“Nampianatra ny olona i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)
Nampianatra ny olona i Jesoa
Manampy azy ireo hianatra ny filazantsarany
Faly ireo vahoaka tany Amerika nahita an’i Jesoa Kristy sy nandre Azy nampianatra. Niandry ny fiavian’i Mpamonjy nandritra ny taona maro izy ireo.
Nampianarin’i Jesoa azy ireo ny maro amin’ireo zavatra nampianariny ny olona teo akaikin’i Jerosalema. Nampianatra azy ireo mba hanam-pinoana sy hibebaka ary hatao batisa Izy. Raha nanao ireo zavatra ireo ny olona dia handefa ny Fanahy Masina ho azy ireo Andriamanitra. Mampianatra azy ireo ny fomba fivavahana i Jesoa. Nangataka azy ireo hamela ny heloky ny hafa Izy. Tiany ho ohatra ho an’ny hafa izy ireo.
3 Nefia 11:31–39; 12:22–24, 44; 13:5–14; 17:8; 18:15–24
Nasain’i Jesoa nandeha nody ny olona ary nivavaka tamin’ Andriamanitra mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny zavatra nampianariny azy ireo. Nilaza izy fa hiverina izy ny ampitson’io.
Tamin’io alina io dia nilaza tamin’ny hafa ny olona fa nahita an’i Jesoa izy ireo. Niresaka momba ny zavatra nolazainy sy nataony izy ireo. Maro ny olona nanao dia nandritra ny alina mba hahitana an’i Jesoa.
Ny ampitson’io dia nivory niaraka tamin’ireo mpianatr’i Jesoa roa ambin’ny folo ny olona. Nampianatra ny olona ny zavatra rehetra nampianarin’i Jesoa ireo mpianatra. Nandohalika izy ireo ka nivavaka.
Dia tonga i Jesoa. Nivavaka ho an’ireo mpianany sy ho an’ny vahoaka Izy. Nivavaka koa ireo mpianatra. Nanomboka namirapiratra tahaka ny Mpamonjy izy ireo. Faly i Jesoa. Lasa madio ireo mpianatra noho ny finoan’izy ireo Azy. Nivavaka indray i Jesoa, ary naheno Azy niteny zavatra mahatalanjona ny olona
Nandritra ny andro vitsivitsy manaraka dia nampianatra zavatra maro momba ny drafitry ny Ray any An-danitra i Jesoa. Nozarainy tamin’izy ireo ihany koa ny fanasan’ny Tompo. Nino an’i Jesoa Kristy sy natao batisa avokoa ny olona rehetra teo amin’ny tany. Avy eo dia nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo.
Nifanampy ny olona ary nizara ny zavatra rehetra nananany. Nataon’izy ireo izay rehetra nandidian’i Jesoa azy ireo mba hataony. Nantsoina hoe vahoakan’i Zarahemlà izy ireo. Tena faly tamin’ny vahoaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.