“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny eto an-tany ankehitriny
Mieritrereta fitahiana iray manokana izay noraisinao na azonao raisina amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho An’ny Olomasin’ny Andro Farany anao. Mety ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy nisy izany fitahiana izany? Izao dia eritrereto ireo fomba hafa izay nitahiana na afaka hitahiana anao sy ireo olon-tianao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika dia voatahy amin’ny fomba maro isika. Saingy afaka mitahy ny hafa amin’ny fomba maro ihany koa isika. Afaka mifankahery sy mifanampy isika. Mifampianatra ny filazantsara isika ary miezaka ny ho ohatra tsara eo amin’isika samy isika. Afaka mifampionona isika. Afaka mifampitondra ny enta-mavesatra isika amin’ny alalan’ny fanolorana soroka hitomaniana sy sofina mihaino.
Saingy ny maha mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho An’ny Olomasin’ny Andro Farany dia midika mihoatra noho ny fananana ireo fitahiana ireo fotsiny ihany. Mino isika fa ity no Fiangonana marin’ Andriamanitra eto an-tany, naverina tamin’ny laoniny mba hanomanana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia afaka mandray anjara amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra ilaina isika mba hiverenana sy hiara-hiaina indray amin’ Andriamanitra indray andro any. Afaka mifanampy isika rehetra amin’ny dia fiverenana indray any amin’ny Raintsika any An-danitra.
Inona ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
Ny Fiangonan’ I Jesoa Kristy Ho An’ Ny Olomasin’ Ny Andro Farany dia naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia “Fikambanana misy ny rafi-pandaminan’ireo mpino izay efa nitondra ny anaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.” Manana ny fahefany, fampianarany, lalàny, ôrdônansiny, ary anarany izany ary tarihiny amin’ny alalan’ireo solontenany izay notendreny.
Ny anarana iantsoana ny Fiangonan’i Kristy amin’izao fotoana izao, izay nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana avy Aminy dia Ny Fiangonan’ I Jesoa Kristy Ho An’ Ny Olomasin’ Ny Andro Farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4).
Topimaso momba ny lohahevitra: Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, Fanangonana an’i Isiraely, Fanekempihavanana sy Ôrdônansy
Fizarana 1
I Jesoa Kristy dia namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany marina tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.
Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôly tany am-boalohany dia nitsahatra tsy nisy teto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy (jereo ny Lohahevitra sy fanontaniana, “Apôstazia,” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa).
Tamin’ny volana aprily 1830, ny Tompo dia nanorina indray ny Fiangonany marina teto an-tany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–30; 20:1–2). Niantso apôstôly sy mpaminany izy mba hanohy ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13). Mihazona ny fanalahidin’ny fahefan’ny fisoronana izy ireo hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hitantanana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ Andriamanitra.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Living Apostles Testify of Jesus Christ” mba hihainoana fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy izay nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny ApôstôlyRoambinifolo. Ahoana no hanampian’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo apôstôly sy mpaminany ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana anao hahafantatra fa ity no Fiangonan’ Andriamanitra naverina tamin’ny laoniny? Nahoana no manan-danja ny hoe ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tarihin’ny apôstôly sy mpaminany ankehitriny? Inona no nataonao na inona no azonao atao mba hahafantaranao manokana fa voantson’ Andriamanitra ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana ary ity no Fiangonany naverina tamin’ny laoniny eto an-tany ankehitriny?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Koa midika inona ary ny hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany Fiangonana marina? Toetoetra telo: (1) ny fahafenoan’ny fotopampianarana, (2) ny herin’ny fisoronana, ary (3) ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy—no manazava ny antony nanambaran’ Andriamanitra sy ny antony hanohizantsika mpanompony milaza fa ity no hany Fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo.” Ifanakalozy hevitra ireo toetoetra telo ireo sy ny antony maha-ampahany manan-danja azy ireo ao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra. Zarao ny zavatra niainanao izay nanampy anao ho lasa mahafantatra fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fiangonana marina sy velon’ny Mpamonjy? Miresaha momba ny fomba nitahian’izany fahalalana izany ny fiainanao.
Hianatra misimisy kokoa
-
“Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” Médiathèque de l’Évangile
-
“Ny fitsanganan’ny Fiangonan’i Kristy,” toko 8 ao amin’ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 76–86
Fizarana 2
Manome antsika fahafahana hanampy amin’ny asan’ Andriamanitra ny Fiangonana
Ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miezaka manampy amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fikarakarana ireo sahirana, manasa ny rehetra handray ny filazantsara, ary mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay.
Ny Fiangonana dia manome antsika fomba iray hiarahana mitsaoka sy hianarana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manampy antsika hifanompo sy hifampizara ny teniny ary hikarakara ireo sahirana ihany koa izany.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Vakio ary saintsaino ny Jaona 15:16. Midika inona aminao izany hoe nisafidy anao Andriamanitra hanampy amin’ny fanatanterahana ny asany ao amin’ny Fiangonany? Ahoana no nahatsapanao fa tokony hanampy Azy amin’ny asa famonjena sy fisandratany ianao? Inona no fitahiana azonao rehefa nanaraka izany fahatsapana izany ianao? Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diarinao ny eritreritrao, ary eritrereto raha toa ka misy zavatra tianao hatao mifandray amin’ny asan’ Andriamanitra izay tsy mbola nataonao. Dia mametraha tanjona hanao izany.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Nampahatsiahy antsika ny Loholona John C. Pingree Jr. fa ny asan’ Andriamanitra dia “tsy natokana ho an’ny tombontsoa manokana fa [natao] ho antsika rehetra—, na lahy na vavy, na firy taona na firy taona, na inona firazanana, na fiaviana, na fidiram-bola, na toetoetra eo amin’ny fiaraha-monina, na antso ao am-piangonana. Isika rehetra dia manana anjara asa lehibe hotanterahina ao amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra (jereo ny Mosesy 1:39).” Notohizany hoe: “Ny sasany amintsika dia mametra-panontaniana hoe ny Ray any An-danitra ve dia afaka mampiasa antsika mba hitondra anjara biriky manan-danja. Kanefa tsarovy fa nampiasa olona tsotra hatrany Izy mba hanatanterahana zavatra mampitolagaga (jereo ny 1 Koritianina 1:27–28; F&F 35:13; 124:1).” Azonao atao ny miresaka momba ny sasany amin’ireo zavatra mahatalanjona hitanao nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tsotra mba hanampiana amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratan’ Andriamanitra. Azonareo atao angamba ny manao tanjona ny hiara-hanao zavatra amin’ity herinandro ity mba hampandrosoana ny asan’ Andriamanitra. Azonao atao avy eo ny miresaka momba ny zavatra nianaranao avy amin’ilay zavatra niainana na ny zavatra tsapanao rehefa nanompo ianao.
Hianatra misimisy kokoa
-
Matio 5:13–16; Efesianina 4:11–15; Môzià 18:27–29; Môrônia 6:4–9
-
Dallin H. Oaks, “Ny ilàna Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 24–26.
-
“How the Church Is Organized” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile
Fizarana 3
Manasa ny rehetra i Jesoa Kristy mba hoavy sy hiombona amin’ny Fiangonany.
Misy toerana ho an’ny rehetra ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Voatahy ny Fiangonana rehefa mifampizara ny fomba fijerintsika sy ny zavatra iainantsika samihafa isika ary mianatra avy amin’ny tsirairay. Nampianatra ny mpaminany Nefia fa i Kristy dia manasa ny rehetra “hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” (2 Nefia 26:33). Tian’i Jesoa Kristy ny olona tsirairay hanana fahafahana hanatona Azy sy ho voavonjy amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny Fiangonany sy ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Afaka manampy amin’ny fanangonana ny vahoakany ho eo Aminy isika. Rehefa manao fanasana tsotra sy avy amin’ny fo isika dia afaka manampy ny hafa hampitodika ny fony amin’i Kristy sy hanana faniriana ny hiditra ao amin’ny valany.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nahatsikaritra ny Loholona Gerrit W. Gong fa: “Ampandraiketin[’ny Tompo] amintsika ny hanao [ny Fiangonany] ho toeram-pahasoavana sy toerana malalaka, ahafahan’ny rehetra miangona, misy toerana ho an’ny rehetra. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia mitovy lenta avokoa isika rehetra, tsy misy izany hoe ao anatina ambaratonga ambany izany. Afaka manatrika soa aman-tsara ny fivoriana fanasan’ny Tompo, sy ireo fivoriana isaky ny alahady, ary ireo hetsika sôsialy hafa ny olona rehetra. Mitsaoka amim-panajana ny Mpamonjintsika isika, mifampiahy sy mifampitsinjo. Mijery ary mankasitraka ny tsirairay isika. Mitsiky isika, mipetraka miaraka amin’ireo izay irery, manontany anarana ka isan’izany ny an’ireo mpikambana vaovao, ireo rahalahy sy anabavy niverina navitrika indray, ireo zatovolahy sy zatovovavy, ary ny ankizy malala tsirairay ao amin’ny Kilonga. Alaivo sary an-tsaina hoe eo amin’ny toeran’izy ireo isika, ka mandray ireo namana, ireo vahiny, ireo olona vao nifindra, ary ireo olona sahiran-dava be atao.” Inona avy ireo fomba sasantsasany azonao hanolorana tanana sy hanampiana ny hafa hahafantatra fa voaray tsara izy ireo mandritra ireo fivoriantsika ary manana toerana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy? Iza no azonao atonina? Hevero ny hanao tanjona ny hanao zavatra hampisehoana amin’ny hafa fa miraharaha azy ireo ianao ary manana toerana ao amin’ny paroasy na sampana misy anao izy ireo.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Tian’i Jesoa Kristy hanatona Azy sy ny Fiangonany ny rehetra, ary afaka manampy isika amin’ny alalan’ny fanaovana fanasana tsotra sy amin-kitsimpo ho an’ireo manodidina antsika. Nizara ny Loholona Gary E. Stevenson hoe: “Misy fanasana an-jatony azontsika atolotra ny hafa. Afaka manasa ny hafa isika mba ─ho avy ka hahita─ ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ny fiaraha-mientan’ny paroasy, ny horonan-tsary an-jotra izay manazava ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny ─Avia mba hahita─ dia mety ho fanasana hamaky ny Bokin’i Môrmôna na hitsidika tempoly vaovao mandritra ny varavarana misokatra alohan’ny fanokanana izany. Indraindray, ny fanasana dia zavatra ataontsika ao anatintsika, fanasana ho an’ny tenantsika, manome antsika fahatsapana sy fahitana ireo fahafahana azo araraotina manodidina antsika, mba handraisantsika andraikitra eo anatrehan’izany. Amin’izao vanim-potoana nomerika misy antsika izao, matetika ny mpikambana no mizara hafatra amin’ny alalan’ny tamba-jotran-tserasera. Misy an-jatony, raha tsy an’arivony, ireo zavatra manandratra ny fanahy izay mety ho hitanao fa mendrika hozaraina.” Ifanakalozy hevitra ny fanasana vitsivitsy azonao atao amin’ity herinandro ity, ary avy eo dia miaraha manao tatitra momba ireo zavatra niainanao.
-
Angataho ny olona iray ao amin’ilay vondrona mba hanao sarina vatana tsotra, ary miresaha momba ny maha-zava-dehibe ireo faritra samihafa (toy ny tanana, tongotra, maso, ary sofina). Avy eo dia iaraho mamaky ny 1 Korintiana 12:12–18 ary ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaranareo. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo andininy ireo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika? Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Mila ireo olona mpikambana vao haingana isika sy ireo eo anivontsika izay taranak’ireo mpamaky lay. Mila mikaroka ireo izay nivily làlana isika ary manampy azy ireo hiverina ato amin’ny vala. Mila ny fahendren’ny tsirairay isika sy ny fomba fijeriny ary ny tanjany ara-panahy. Singa manan-danja eo amin’ny rafitry ny Fiangonana manontolo ny mpikambana tsirairain’ity Fiangonana ity.” Azonareo tsirairay atao ny manoratra zavatra azo atao amin’ity herinandro ity mba hanampiana olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy anareo hahafantatra ny maha-zava-dehibe azy ireo. Azonao atao avy eo ny manao tatitra momba ny zavatra nataonao.
Hianatra misimisy kokoa
-
1 Koritianina 12:12–27; Mosesy 1:39
-
D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana” Liahona, nôv. 2022, 53–56
-
D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona,nôv. 2015, 108–11
-
Lohahevitra sy fanontaniana, “Diversity and Unity in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints,” Médiathèque de l’Évangile
-
“Unity in Diversity” (horonan-tsary tahiry)