“I Môrmôna mpaminany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)
Tenin’i Môrmôna 1; Môrmôna 1–8
I Môrmôna Mpaminany
Manoratra ny Bokin’i Môrmôna
Nefita izay nino an’i Jesoa Kristy i Môrmôna. Lehibe tao anatin’ny fotoana iray izay tsy nankatoavan’ny olona maro ny didin’ Andriamanitra izy. Nifandroba sy nifamono ny olona noho ny vola sy ny hery. Nisy ady maro
3 Nefia 5:12–13; 4 Nefia 1:27–49; Môrmôna 1:1–3, 15, 18–19
Rehefa feno 10 taona i Môrmôna dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Amarôna nanatona azy. Nikarakara ireo rakitsoratry ny tantaran’ny Nefita i Amarôna. Natoky an’i Môrmôna i Amarôna ary nilaza taminy fa nafenina tao amin’ny havoana iray ireo rakitsoratra. Nilaza i Amarôna fa rehefa ffeno 24 taona i Môrmôna dia tokony hanoratra ny zavatra hitany momba ny vahoakany ary hampiditra izany ao amin’ireo rakitsoratra.
4 Nefia 1:47–49; Môrmôna 1:2–4
Rehefa nihalehibe i Môrmôna dia tsaroany ny zavatra nasain’i Amarôna nataony. Fony i Môrmôna 15 taona dia notsidihan’ny Tompo izy. Nianatra momba ny hatsaram-pon’i Jesoa i Môrmôna.
Na dia mbola tanora aza i Môrmôna dia natanjaka izy. Nisafidy azy hitarika ny miaramilany ny Nefita. Tia ny olona tamin’ny fony manontolo i Môrmôna. Tiany hankatò an’ Andriamanitra sy ho sambatra izy ireo.
Môrmôna 2:1–2, 12, 15, 19; 3:12
Niezaka nanampy ny vahoaka i Môrmôna. Nivavaka ho azy ireo izy isan’andro isan’andro. Fantatry ny olona fa nanao zavatra ratsy izy ireo, saingy tsy te hibebaka izy ireo. Tsy nanana ny herin’ Andriamanitra hanampy azy ireo intsony izy ireo. Satria tsy nanana finoana izy ireo dia nijanona ny fahagagana. Nanohy niady izy ireo ary maro tamin’izy ireo no maty. Nalahelo i Môrmôna.
Môrmôna 1:13–14, 16–19; 2:23–27; 3:1–12; 4:5, 9–12; 5:1–7
Rehefa teo amin’ny faha-24 taonany teo ho eo i Môrmôna dia nandeha tany amin’ilay havoana izay nanafenana ireo rakitsoratra. Nanomboka nanoratra ireo tantara sy fampianaran’ny olona teo amin’ny takelaka metaly izy. Nanampy azy hahafantatra izay tokony hosoratany Andriamanitra. Niasa tao amin’ilay rakitsoratra nandritra ny taona maro i Môrmôna. Ankehitriny dia nantsoina hoe ny Bokin’i Môrmôna ilay boky.
Tenin’i Môrmôna 1:3–9; Môrmôna 1:3–4; 2:17–18
Taorian’ny ady maro dia saika ny Nefita rehetra no novonoin’ny lamanita. Fantatr’i Môrmôna fa ho lasa tsy ho ela ny vahoakany. Nalahelo izy satria tsy nibebaka izy ireo ary tsy nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra. Saingy nivavaka izy ary nangataka tamin’ Andriamanitra mba hiaro ireo takelaka. Fantany fa ho voaro ireo takelaka satria nirakitra ny tenin’ Andriamanitra teo aminy.
Tenin’i Môrmôna 1:11; Môrmôna 5:11; 6:6, 16–22
Naniry ny mba hinoan’ny vahoaka an’i Jesoa izy. Nanantena izy fa olona maro no hamaky ilay boky amin’ny hoavy. Tiany indrindra ny fianakavian’ireo Lamanita hamaky izany indray andro any. Raha nanao izany izy ireo dia hianatra momba an’i Jesoa. Talohan’ny nahafatesan’i Môrmôna dia nomeny an’i Môrônia zanany lahy ilay rakitsoratra mba ho voaro izany.