Tantara ao amin’ny soratra masina
Mizara ny fanasan’ny Tompo i Jesoa


“Mizara ny fanasan’ny Tompo i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

3 Nefia 18; 20

mizara ny fanasan’ny Tompo i Jesoa

Hahatsiaro Azy mandrakariva

Miresaka amin’ny vondron’olona maro i Jesoa Kristy, ary mitondra mofo sy siny misy divay ho Azy ny mpianany

Taorian’ny nanasitranan’i Jesoa ny marary sy nitsofany rano ireo ankizy madinika dia nampahafantatra ny fanasan’ny Tompo tamin’ny olona rehetra izay tafavory mba hihaino Azy Izy . Nangataka ireo mpianany Izy mba hitondra mofo sy divay.

3 Nefia 17; 18:1–2

Novakian’i Jesoa Kristy tamin’ny antsasany ny mofo ary nanome an’ireo mpianany ny mofo

Namaky ny mofo i Jesoa ary nitsodrano izany. Nomeny ny mpianatra mba hohanina izany. Nangataka ireo mpianatra izy mba hanome ny mofo ho an’ny olona rehetra.

3 Nefia 18:3–4, 6

mihazona ireo mofo i Jesoa Kristy, ary ny sarin’ny hazofijaliana sy ny fasana foana no ao ambadikany

Nilaza i Jesoa fa ny olona rehetra izay nino Azy sy natao batisa dia tokony hihinana ny mofo. Rehefa manao izany izy ireo dia tokony hahatsiaro ny vatany. Nampahatsiahiviny ny olona ny fotoana nahatsapan’izy ireo ireo diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony ary ny olatra teo amin’ny lanivoany.

3 Nefia 11:14–15; 18:3–7

nomen’i Jesoa Kristy kaopy iray misy divay ny iray amin’ireo mpianany

Avy eo dia nomen’i Jesoa ny mpianatra ny divay mba hosotroina. Nangataka ireo mpianatra izy mba hanome ny divay ho an’ny olona rehetra.

3 Nefia 18:8–9

nivavaka tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy

Nilaza i Jesoa fa ny olona rehetra izay nibebaka sy natao batisa dia tokony hisotro ny divay. Nangataka ny olona rehetra izay nisotro ny divay Izy mba hahatsiaro ny rany. Nampahatsiahy azy ireo Izy fa nanome ny rany Izy rehefa nijaly sy maty ho azy ireo.

3 Nefia 18:11

miresaka amin’ny olona i Jesoa Kristy

Nilaza i Jesoa fa ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana ilay divay dia didy. Tamin’ny alalan’ny fihinanana ny mofo sy ny fisotroana ny divay dia nampiseho ny Ray any An-danitra ny vahoaka fa te hitandrina ny didiny sy hahatsiaro an’i Jesoa izy ireo. Nilaza i Jesoa fa hotahiana amin’ny Fanahy Masina izy ireo raha manao ireo zavatra ireo.

3 Nefia 18:7, 10–14

miresaka amin’ny olona i Jesoa Kristy ary mitsiky Aminy izy ireo

Rehefa avy nihinana ny mofo sy nisotro ny divay ny olona dia heniky ny Fanahy Masina izy ireo. Avy eo dia nidera an’i Jesoa ny olona.

3 Nefia 18:4–5, 9; 20:9