Tantara ao amin’ny soratra masina
Niverina tany amin’ny Rainy i Jesoa


“Niverina tany amin’ny Rainy i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

3 Nefia 28; 4 Nefia 1

Niverina tany amin’ny Rainy i Jesoa

Manompo ny mpianany alohan’ny handehanany

Miresaka amina vondron’olona iray i Jesoa Kristy.

Nampianatra ny filazantsarany tamin’ny vahoakany i Jesoa. Nampianatra azy ireo izy mba ho tia an’ Andriamanitra sy hifanompo. Tsy ela dia hiverina any amin’ny Rainy i Jesoa. Nangataka ireo mpianatra izy mba hanohy hampianatra ny olona rehefa lasa Izy.

3 Nefia 11:41; 28:1

mitsiky i Jesoa Kristy ary maninjitra ny tanany

Talohan’ny nandehanany dia nanontanian’i Jesoa ny mpianany tsirairay ny zavatra tian’izy ireo hataony ho azy ireo. Nilaza ny ankamaroan’ireo mpianatra fa te hiara-hiaina amin’i Jesoa izy ireo rehefa avy nanompo Azy teto an-tany. Nampanantena azy ireo i Jesoa fa hiara-hiaina Aminy izy ireo aorian’ny fahafatesan’izy ireo.

3 Nefia 28:1–3

mpianatra telo miahiahy

Natahotra ny telo tamin’ireo mpianatra satria niahiahy loatra izy ireo ny hilaza amin’i Jesoa ny zavatra tian’izy ireo. Saingy fantatr’i Jesoa ny zavatra tian’izy ireo avy Aminy. Te hiaina izy ireo mandra-pahatongan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany mba hahafahan’izy ireo manampy olona maro kokoa hanatona an’i Jesoa.

3 Nefia 28:4–7, 9

miresaka amin’ireo mpianatra telo i Jesoa Kristy

Nampanantena azy ireo i Jesoa fa tsy ho faty izy ireo. Hijanona eto an-tany izy ireo ary hanampy ny olona hanatona Azy mandra-pahatongan’ny Fiaviany Fanindroany.

3 Nefia 28:7–11

mitsangana eo amin’ny habakabaka i Jesoa Kristy ary voahodidin’ny hazavana

Nikasika ny mpianatra tsirairay tamin’ny rantsantanany i Jesoa afa-tsy ireo telo izay te hijanona. Avy eo dia niala i Jesoa ary niverina tany amin’ny Ray any An-danitra.

3 Nefia 28:1, 12

mitsiky sy manjelanjelatra ireo mpianatra telo

Taorian’izany dia nisokatra ny lanitra ary nakarina ho any an-danitra ireo mpianatra telo. Nahita sy nandre zavatra mahatalanjona maro izy ireo ary nasaina tsy hiresaka momba azy ireo. Niova ihany koa ny vatan’izy ireo mba tsy ho faty na hahatsapa fanaintainana.

3 Nefia 28:13–15, 36–40

ireo mpianatra manao batisa olona

Niverina ireo mpianatra ary nanohy nampianatra ny vahoaka momba an’i Jesoa. Naniry ny hanaraka an’i Jesoa ny olona ary natao batisa tao amin’ny Fiangonany. Tao am-pon’izy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra ary nifampizara ny zavatra rehetra nananany izy ireo. Sambatra izy ireo ary nanampy azy ireo Andriamanitra. Niaina tao anaty fiadanana nandritra ny 200 taona ny olona.

3 Nefia 28:16–18, 23; 4 Nefia 1:1–23