaviana. Noho ny fitarihana sy ny fahendren’izy ireo amin’ny maha mpaminany azy ireo dia olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao no afaka miaina ireo fitahiana entin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.