Tantara ao amin’ny soratra masina
I Jesoa nitsidika ny vahoaka


“I Jesoa nitsidika ny vahoaka,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

3 Nefia 7–11

I Jesoa nitsidika ny vahoaka

Manampy ny olona tsirairay hino Azy

fianakaviana mijery ny lanitra, ary misy olona hafa miady hevitra ao amin’ilay tanàna

Maro tamin’ireo olona no tsy nihaino ny mpaminanin’ Andriamanitra. Saingy ny olona sasany dia nino ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany. Niandry ireo famantarana ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ireo mpino ireo.

3 Nefia 7:16–26; 8:1–4

tselatra, tafiotra, tondra-drano, horohoron-tany, ary afo mandrava tanàna iray

Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa tao Jerosalema dia nanomboka ireo famantarana. Tany Amerika dia nisy tafio-drivotra sy horohoron-tany ary afo nandritra ny adiny telo. Rava ny tanàna, ary olona maro no maty. Avy eo dia nisy haizina telo andro.

3 Nefia 8:5–19, 23

misy olona miezaka mandrehitra afo, saingy tsy mirehitra izany ary maizina ny zava-drehetra.

Natevina loatra ilay haizina ka tsy afaka nahita ny masoandro sy ny volana, na ny kintana ny olona. Tsy afaka namelona afo na labozia mihitsy aza izy ireo.

3 Nefia 8:20–23

mbola maizina izany ary mifanampy amin’ny trano rava ny olona, ary misy olona iray mitomany sy mivavaka

Maro tamin’ireo olona mbola velona no tena nalahelo sy natahotra. Nitomany sy nahatsapa alahelo izy ireo fa tsy nibebaka aloha.

3 Nefia 8:24–25

mbola maizina izany, mijery ny lanitra ny olona, ary tsy nitomany intsony ilay olona nivavaka

Tampoka teo dia nandre feo izy ireo. I Jesoa niresaka tamin’izy ireo izany. Nampanantena Izy fa hanasitrana ny olona rehetra izay nibebaka. Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa fa maty Izy ary velona indray mba hanampy ny olona rehetra. Talanjona tokoa ny olona ka dia tsy nitomany intsony izy ireo. Nisy fahanginana teo amin’ny tany nandritra ny ora maro.

3 Nefia 9; 10:1–2

fianakaviana mipetraka manao faribolana sy mitsiky, ary tsy maizina intsony izany.

Niteny indray i Jesoa. Nilaza tamin’ny olona Izy fa hanampy azy ireo raha toa ka nisafidy ny hanaraka Azy izy ireo. Lasa ny haizina ary dia tsy nihozongozona intsony ny tany. Faly sy nidera an’i Jesoa ny olona.

3 Nefia 10:3–10

vondron’olona maro no mivondrona manodidina ny tempoly, ary mijery ny lanitra izy ireo rehefa manomboka mampiseho hazavana ny rahona.

Herintaona taty aoriana dia olona maro no tonga tao amin’ny tempoly tao an-tanin’i Soafeno. Niresaka momba an’i Jesoa sy ireo famantarana ny fahafatesany izy ireo. Raha mbola niresaka izy ireo dia nandre feo malefaka avy any an-danitra. Tamin’ny voalohany dia tsy azony izany. Avy eo dia naheno izany indray izy ireo.

3 Nefia 8:5; 10:18; 11:1–4

nidina avy eny amin’ny lanitra i Jesoa Kristy, ary faly sy mandray Azy ny olona

Rehefa nandre ilay feo fanintelony izy ireo dia nibanjina ny lanitra. Ny Ray any An-danitra no niresaka. Nilaza tamin’ny olona Izy mba hijery sy hihaino ny Zanany. Avy eo dia nahita lehilahy iray nanao akanjo fotsy nidina avy tany an-danitra ny olona.

3 Nefia 11:5–8

mijoro eo anivon’ny olona i Jesoa Kristy, ary nanatona Azy ny vahoaka ka nikasika ireo diam-pantsika tao amin’ny felatanany

Nijoro teo anivon’ny olona ilay lehilahy ary niteny hoe: “Izaho no Jesoa Kristy.” Niankarapoka tamin’ny tany ny olona. Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa fa nijaly sy maty ho an’ny olona rehetra Izy. Nanasa ny olona izy mba hikasika ireo marika eo amin’ny tanany sy ny tongony ary ny lanivoany mba hahafahan’izy ireo mahafantatra fa Izy no Mpamonjy izao tontolo izao.

3 Nefia 11:8–14

mipetraka eo amin’ireo tohatry ny tempoly i Jesoa Kristy, ary nanatona Azy ny olona ka nikasika ireo diam-pantsika teo amin’ny felatanany

Nanatona an’i Jesoa “tsirairay” ny olona. Nahita tamin’ny masony manokana izy ireo ary nahatsapa tamin’ny tanany manokana ireo marika teo amin’ny tanany sy ny tongony ary ny lanivoany. Fantatr’izy rehetra fa Izy no ilay ho avy izay nolazain’ireo mpaminany. Fantatr’izy ireo fa Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Nianjera teo an-tongotr’i Jesoa ny vahoaka ary nitsaoka Azy.

3 Nefia 11:15–17