Tantara ao amin’ny soratra masina
I Nefia Mpaminany


“Nefia Mpaminany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Helamàna 6–11

I Nefia Mpaminany

Mahazo hery lehibe avy amin’ny Tompo

Nangalatra sy nihomehy olona ireo Nefita niakanjo raitra

Nisy vondrona iray nantsoina hoe jirik’i Gadiantôna nanapaka ny tanànan’i Zarahemlà. Nifampanantena izy ireo fa hifanampy hanao zavatra ratsy. Nandroba sy nandratra olona izy ireo mba hahazoana vola sy hery. Maro tamin’ny olona no lasa mpandroba. Naniry ny hanankarena izy ireo

Helamàna 6:15–24, 38–39; 7:4–5

nandohalika teo amin’ny tilikambony sy nivavaka i Nefia, ary nibanjina azy ny Nefita

Nipetraka tao Zarahemlà ny mpaminany Nefia. Nivavaka tamin’ Andriamanitra i Nefia satria nalahelo izy fa tsy nanaraka ny didin’ Andriamanitra ny olona. Nangataka ny vahoaka i Nefia mba hahatsiaro ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra ho azy ireo. Saingy vahoaka maro no tsy nihaino. Niraharaha bebe kokoa momba ny vola sy ny hery izy ireo noho ny fankatoavana an’ Andriamanitra.

Helamàna 7:1–22

niresaka tamin’ny vahoaka Nefita avy teo amin’ny tilikambo i Nefia, ary nivazavaza taminy ny vahoaka

Nampitandrina ny vahoaka momba ireo jirika i Nefia. Nilaza izy fa mila mibebaka izy ireo. Nitambatra tamin’ireo jirika ny sasany tamin’ireo mpitsara Nefita. Tezitra tamin’i Nefia izy ireo ary nilaza fa nandainga izy. Tian’izy ireo ho tezitra tamin’i Nefia koa ny vahoaka.

Helamàna 7:22–29; 8:1–7

niresaka sy nanetsika ny tanany i Nefia

Nilaza i Nefia fa milaza zavatra maro amin’ireo mpaminaniny Andriamanitra. Nilaza tamin’izy ireo i Nefia fa ny mpaminany rehetra dia nampianatra momba ny fiavian’i Jesoa Kristy. Nilaza izy fa ireo mpaminany dia nampitandrina ny olona fa horavana i Jerosalema raha tsy mibebaka izy ireo. Nampiany izy ireo hahatsiaro fa rava i Jerosalema.

Helamàna 8:11–25

niresaka tamin’ny vahoaka Nefita maro i Nefia, ary nihaino ny vahoaka

Ny ampitson’io dia nanontany an’i Nefia ireo mpitsara mba hamandrihana azy. Nolazain’i Nefia tamin’izy ireo ny momba ny faharatsiana teo anivon’izy ireo. Nino an’i Nefia ny olona sasany ary nahafantatra fa mpaminany izy.

Helamàna 9:19–41

irery i Nefia ary malahelo

Tsy nino ny hafa. Nifanditra daholo ny rehetra ary avy eo dia lasa. Nieritreritra ny zavatra nampianarin’ny Tompo azy i Nefia. Nalahelo izy noho ny zavatra ratsy nataon’ny olona.

Helamàna 10:1–3

Nandohalika sy nivavaka i Nefia ary nisy hazavana namiratra taminy

Niresaka tamin’i Nefia ny Tompo. Faly Izy fa nampianatra ny vahoaka i Nefia. Noho ny naha-mpankatò an’i Nefia dia nomen’ny Tompo fahefana manokana izy mikasika ny zavatra ety an-tany sy any an-danitra. Fantatry ny Tompo fa i Nefia ihany no hampiasa ny hery hanampiana ny olona hibebaka.

Helamàna 10:3–12

Niresaka tamin’ny vahoaka Nefita maro i Nefia, ary tsy niraharaha azy na nivandravandra taminy ny vahoaka

Nasain’ny Tompo niverina tany amin’ny vahoaka i Nefia ary nilaza tamin’izy ireo mba hibebaka. Nandeha avy hatrany i Nefia. Saingy tezitra taminy ny vahoaka ary tsy nihaino.

Helamàna 10:11–15

nitady an’i Nefia ireo mpiambina, ary niala tamin’izy ireo i Nefia

Niezaka nampiditra an’i Nefia tao am-ponja izy ireo. Saingy nanampy an’i Nefia nandositra ny Fanahin’ Andriamanitra.

Helamàna 10:15–17

mijery tanàna iray nirehitra i Nefia

Nanohy nampianatra ny tenin’ Andriamanitra i Nefia. Mbola tsy nihaino ny olona. Nanomboka nifanditra sy niady izy samy izy. Nanamafy ny ady ny mpijirika. Vetivety dia nisy ady tao amin’ny tanàna tsirairay. Olona maro no narary na novonoina. Nalahelo i Nefia. Tsy tiany ho ravan’ny ady ny olona.

Helamàna 10:17–52; 11:1–4

maina ny tany, tsy misy na inona na inona maniry, ary tsy misy rano, ary ory ny Nefita ka mifanampy amin’izy samy izy

Nangataka an’ Andriamanitra i Nefia mba hahatonga mosary lehibe mba hahatsiarovan’ny olona ny Tompo sy hibebahany. Tsy nisy orana nandritra ny taona maro. Maina ny tany ary tsy afaka nitsiry ny masomboly. Noana ny vahoaka. Nijanona tsy niady izy ireo ary nanomboka nahatsiaro ny Tompo. Nibebaka ny vahoaka ary nanaisotra ireo jirika.

Helamàna 11:3–7, 9–10

nivavaka i Nefia ary avy ny orana, dia faly sy nisaotra an’ Andriamanitra ny Nefita

Nangataka an’i Nefia ny vahoaka mba hivavaka amin’ny Tompo. Hitan’i Nefia fa efa nibebaka izy ireo ary lasana ireo jirika. Nangataka ny Tompo izy mba handefa orana. Namaly ny vavaka nataon’i Nefia ny Tompo. Tonga ny orana ary nanomboka nitsiry ny voa. Nisaotra an’ Andriamanitra ny olona. Fantatr’izy ireo fa mpaminany i Nefia ary nanana hery lehibe avy amin’ Andriamanitra.

Helamàna 11:8–18