Mampifamatotra antsika amin’ Andriamanitra sy isika samy isika ireo fampanantenan’ny tempoly
Noho ny sorona nataon’i Jesoa Kristy dia afaka hiaraka hiaina amin’ireo olona akaikin’ny fontsika sy amin’ Andriamanitra indray isika aorian’ity fiainana ity. Afaka misafidy ny hanaraka Azy isika amin’ny fanaovana fanekempihavanana, na fampanantenana Aminy.
Inona no atao hoe tempoly?
Toerana masina ny tempoly. Raisintsika ho tranon’i Jesoa Kristy Tompo ny tempoly. Tsy mitovy amin’ireo tranon’ny fiangonana eo an-toerana izay fanaovana fotoam-pivavahana isaky ny alahady sy fiaraha-mientana hafa izy ireny. Ny tempoly dia natokana ho amin’ny asan’ Andriamanitra masina indrindra.
Feno tandindona ny tempoly. Ohatra, ireo izay mankao amin’ny tempoly dia manao akanjo fotsy tsotra mba hanehoana ny fahadiovana sy ny fitoviana eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny tempoly dia fialofana masina sy feno fiadanana izay ahafahan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mifandray lalina kokoa Aminy.
Ny tena manan-danja indrindra dia ny tempoly no toerana ahafahantsika manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra.

Inona no atao hoe fanekempihavanana?
Afaka manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra isika ary mandray fitahiana manokana avy Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Ny hoe fanekempihavanana dia fampanantenana masina ifanaovan’ Andriamanitra sy ireo zanany. Andriamanitra no manome ireo fepetra mifehy ilay fanekempihavanana ary avy eo dia manome antsika ny safidy hanaiky izany.
Ndeha horaisintsika ho ohatra ny batisa.
Ndeha horaisintsika ho ohatra ny batisa.
Rehefa atao batisa isika dia mampanantena an’ Andriamanitra fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny ary hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika. Raha manao ireo zavatra ireo isika dia mampanantena Andriamanitra fa hamela ny fahotantsika, hanome antsika ny Fanahiny Masina, ary hanome antsika ny fiainana mandrakizay eo anatrehany.
Isaky ny alahady isika, any am-piangonana, dia manavao ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo, izay antsoina ihany koa hoe kôminio. Io fanasan’ny Tompo io dia araka ilay fanasan’ny Tompo tamin’ny Fanasana Farany izay nampahafantaran’i Jesoa ireo Apôstôliny talohan’ny nahafatesany.
Aorian’ny batisa dia afaka manao fanekempihavanana fanampiny amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly ireo olon-dehibe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ireo fanekempihavanana sy fampanantenana ireo dia manamafy orina ny fifandraisan’izy ireo Aminy sy mitondra fitahiana lehibe kokoa.

Manao fanekempihavanana isika ao amin’ny tempoly.
Fanafiana masina
Ny andian-teny hoefanafiana masina dia midika hoe “fanomezana”. Ao amin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia manao fanekempihavanana ampahibemaso ireo olon-dehibe mpikamban’ny Fiangonana, anisan’izany ireo fampanantenana ny hankatò ny didin’ Andriamanitra sy hanokana ny fotoanany sy ny talentany ho amin’ny asan’ny Tompo. Ho valin’izany, ireo mpikambana dia mandray fitahiana toy ny fahalalana bebe kokoa momba ny drafitr’ Andriamanitra, sy hery bebe kokoa mba hanarahana ny ohatra nasehon’i Kristy, ary ny fahafahana hiaina miaraka amin’ Andriamanitra mandrakizay.Famehezana
Iray amin’ireo fifaliana lehibe ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fampanantenana fa afaka mitohy any ankoatra ny fiainantsika eto an-tany ny fifamatoran’ny mpianakavy. Mifandray na “fehezina” mandrakizay ny fianakaviana any amin’ny tempoly.Mandohalika eo amin’ny alitara ny mpivady mandritra ny fotoanan’ny famehezana ny fanambadiana mba hanao fanekempihavanana amin’izy samy izy ary amin’ Andriamanitra. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izy ireo fa hifanaja sy hifankatia tanteraka ary hanolo-tena hanaraka ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa. Avy eo dia ampanantenaina izy ireo fa haharitra mandrakizay ny fanambadian’izy ireo sy ny fianakaviany.
Manao asa isoloana tena ho an’ireo razambe efa maty
Mino Andriamanitra marina sy feno famindram-po isika izay tsy handà ny hanome ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay an’ireo zanany noho ny toe-javatra izay tsy azon’izy ireo fehezina.Any amin’ny tempoly isika dia manatanteraka batisa sy fanafiana masina ary famehezana ho an’ireo razambe izay tsy nanana fahafahana handray ireo ôrdônansy ireo talohan’ny nahafatesan’izy ireo. Amin’izany asa izany, ny olona iray izay velona dia solontenany na misolo tena olona iray izay efa nodimandry.
Any amin’ny tempoly ihany no anatanterahana ireo fombafomba masina ireo. Mino isika fa afaka misafidy ny hanaiky na handà izany fanatitra natao tam-pitiavana ho azy ireo izany ireo razambentsika.
Fanontaniana fametraky ny olona matetika
Inona no tsy mampitovy ny tempoly amin’ireo trano fiangonana mahazatra?
Inona no tsy mampitovy ny tempoly amin’ireo trano fiangonana mahazatra?
- Ireo trano fiangonana dia ampiasaina amin’ny fotoam-pivavahana isaky ny alahady, fiaraha-mientan’ny zatovo mandritra ny herinandro, fivoriam-piarahamonina, ary hetsika hafa eo anivon’ny fiarahamonina, raha toa kosa ka atokana manokana ho amin’ny asa sy fombafomba masina ny tempoly.
- Fantatra amin’ilay teny hoe “Ny Tranon’ny Tompo” izay misoratra eo amin’ilay trano ny tempoly, fa “Tonga soa” sy “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” kosa no teny misoratra eo ivelan’ireo trano fiangonana mahazatra.
- Ampahany lehibe amin’ny zava-mitranga ao amin’ny trano fiangonana ny fifaneraseran’ny daholobe sy ny hetsika fanamafisana orina ny fifandraisan’ny mpiara-miangona, saingy ahitana fanajana lalina manokana kosa ao amin’ny tempoly. Any amin’ny tempoly dia mangina sy misaintsaina ny olona mba hihazonana ny fanajana ny Tompo.
Afaka miditra ao anatin’ny tempoly ve aho?
Afaka miditra ao anatin’ny tempoly ve aho?
Afaka miditra ao anatin’ny tempoly ianao! Amin’ny voalohany, rehefa vita ny fanorenana ny tempoly, na rehefa avy nandalo fanavaozana lehibe izy ireo dia misy varavarana misokatra ho an’ny daholobe. Maro ihany koa ireo tempoly no manana ivon-toerana ho an’ny mpitsidika, na faritra fiandrasana, na tokotany azon’ny rehetra andehanana.
Rehefa vita ilay tempoly dia atokana mba hanaovana fitsaohana masina izany. Noho ny toetra masin’ny asa atao ao amin’ny tempoly dia tsy misokatra afa-tsy ho an’ireo mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nanomana ny tenany amin’ny zavatra izay tanterahina ao ihany izany.
Na dia mety tsy afaka ny hiditra ny tempoly aza ianao amin’izao fotoana izao dia asaina ny zanak’ Andriamanitra rehetra hianatra misimisy kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hiditra ao anatin’ny fifandraisana mifono fanekempihavanana izay hamela anao handray anjara feno amin’ireo fitahian’ny tempoly.

Toy ny ahoana ny fanambadiana ao amin’ny tempoly?
Toy ny ahoana ny fanambadiana ao amin’ny tempoly?
Mandritra ny fanaovana fombafomba tsy maharitra ela sy tsotra, dia mifandray tanana mifanatrika eo amin’ny alitara ny mpivady. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izy ireo fa hifanaja sy hifankatia tanteraka ary hanolo-tena hanaraka ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa. Avy eo dia ampanantenaina izy ireo fa haharitra mandrakizay ny fanambadian’izy ireo sy ny fianakaviany.
Matetika ireo mpivady manambady any amin’ny tempoly no manao fankalazana miaraka amin’ny fianakaviana sy namana maro kokoa aorian’izany, amin’ny alalan’ny lanonana fampakaram-bady na fombafomba ara-kolontsaina hafa. Ireo mpivady izay efa nanao fisoratam-panambadiana ara-panjakana tany ivelan’ny tempoly (toy ireo izay efa mpivady vao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana) dia afaka miaina ireo fitahian’ny famehezana ao amin’ny tempoly ihany koa.