Nahoana isika no eto an-tany ary inona no mitranga aorian’ny fahafatesantsika
Manana drafitra mandrakizay ho anao Andriamanitra. Noho i Jesoa dia afaka hiaraka mandrakizay amin’ny fianakavianao ianao aorian’ity fiainana ity.
Andriamanitra, ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana, dia maniry antsika hahatsapa fahasambarana sy fifaliana. Namorona drafitra ho antsika Izy mba ho tonga ety an-tany, hivoatra, ary hiverina hiara-hiaina Aminy mandrakizay. Ny drafiny dia mampisy dikany sy sahan-kevitra ho an’ny fiainantsika ary mamaly ireo fanontaniana lehibe hoe: “Avy aiza aho?” “Nahoana aho no eto?” ary “Inona no mitranga aorian’ny fahafatesako?”
Avy aiza ianao?
Nanomboka talohan’ny nahaterahanao ny tantaranao. Tany an-danitra dia efa nisy ianao, dia fanahy niaraka tamin’ Andriamanitra sy ireo fanahy zanany hafa. Olona ao amin’ny fianakaviany isika rehetra, ary nisafidy ny hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra isika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Nidika hoe tonga ety an-tany mba hahafahantsika manao ny dingana manaraka amin’ny fivoarantsika mandrakizay izany.
Raha nankatò io didy io izy ireo dia afaka nijanona tao amin’ilay saha, saingy tsy afaka ny hivoatra amin’ny alalan’ny fianarana avy amin’ny fifanoherana sy fanambin’ny fiainana an-tany. Tsy afaka nahafantatra fifaliana izy ireo satria tsy niaina alahelo sy fanaintainana.
Naka fanahy an’i Adama sy i Eva i Satana mba hihinana ilay voankazo voarara. Nisafidy ny hihinana ilay voankazo i Eva ary nanome an’i Adama ampahany tamin’ilay voankazo. Nisafidy ny hihinana izany ihany koa izy. Noho io safidy io dia noroahina hiala ny saha izy ireo ary nesorina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Antsoina hoe Fahalavoana io tranga io.
Ny Fahalavoana dia dingana miroso ho an’ny zanak’olombelona ary fitahiana lehibe ho antsika rehetra. Ny Fahalavoana dia nahatonga antsika ho teraka teto an-tany sy hivoatra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
Ny Fahalavoana dia dingana miroso ho an’ny olombelona ary fitahiana lehibe ho antsika rehetra. Tafiditra ao anatin’ireo fitahiana nentin’ny Fahalavoana ny:
Naneho ny fankasitrahany noho ireo fitahiana izay azo vokatry ny Fahalavoana i Adama sy i Eva:
“Nisaotra an’ Andriamanitra i Adama sady henika ka nanomboka naminany momba ireo fianakaviana rehetra amin’ny tany, nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra fa noho ny nandikako lalàna dia mahiratra ny masoko, ary hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity ary ao amin’ny nofoko indray no hahitako an’ Andriamanitra.
“Ary nandre izany zavatra rehetra izany i Eva vadiny ka faly, nanao hoe: Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana taranaka na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra.”
Ny Fahariana
Teo ambanin’ny fitarihan’ Andriamanitra, dia nahary ny tany sy ny zava-mananaina rehetra i Jesoa Kristy. I Adama sy i Eva no fanahy zanak’ Andriamanitra tonga tety an-tany voalohany. Nahary ny vatan’izy ireo mba hitovy araka ny endriny Andriamanitra ary nametraka azy ireo tao amin’ny saha Edena.Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva
Raha mbola tao amin’ilay saha i Adama sy i Eva, dia nandidy azy ireo Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.Raha nankatò io didy io izy ireo dia afaka nijanona tao amin’ilay saha, saingy tsy afaka ny hivoatra amin’ny alalan’ny fianarana avy amin’ny fifanoherana sy fanambin’ny fiainana an-tany. Tsy afaka nahafantatra fifaliana izy ireo satria tsy niaina alahelo sy fanaintainana.
Naka fanahy an’i Adama sy i Eva i Satana mba hihinana ilay voankazo voarara. Nisafidy ny hihinana ilay voankazo i Eva ary nanome an’i Adama ampahany tamin’ilay voankazo. Nisafidy ny hihinana izany ihany koa izy. Noho io safidy io dia noroahina hiala ny saha izy ireo ary nesorina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Antsoina hoe Fahalavoana io tranga io.
Ny Fahalavoana dia dingana miroso ho an’ny zanak’olombelona ary fitahiana lehibe ho antsika rehetra. Ny Fahalavoana dia nahatonga antsika ho teraka teto an-tany sy hivoatra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
Ny Fahalavoana dia dingana miroso ho an’ny olombelona ary fitahiana lehibe ho antsika rehetra. Tafiditra ao anatin’ireo fitahiana nentin’ny Fahalavoana ny:
- Lasa mety maty i Adama sy i Eva.
- Lasa niaina sy afaka nampiasa ny fahafahany misafidy hisafidianana ny tsara sy ny ratsy izy ireo.
- Afaka nianatra sy nivoatra i Adama sy Eva satria niatrika fanoherana.
- Satria niaina alahelo izy ireo dia afaka niaina fifaliana ihany koa.
- Ny Fahalavoana dia nahatonga antsika rehetra ho teraka teto an-tany sy hivoatra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.
Naneho ny fankasitrahany noho ireo fitahiana izay azo vokatry ny Fahalavoana i Adama sy i Eva:
“Nisaotra an’ Andriamanitra i Adama sady henika ka nanomboka naminany momba ireo fianakaviana rehetra amin’ny tany, nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra fa noho ny nandikako lalàna dia mahiratra ny masoko, ary hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity ary ao amin’ny nofoko indray no hahitako an’ Andriamanitra.
“Ary nandre izany zavatra rehetra izany i Eva vadiny ka faly, nanao hoe: Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana taranaka na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara sy ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra.”
Nahoana isika no eto?
Ny fiainana eto an-tany dia ampahany manan-danja amin’ny drafitra mahatalanjon’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy. Ireo traikefa azontsika eto dia manampy antsika hianatra sy hivoatra ary hiomana hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra.
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarantsika.
- Noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia iharan’ny fahotana sy ny fahafatesana avokoa isika rehetra.
- Satria tia antsika Andriamanitra dia naniraka an’i Jesoa Kristy Zananilahy tety an-tany Izy mba hanavotra antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana.
- Noho ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa dia afaka ny ho voavela sy ho voadio amin’ny fahotantsika isika ary afaka ny hiova ny fontsika. Izany dia mba hahafahantsika miverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy miaina fifaliana maharitra mandrakizay.
Inona no mitranga aorian’ny fahafatesanao?
Toy ny niainantsika talohan’ny nankanesantsika tety an-tany, mbola hiaina foana ihany koa isika aorian’ny fahafatesantsika. Ny fahafantarana izany dia afaka mitondra fampiononana sy fiadanana rehefa miatrika fahafatesana isika na ireo olona akaikin’ny fontsika. Na dia misaona noho ny fahalasanan’ireo maty aza isika, dia misy fanantenana noho i Jesoa Kristy—fa tsy fiafarana akory ny fahafatesana (jereo ny Jaona 11:25–26).
Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia samy hanana vatana tonga lafatra, afaka amin’ny fanaintainana sy aretina. Ho tsy mety maty isika, ary hiaina mandrakizay.
Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra izay efa niaina hatrizay (Almà 11:42–44 ).
Nijaly noho ny fahotantsika Izy mba hahafahantsika ho voadio rehefa mivavaka mba hahazo famelan-keloka sy miezaka miova isika. Maty teo amin’ny hazofijaliana ihany koa izy ary nitsangana tamin’ny maty. Noho i Jesoa dia tsy fiafarana ny fahafatesana.
Andriamanitra sy Jesoa irery ihany no mahafantatra tanteraka ny fontsika sy ny toe-javatra niainantsika, ka noho izany dia Izy Ireo ihany no afaka mitsara antsika amin’ny fomba tanteraka. Io fitsarana io dia ho fitsarana araka ny fitiavana, famindram-po, fahamarinana, ary ny maha-tompon’andraikitra (jereo ny3 Nefia 27:14–15 ).
Ny tontolon’ny fanahy
Rehefa maty isika dia misaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika. Na dia maty aza ny vatantsika, ny fanahintsika—dia ny maha-isika antsika—dia mbola velona foana hatrany. Mankany amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika, izay vanim-potoana fiandrasana sy fiomanana mandra-pandraisantsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fitsanganana amin’ny maty.Fitsanganana amin’ny maty
Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fikambanan’ny vatantsika sy ny fanahintsika ary ny dingana manaraka eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay.Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia samy hanana vatana tonga lafatra, afaka amin’ny fanaintainana sy aretina. Ho tsy mety maty isika, ary hiaina mandrakizay.
Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra izay efa niaina hatrizay (
Azo tanterahina ny famonjena noho i Jesoa Kristy
Satria hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra dia ho voavonjy—na hahazo famonjena—amin’ny fahafatesan’ny vatana. Saingy na ny Fitsanganana amin’ny maty na ny famonjena amin’ny fahotantsika, dia tsy ho tanteraka raha tsy i Jesoa Kristy.Nijaly noho ny fahotantsika Izy mba hahafahantsika ho voadio rehefa mivavaka mba hahazo famelan-keloka sy miezaka miova isika. Maty teo amin’ny hazofijaliana ihany koa izy ary nitsangana tamin’ny maty. Noho i Jesoa dia tsy fiafarana ny fahafatesana.
Fitsarana sy voninahitra mandrakizay
Amin’ny fotoanan’ny fitsanganana amin’ny maty, isika tsirairay avy dia hotsarain’i Jesoa, ilay Mpamonjy antsika. Izany fitsarana farany izany dia hifototra amin’ireo faniriantsika sy ny zavatra nataontsika ary ny safidintsika.Andriamanitra sy Jesoa irery ihany no mahafantatra tanteraka ny fontsika sy ny toe-javatra niainantsika, ka noho izany dia Izy Ireo ihany no afaka mitsara antsika amin’ny fomba tanteraka. Io fitsarana io dia ho fitsarana araka ny fitiavana, famindram-po, fahamarinana, ary ny maha-tompon’andraikitra (jereo ny
Ny tanjon’ Andriamanitra faratampony dia ny hanampy ny zanany rehetra hiverina hiara-hiaina Aminy any amin’ny fanjakana selestialy.
Ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika dia mahatonga ny fiainana mandrakizay hiaraka Aminy sy ny fianakaviantsika ho tanteraka. Tafiditra ao anatin’ny fanarahana ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana ny:

- Mino an’i Jesoa Kristy.
- Mibebaka amin’ny fahotantsika.
- Atao batisa amin’ny anarany.
- Mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.
- Mitandrina ny didin’ Andriamanitra.
- Mibebaka, rehefa manao fahadisoana isika.