“I Jareda sy ny fianakaviany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)
I Jareda sy ny fianakaviany
Dia iray notarihin’ny Tompo
Nipetraka tany Babela arivo taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy i Jareda sy ny fianakaviany. Nankatò ny Tompo izy ireo. Saingy tsy nankatò ny Tompo ny ankamaroan’ny olona tao Babela. Nanomboka nanorina tilikambo mba hanatratrarana ny lanitra izy ireo. Novain’ny Tompo ny fitenin’ny olona mba tsy hifankahazoan’izy ireo.
Genesisy 11:4–9; Etera 1:33
Nanana rahalahy i Jareda. Natoky ny rahalahin’i Jareda ny Tompo. Ary nangataka an’i rahalahiny i Jareda mba hivavaka amin’ny Tompo hangataka fanampiana. Tao anatin’ny vavaka nataony dia nangataka ny Tompo ny rahalahin’i Jareda mba tsy hanova ny fitenin’ny fianakaviany sy ny namany. Amin’izay dia mbola afaka mifankahazo izy ireo.
Feno fitiavana sy tsara fanahy ny Tompo. Tsy nanova ny fitenin’ny fianakavian’i Jareda sy ireo namany izy. Taty aoriana dia nilaza tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo fa nanomana tany manokana ho azy ireo Izy. Nilaza ny Tompo fa hitarika azy ireo any Izy.
Nanangona ny fianakaviany sy ny namany i Jareda sy ny rahalahiny. Nangoni’izy ireo ihany koa ny biby fiompiny sy ny karazana voa rehetra. Avy eo dia nandao ny tranony izy ireo ary nandeha namakivaky ny tany foana. Nitarika azy ireo ny Tompo tamin’ny alalan’ny firesahana tamin’izy ireo avy teo amin’ny rahona.
Rehefa avy nandeha lalan-davitra dia tonga teo amin’ny ranomasina izy ireo. Niaina nandritra ny efa-taona teo akaikin’ny ranomasina izy ireo. Tsy nivavaka tamin’ny Tompo nandritra ny fotoana lava ny rahalahin’i Jareda.
Notenenin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda mba hivavaka indray. Nibebaka sy nivavaka tamin’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda. Namela azy ny Tompo.
Nampianatra ny rahalahin’i Jareda ny Tompo mba hanamboatra sambo antsoina hoe sambofiara. Afaka nitaingina ny sambofiara niampita ny ranomasina ny fianakaviana hankany amin’ny tany nampanantenaina.
Nanamboatra ireo sambofiara ny rahalahin’i Jareda sy ny fianakaviany. Hitany fa tsy nisy hazavana tao anatin’ireo sambo. Nanontaniany ny Tompo raha toa izy ireo ka mila mandeha mamakivaky ny ranomasina ao anatin’ny haizina. Nasain’ny Tompo nieritreritra fomba iray hananana hazavana ny rahalahin’i Jareda.
Nanamboatra vato kely mazava miisa 16 ny rahalahin’i Jareda. Nangataka ny Tompo izy mba hikasika sy hampamirapiratra azy ireo. Nanolotra ny tanany ny Tompo ary nikasika tsirairay ireo vato tamin’ny rantsantanany Izy. Afaka nahita ny rantsantanan’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda. Taitra izy fa nanana vatana tahaka ny azy ny Tompo.
Manana finoana lehibe ny rahalahin’i Jareda hoy ny Tompo. Avy eo dia niseho ary nampiseho ny vatany ara-panahy tamin’ny rahalahin’i Jareda ny Tompo. Hoy ny Tompo hoe: “Izaho no Jesoa Kristy.” Nilaza izy fa Izy no voafidy ho Mpamonjy. Nampianatra zavatra maro hafa ny rahalahin’i Jareda izy.
Niverina tany amin’ny fianakaviany sy ny namany ny rahalahin’i Jareda. Nosoratany ny zavatra nianarany fony izy niaraka tamin’ny Tompo. Napetrany tao anaty sambofiara ihany koa ireo vato ireo. Nanana hazavana tamin’ny diany izy ireo ankehitriny.
Niditra tao amin’ireo sambofiara ny fianakaviana mba hiampita ny ranomasina. Natoky ny Tompo izy ireo mba hiahy azy ireo. Nisy tafio-drivotra sy onja maro. Nisy fotoana nandrakotra tanteraka ireo sambo ny rano. Saingy nivavaka izy ireo, ary naverin’ny Tompo teo ambonin’ny rano indray izy ireo. Nihira hira fisaorana maro ho an’ny Tompo izy ireo.
Rehefa afaka herintaona dia tonga teo amin’ny tany izay nampanantenain’ny Tompo azy ireo izy ireo. Nitomany tamim-pifaliana izy ireo ary nisaotra Azy.