“Nifidy mpianatra roa ambin’ny folo i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)
3 Nefia 11; 13; 18
Nisafidy mpianatra roa ambin’ny folo i Jesoa
Hery hampianarana sy hanaovana batisa
Rehefa tonga tao an-tanànan’i Soafeno i Jesoa Kristy dia nisafidy olona roa ambin’ny folo Izy ary nanome azy ireo hery hampianarana sy hanaovana batisa. Nanome azy ireo ny fahefana hanome ny Fanomezana ny Fanahy Masina ihany koa Izy. Nantsoiny hoe mpianany izy ireo. Nanao ireo zavatra nampianarin’i Jesoa mba hataon’izy ireo ireo mpianatra.
3 Nefia 11:1, 18–22, 41; 12:1; 15:11–12; 18:36–37
Nampianatra ny mpianany ny fomba hanaovana batisa i Jesoa. Nolazainy azy ireo ny teny tokony holazain’izy ireo. Nampianariny izy ireo mba handroboka ilay olona ao anatin’ny rano ary hanampy azy hivoaka indray. Nilaza i Jesoa mba hanaovana mandrakariva ny fomba fanaovana batisa nampianarany azy ireo. Nampianatra azy ireo mikasika ny Fanahy Masina koa Izy.
Tian’i Jesoa hifankahazo ireo mpianany fa tsy hifanditra. Nilaza izy fa rehefa nifanditra izy ireo dia tsy nanaraka ny fampianarany.
Nampianatra ny olona hino Azy sy hibebaka ary hatao batisa i Jesoa mba hahafahan’izy ireo miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra indray.
Nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa fa raha mino Azy izy ireo dia mino ny Ray any An-danitra ihany koa. Ny Fanahy Masina dia hanampy azy ireo hahafantatra fa tena misy i Jesoa sy ny Ray any An-danitra.
Rehefa avy nampianatra ireo mpianany i Jesoa dia nasainy nandeha sy nampianatra ny olona rehetra izy ireo. Nilaza izy fa tsy hiahiahy ny amin’izay hohanin’izy ireo, na hosotroin’izy ireo, na ny ho tafin’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo Izy fa raha manompo ny Ray any An-danitra izy ireo dia hikarakara azy ireo ny Ray any An-danitra.