“Fiantrana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fiantrana
Manana ny fitiavana madion’i Kristy
Samy sorena na tezitra daholo isika rehetra indraindray, angamba matetitetika mihitsy aza. Mety tsy mitovy hevitra amin’ny mpifanolobodirindrina na amin’ny mpiara-miasa isika. Na indraindray isika mety tsy manam-paharetana amin’ny zanatsika na ny vadintsika. Mety hahita ny tenantsika ho manakiana sy mitsara ny hafa isika. Mazava ho azy fa tsy misy olona tonga lafatra, ary tsy maninona raha mahatsapa tahaka izany indraindray. Saingy efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no ahafahanao maneho fitiavana sy faharetana bebe kokoa amin’ireo manodidina anao?
Tsotra ny valiny: Ny fonao dia azo alefahana amin’ny alalan’ny fiantrana, izay fanomezana avy amin’ Andriamanitra. Ny fiezahana mba hanana fiantrana dia toy ny fiezahana ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy, ary zavatra atao mandritra ny androm-piainana izany. Saingy hanampy anao ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy anao rehefa mikatsaka amim-pahatokiana ny ho tonga tahaka Azy ireo kokoa ianao.
Inona no atao hoe fiantrana?
Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:47). Izany no endriky ny fitiavana ambony indrindra sy mafy orina indrindra. Ny fiantrana dia manosika antsika hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa amin’ny fontsika rehetra, amin’ny herintsika rehetra, amin’ny saintsika rehetra ary amin’ny tanjatsika rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:5).
Topimaso momba ny lohahevitra: Fiantrana
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Jesoa Kristy, Finoana, Fanantenana, Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, Asa fanompoana
Fizarana 1
Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra
Tia antsika tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna fa “ny fiantrana … dia ny fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Nandritra ny fiainany dia naneho fitiavana sy fangorahana tamin’ny noana, ny mpanota, ny ory ary ny marary i Jesoa Kristy. Nanompo ny mahantra sy ny mpanankarena, ny namana sy ny vahiny Izy. Namela ny helok’ireo mpiampanga Azy sy ireo izay nanombo Azy mihitsy aza Izy (jereo ny Lioka 23:34). Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra eo amin’ny fanehoam-pitiavana tonga lafatra.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Ny fitiavana tonga lafatr’i Jesoa Kristy dia nisy fiantraikany teo amin’ny tsirairay tamin’ireo zavatra nataony. Diniho ireto ohatra ireto: Matio 26:39; Lioka 7:22; 1 Nefia 19:9. Ahoana no anehoan’ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fitiavan’i Kristy antsika? Azonao ampitahaina amin’ny famariparitan’i Paoly ny fiantrana ao amin’ny 1 Korintiana 13 ireo ohatra ireo. Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy io karazana fitiavana io taminao?
-
Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny fitiavana dia iray amin’ireo toetra lehibe ananan’ Andriamanitra.” Hevero ny hanoratra ao amin’ny diarinao ny teny hoe Fantatro fa tia ahy Andriamanitra satria … Manorata fomba hamenoanao io fehezan-teny io mandritra ny herinandro. Azonao vakina na henoina mba hahazoana hevitra ny hira toy ny hoe “L’amour de Dieu” na “Tia Ahy ny Ray any An-danitra”.
Fiaraha-mientana ho an’ny fiarahana mianatra
-
Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny didy lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra. Izany no ilay didy lehibe voalohany. Saingy ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ny fo ny rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra.” Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny fahafantarana ilay fitiavana lehibe nasehon’ Andriamanitra ho anao manova ny zavatra tsapanao sy eritreretinao ary ataonao.
-
Ny fijerena ilay horonan-tsary “La charité: Un modèle pour les fidèles” (4:50) dia afaka mitarika any amina fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hanovan’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny fiainana. Ahoana no fomba nanehoan’ireo zatovovavy ao amin’io horonan-tsary io fitiavana tahaka ny an’i Kristy tamin’ilay meneuse de claque vaovao? Inona no fiantraikan’izany fitiavana izany teo aminy? Inona no fiantraikan’izany teo amin’ireo zatovovavy hafa? Eritrereto ireo olona manodidina anao izay mety mila mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Resaho ny momba ireo fomba ahafahanao mizara ny fitiavan’i Kristy amin’ny iray na ny roa amin’izy ireo.
Hianatra misimisy kokoa
-
Lioka 10:30–37; 1 Jaona 3:16–18; 4:7–11, 18–19
-
Alan T. Phillips, “Mahafantatra sy tia anao Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2023, 49–52
-
Michael T. Ringwood, “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra antsika,” Liahona, mey 2022, 88–90
-
Susan H. Porter, “Ny fitiavan’ Andriamanitra: Ilay mampiravoravo indrindra ny fanahy,” Liahonanôv. 2021, 33–35
Fizarana 2
Ny fiantrana no hatsaran-toetra lehibe indrindra izay afaka ny ho azon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy
Ny fiantrana dia tsy zavatra ataontsika na zavatra omentsika. Toetry ny fontsika sy fomba fiainana izany. Izany no ahatongavantsika ary izany no tsapantsika, ary mitarika antsika hanao asa feno fitiavana izany (jereo ny Môrônia 7:45–47).
Raha tsy manana fiantrana dia tsinontsinona isika; raha manana izany dia manana ny zava-drehetra isika (jereo ny Etera 12:34; Môrônia 7:44). Mandalo daholo ny zava-drehetra saingy ny fiantrana dia mitoetra mandrakizay ary tsy ho levona velively (jereo ny Môrônia 7:46–47). Noho izany ahoana no ahazoantsika izany fanomezam-pahasoavana izany? Hoy ny mpaminany Môrmôna hoe: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, … ka rehefa hiseho [i Jesoa Kristy] dia ho tahaka Azy isika” (Môrônia 7:48).
Mianatra mampihatra ny fiantrana isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’olona: eo amin’ny fianakaviantsika, eo amin’ireo mpiangona ao amin’ny fiangonantsika, eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, ary eo amin’ny olona rehetra izay mihaona amintsika. Rehefa miezaka manaiky ny hafa amin’ny maha-izy azy ireo isika sy mahita azy ireo tahaka ny ahitan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo, dia afaka manomboka mitia ny olona tahaka ny ataon’Izy ireo isika.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Vakio ny 1 Korintiana 13:1–7 ka alaivo sary an-tsaina hoe ao anatin’ireo andininy ireo ianao. Vakio ny andininy 8 avy eo. Inona no dikan’ny hoe “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” aminao? Eritrereto raha toa ka misy toetra voatanisa ao amin’ny andininy 4–7 izay azonao hatsaraina mba hanampiana anao ho ohatra tsara kokoa eo amin’ny fiantrana.
-
Na dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra aza ny fiantrana, dia mila mandray izany isika, tahaka ny fanomezana rehetra. Inona no nianaranao avy amin’ny Môrônia 7:48; 8:26 momba ny fomba ahazoana io fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana io?
-
Nampianatra momba ireo fahamarinana manan-danja momba ny fiantrana ireo ny Filoha Russell M. Nelson: “Ny fiantrana no fanefitry ny fifandirana. Ny fiantrana dia fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay manampy antsika handroaka ilay olona araka ny nofo izay tia tena, miaro tena, mieboebo ary be fialonana. Ny fiantrana no toetra fototra ananan’ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. Ny fiantrana no mamaritra ny mpampihavana iray.” Rehefa misaintsaina ny tenin’ny Filoha Nelson ianao dia mitaona anao hanao inona ny Fanahy? Hevero ny hametraka ny teny nambaran’ny Filoha Nelson any amin’ny toerana izay hahitanao izany matetika ho toy ny mpampahatsiahy ny mba hanehoana fiantrana ho an’ny hafa.
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ahoana no hamantaranao ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy? Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:35). Eritrereto amin’ny maha-ao anatina vondrona iray anareo ireo olona ankafizinareo izay ohatra marin’ny fiantrana. Ahoana no fomba nahitanareo azy ireo naneho ny fitiavana madion’i Kristy? Hevero ny handefa hafatra fohy na hanoratra hafatra fohy any amin’ny iray amin’ireo olona ireo ka hizara ny zavatra ankafizanareo azy.
-
Resaho ny momba ireo safidy manan-danja sasantsasany izay ataonao isan’andro. Vakio avy eo ny”Tiavo Andriamanitra, tiavo ny namanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ([2022], 10–15). Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana ho mpitarika rehefa manao ireo safidy tsirairay ireo ianao.
-
Diniho ity hafatra avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity: “Na inona na inona olana sedrai[nareo na] ny fianakavianareo, na inona na inona ezaka ilainareo atao mba hamahana izany olana izany, dia ny fiantrana izay fitiavana madion’i Kristy no fiandohana sy fiafaran’ny vahaolana.” Miaraha miasa mba hanao lisitra iray ahitana ireo olana sasantsasany izay atrehan’ny olona tsirairay na ny fianakaviana amin’izao fotoana izao, toy ny fifandirana na ny fialonana. Avy eo dia azonao atao ny mamaky ny Môrônia 7:45 ary miresaka momba ny fomba ahafahan’ireo toetra mamaritra ny fiantrana voalaza ao amin’io andininy io manampy amin’ny famahana ireo olana ao anatin’ny lisitrao. Avy eo dia afaka manao drafitra tsotra ianao mba hampiharana ny fiantrana mba hamahana ny iray amin’ireo olana. Ampandraiso anjara ao anatin’ny drafitrao Andriamanitra ary mikatsaha fanampiana avy amin’ny hafa araka izay mahamety izany.
Hianatra misimisy kokoa
-
2 Nefia 26:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46
-
Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 98–101
-
Ulisses Soares, “Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana,” Liahona, mey 2023, 85–87
-
J. Anette Dennis, “Fa mora ny ziogany ary maivana ny entany,” Liahona, nôv. 2022, 80–82
-
Marvin J. Ashton, “The Tongue Can Be a Sharp Sword,” Ensign, mey 1992, 18–20
-
“Charity, the Pure Love of Christ,” Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 423–33