“Kapiteny Môrônia sy i Pahôràna,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)
Ny Kapiteny Môrônia sy i Pahôràna
Tanjaka avy amin’ Andriamanitra
Niady ny Nefita sy ny Lamanita. I Môrônia no kapitenin’ny tafika Nefita tamin’izany. Tsy nandefa miaramila na sakafo ampy ireo mpitarika Nefita. Tezitra i Môrônia ary nanoratra taratasy ho an’i Pahôràna, izay mpitarika ny Nefita.
Tao amin’ny taratasiny i Môrônia dia nanontany an’i Pahôràna ny antony tsy nandefasany fanampiana. Nihevitra i Môrônia fa tsy niraharaha ny vahoaka i Pahôràna ary naniry fahefana fotsiny. Tian’i Môrônia ho afaka ny vahoakany.
Nalahelo i Pahôràna fa tsy nanana fanampiana ireo tafika. Naniry ny hanampy an’i Môrônia izy saingy tsy afaka nanao izany. Niady taminy ny Nefita sasany.
Nantsoina hoe mpomba ny mpanjaka ireo Nefita ireo. Te hanana fahefana ho an’ny tenany sy hanapaka eo amin’ny vahoaka izy ireo. Nesorin’izy ireo tamin’i Pahôràna ny fitondrana.
Naniry ny hanohy hitarika ny Nefita i Pahôràna mba hahafahany manampy azy ireo. Tahaka an’i Môrônia dia tiany hanaraka an’ Andriamanitra sy hitazona ny fahafahany ny Nefita. Naniry izy ny tsy hiadian’izy ireo na amin’iza na amin’iza. Saingy vonona ny hiady izy raha toa ka nanampy tamin’ny fihazonana ny vahoakany ho voaro izany.
Nangataka ny Nefita i Pahôrana mba hanampy azy hiady mba hiarovana ny fianakaviany sy ny fahafahany ary ny zony hivavaka amin’ Andriamanitra. Fantany fa hiaraka amin’izy ireo ny Fanahin’ Andriamanitra rehefa misafidy ny hiady amin’ny tsara izy ireo. Nefita maro no tonga nanampy an’i Pahôràna hiaro ny fireneny.
Nanoratra taratasy tamin’i Môrônia i Pahôrana. Tsy tezitra tamin’i Môrônia izy. Nolazainy tamin’i Môrônia ny zava-drehetra izay mitranga. Nangataka an’i Môrônia izy mba ho avy sy hanampy azy hiady amin’ireo mpomba ny mpanjaka. Fantat’i Pahôràna fa raha manaraka an’ Andriamanitra izy ireo dia tsy mila matahotra. Hiaro azy ireo sy hanampy azy ireo Andriamanitra.
Heniky ny fanantenana i Môrônia noho ny finoan’i Pahôràna. Saingy nalahelo kosa izy ny amin’ny Nefita sasany izay niady tamin’ny vahoakan’izy ireo fa tsy nankatò an’ Andriamanitra. Naka tafika i Môrônia ary nandeha nanampy an’i Pahôràna. Nihazona ny fanevan’ny fahafahana na taiza na taiza nalehany izy. Nefita an’arivony no nanapa-kevitra ny hiady hiarovana ny fahafahany.
Nandresy ireo mpomba ny mpanjaka niaraka tamin’ny miaramilany i Môrônia sy i Pahôràna. Lasa mpitarika ny Nefita indray i Pahôràna. Nandidy lehilahy maro i Môrônia mba hanampy ny tafika Nefita. Nalefany ihany koa ny sakafon’ny tafika. Ankehitriny, rehefa tafaray ny Nefita dia nandresy ady maro izy ireo. Namerina tanàna Nefita maro avy tany amin’ny Lamanita izy ireo.