“I Môrônia mpaminany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)
I Môrônia mpaminany
Manana ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy
I Môrônia no mpaminany Nefita farany. Niady tamin’ny ady lehibe teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita izy. Maty tao anatin’ny ady ny fianakaviany sy ny olona rehetra fantany. Ratsy fanahy ny olona rehetra teo amin’ny tany. Novonoin’izy ireo izay rehetra nino an’i Jesoa Kristy. Nino an’i Jesoa i Môrônia. Tsy handà izy fa i Jesoa no Mpamonjy.
I Môrmôna rain’i Môrônia dia nanoratra ny tantaran’ny olony teo amin’ny takela-by. Talohan’ny nahafatesan’i Môrmôna dia natolony an’i Môrônia ireo takelaka. Tsy maintsy niafina i Môrônia mba hiarovana ny ainy sy ireo takelaka.
Môrmôna 6:6; 8:1–5, 13; Môrônia 1:1–3
Sarotra tamin’i Môrônia ny fiainana saingy nijanona ho mahatoky izy. Nosoratany ny zavatra nampianarin’i Môrmôna momba ny fiantrana sy ny fitiavana madion’i Kristy. Nilaza i Môrmôna fa tokony hivavaka amin’ Andriamanitra amin’ny herin’ny fony manontolo ny olona mba hahazoana izany fitiavana izany. Nilaza Izy fa Manome fiantrana an’ireo izay tena manaraka an’i Jesoa Andriamanitra.
Môrônia 7:32–33, 40–48; 10:20–21, 23
Tia ny Lamanita i Môrônia na dia namono ny olona rehetra fantany sy tiany ary te hamono azy aza ny sasany tamin’izy ireo. Nanoratra zavatra maro teo amin’ireo takelaka metaly izy mba hanampiana ny Lamanita amin’ny hoavy. Nanantena izy fa hamaky ilay rakitsoratra izy ireo indray andro any ary hino an’i Jesoa indray.
Môrmôna 8:1–3; Môrônia 1:1–4; 10:1
Nanasa ny olona rehetra izay namaky ilay rakitsoratra i Môrônia mba hieritreritra ny fomba nikarakaran’ Andriamanitra be fitiavana ireo zanany. Nasainy izy ireo hivavaka sy hanontany an’ Andriamanitra raha toa ka marina ilay rakitsoratra. Nilaza Izy fa raha manana finoana an’i Jesoa izy ireo ary tena te-hahafantatra dia hamela azy ireo hahafantatra ny fahamarinana Andriamanitra. Hahafanatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izy ireo.
Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.; Môrônia 10:3–5
Nofaranan’i Môrônia ny fanoratana ilay rakitsoratra. Avy eo izy dia nandevina ireo takela-by teo amin’ny tany. Nilaza tamin’i Môrônia i Jesoa fa ny tantara voasoratra eo amin’ireo takelaka dia hitahy ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao indray andro any.
Taona maro taty aoriana dia nandefa an’i Môrônia ho toy ny anjely Andriamanitra mba haneho amin’ny zazalahy iray antsoina hoe Joseph Smith ny toerana nandevenana ireo takela-by. Nantsoin’ Andriamanitra ho mpaminany i Joseph. Nanampy an’i Joseph Andriamanitra handika ireo takelaka mba hahafahan’ny olona mamaky ny zavatra nosoratana teo amin’izy ireo. Nantsoina hoe ny Bokin’i Môrmôna ilay boky ankehitriny.