Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra
Afaka mitodika amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany ary amin’ny Fanahy Masina isika mba hahalalana ny fahamarinana.
Ny zavatra inoantsika: Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana
Mety hahatsapa ho sahiran-tsaina momba ny fiainantsika na misalasala momba ny hoavy isika indraindray. Afaka mahita ny lalana izay mitondra antsika handroso isika miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany, izay loharanon’ny fahamarinana.
Inona no atao hoe fahamarinana?
Ny fahamarinana dia ny fahalalana ny zavatra araka ny tena toetrany. Ohatra, marina ny hoe tia anao Andriamanitra ary afaka manampy amin’ny fanovana ny fiainanao Izy. Mahafantatra antsika manokana Andriamanitra ary mampiasa ny Fanahy Masina Izy mba hanampiana antsika hamantatra ny marina.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.
I Jesoa no ohatra tonga lafatra ho antsika amin’ny fomba tokony hiainana. Ny fampianarany dia toa ny fahazavana mitarika izay afaka mitarika antsika mankany amin’ny fiadanana. Izay rehetra te hanaraka an’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo io fahazavana io; mampanantena Izy fa ireo rehetra izay mitady Azy dia hahita Azy.
Manampy antsika ny Fanahy Masina
Ny Fanahy Masina dia iraka avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Misy fomba maro ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia:
- Mampionona (jereo ny
Jaona 14:16–17, 26 ;Môrônia 8:26 ;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:2 ). - Manambara sy mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana (jereo ny
2 Nefia 32:4–5 ;Almà 5:46–47 ;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 ). - Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny
Jaona 15:26 ;3 Nefia 11:32, 36 ). - Manamasina sy manadio (jereo ny
Almà 13:10–12 ;3 Nefia 27:19–20 ;Môrônia 6:4 ).
Ahoana no ahafahako mahafantatra ny marina?
Mivavaha amin’ny Rainao any An-danitra be fitiavana
Tia antsika ary te handre antsika Andriamanitra. Mampanantena Izy fa rehefa mivavaka isika dia hanome valiny sy fitarihana ho antsika Izy.Nampianatra antsika hivavaka i Jesoa ao amin’ny Baiboly (
Aoka ho mahatoky
Nampianatra ny Baiboly fa “ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Fantaro ny Fanahy Masina
Mifandray amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina amin’ny fomba isan-karazany Andriamanitra. Matetika izany no faritana ho toa ny “feo tony sy malefaka” ao amin’ny Baiboly (jereo ny- Fahatsapana fitiavana, fifaliana, fiadanana ary hatsaram-panahy (
Galatiana 5:22-23 ). - Fahazavana sy fitarihana ho an’ny fiainanao (
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3 ). - Hevitra tonga ao an-tsainao sy fahatsapana ao am-ponao (
1 Korintiana 2:9–11 ). - Haizina misolo ho hazavana (
Almà 19:6 ).
Araho ny ohatry ny Mpamonjy
Naneho ohatra tonga lafatra ho antsika rehetra i Jesoa. Raha te hahafantatra ny marina isika dia afaka manaraka ny ohatra nasehony ary manao izay nataony.Toa ny ahoana izany?
- Manehoa fitiavana sy fiantrana ho an’ny hafa sy amin’ Andriamanitra.
- Diniho hoe inona no tsapanao eo am-panaovana ireo zavatra ireo.
- Saintsaino ny fomba hanovan’ireo fihetsika ireo ny fiainanao.