Tahirim-pitaovana
Fanangonana an’i Isiraely


“Fanangonana an’i Isiraely,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

mpiangona mihira

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanangonana an’i Isiraely

Ny asa lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao

Efa nitsoka zavamaniry toy ny beroberoka ve ianao dia nijery ireo voa niely patrana? Inona no ilaina hatao mba hanangonana ireo voa ireo hiverina indray? Toa tsy azo tanterahina izany. Hain’ Andriamanitra nefa ny zavatra rehetra

Ny Testamenta Taloha dia mitantara karazana fampielezana hafa—rehefa “[naely patrana t]amin’ny tafio-drivotra ho any amin’ny firenena rehetra” ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra (Zakaria 7:14). Kanefa ny Tompo dia nampanantena tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny fa hangonina izy ireo indray andro any (jereo ny Deoteronomia 4:27–31).

Antsointsika hoe “fanangonana an’i Isiraely” izany ary nanomboka tamin’ny fotoana namerenana indray tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny andro farany sy tamin’ny fotoana nanombohan’ny filazantsarany niparitaka manerana izao tontolo izao. Io ezaka fanangonana io dia nihanahazo vahana hatrany rehefa nandroso hatrany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Inona no antsoina hoe fanangonana an’i Isiraely?

Rehefa miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely, ny Isiraely dia entina ilazana ireo taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ara-bakiteny. Entina ilazana ihany koa ireo izay natsangana ho ao amin’ny fianakavian’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny batisa izany. Fahiny dia naelin’ Andriamanitra ny zanak’Isiraely noho ny faharatsiany sy ny fikomiany. Voangona i Isiraely rehefa manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo zanak’ Andriamanitra, mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, ary miezaka mitandrina ireo fanekempihavanana ireo.

Torolalana fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Everlasting Covenant, Inviting All to Receive the Gospel, Bénédictions patriarcales, Seconde venue de Jésus-Christ

Fizarana 1

Anisan’ny mpianakavin’i Isiraely ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

fianakaviana eo anivon’ny mpiangona

Nanorina ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay tamin’i Adama ny Tompo. Nohavaoziny tamin’i Abrahama sy i Saraha izany, niaraka tamin’i Isaka zanak’izy ireo lahy, ary i Jakoba zafikelin’izy ireo, izay novaina ho Isiraely ny anarany. Hazavao fa ireo taranak’i Jakoba no fantatra amin’ny hoe “mpianakavin’i Isiraely”. Saingy amin’izao androntsika izao dia mivelatra kokoa ny sehatra ampiasana ilay teny.

Na iza na iza mino an’i Jesoa Kristy sy miditra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, na inona na inona rohim-pirazanany—dia voangona ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ary lasa isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo (jereo ny Eksodosy 6:7; 1 Nefia 14:14; 3 Nefia 21:6; Abrahama 2:10). Zanaky ny fanekempihavanana ireo mpanara-dia an’i Kristy ireo (jereo ny 3 Nefia 20:25–27). Rehefa mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo dia mandray ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:17–20; 132:30–31; Abrahama 2:9–11).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mba hianarana misimisy kokoa momba ny fomba maha-isan’ny mpianakavin’i Isiraely ny mpikamban’ny Fiangonana dia azonao halalinina ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Aoka Andriamanitra no hanjaka.” Midika inona aminao izany hoe isan’ny ao amin’ny “Isiraely” izany? Azonao atao ihany koa ny mamaky na mihaino ny tonon’ireo hira ao amin’ny fihirana izay miresaka momba an’i Isiraely, toy ny “Ry Mpanavotra”, “Israël, ton Dieu t’appelle”, ary ny “Ô vaillants guerriers d’Israël”, dia soloy amin’ny hoe “mpitandrina fanekempihavanana [quelqu’un qui respecte ses alliances]” ny hoe “Isiraely” mba hahitana izay hevi-baovao azonao.

  • Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana ny ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanarahana ny lalàny: “sady antsoin’ Andriamanitra isika no manana ny valintenintsika manokana ho an’izany antso izany, fa mety maro no antsoina fa vitsy no fidina. Ny hoe voafidy na lasa voafidy dia tsy toetra miavaka izay nomena antsika. Fa izaho sy ianao amin’ny farany dia afaka misafidy ny ho voafidy amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahantsika misafidy.” Inona avy ireo fitahiana tonga amintsika rehefa “misafidy ny ho voafidy” isika mba ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely? Inona koa no azonao atao mba hisafidianana ny ho voafidy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonareo atao ny miara-mamaky ny ampahany amin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay izay hiresahany anarana fiantsoana. Avy eo dia jereo ny anarana na etikety amin’ireo sakafo na fitoeran-javatra hafa dia resaho ny fiatraikan’ireo etikety amin’ireo zavatra ireo amin’ny fomba fiheverantsika ireo zavatra ireo. Inona no anarana fiantsoana telo nolazain’ny Filoha Nelson fa tokony ho laharam-pahamehana amin’ireo anarana hafa rehetra? Ahoana no ahafahan’ilay anarana fiantsoana hoe “zanaky ny fanekempihavanana” manampy antsika hahatakatra ireo fitahiana izay mety ho azo avy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely antsika? Vakio ny 3 Nefia 20:25–27, ary ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny zavatra andrasan’ny Tompo amintsika amin’ny maha-zanaky ny fanekempihavanany antsika.

  • Na dia natao tamin’ny olona voafaritra manokana nandritra ny taonjato maro aza ny fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ Andriamanitra dia afaka ny ho tafiditra ao anatin’izany ny olona rehetra. Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook hoe: “Ireo izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na inona na inona rohim-pirazanany dia lasa ho isan’ny Isiraely voangona.” Azonareo atao ny mamerina mijery ny hafatry ny Loholona Cook hoe “Tafangona soa aman-tsara ao an-tokantrano” mba hianarana misimisy kokoa momba ny maha-zava-dehibe ny mahaisan’i Isiraely voangona. Ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaranareo.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Ny fanangonana an’i Isiraely no asa manan-danja indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao

vehivavy misiônera

Naely patrana ireo Isiraelita fahiny satria nandà an’i Jehovah izy ireo ary tsy nahatoky tamin’ny fanekempihavanana nataony Taminy (jereo ny Levitikosy 26:33; Deoteronomia 4:23–27). Nitranga izany fampielezana izany rehefa nandeha ny fotoana, rehefa resin’ireo firenena hafa ny Isiraelita ka nentiny ho babo (jereo ny 2 Mpanjaka 17:6–23; 25:1–12; 1 Nefia 22:3–5). Ary mbola loza kokoa noho izany aza, dia maro tamin’izy ireo no tsy nahafantatra intsony ny tenany tamin’ny naha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra azy ireo (jereo ny 2 Nefia 6:8–11).

Saingy tsy nanadino azy ireo ny Tompo. Nampanantena Izy fa hanangona ny vahoakany rehefa avy naely patrana nandritra ny fotoana voafaritra izy ireo (jereo ny 2 Nefia 10:6–8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:6). Voangona ny vahoakan’ Andriamanitra rehefa tonga amin’ny fahalalana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy manatona Azy izy ireo (jereo ny 1 Nefia 19:16).

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjona amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra dia ny hanampy azy ireo handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy hanomana azy ireo ho amin’ny famonjena. Ny fanangonana an’i Isiraely niely patrana dia manan-danja tahaka ny tamin’ny andron’ny Mpaminany Joseph. Nantsoin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “ny tanjona lehibe indrindra ary ny asa lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao” izany. Izany no fomba ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra mahafantatra sy miverina any Aminy amin’ny farany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Matetika ny Filoha Nelson no niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fanangonana an’i Isiraely. Izao no nambarany: “Manangona ireo izay hisafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona indrindra eo amin’ny fiainany ny Tompo. Nandritra ny taonjato maro dia nanambara mialoha an’io fanangonana io ny mpaminany, ary efa mitranga izany amin’izao! Amin’ny maha-tranga manan-danja hialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany azy dia io no asa manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao!” Eritrereto ny mety ho dikan’ny hoe: izany no “asa manan-danja indrindra” eto an-tany. Ahoana no ahafahan’io fahalalana io manampy anao hanapa-kevitra ny amin’ny fomba handanianao ny fotoanao, ny talentanao, ny herinao ary ny loharanom-pitaovana anananao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

reniakoho manangona ny zanany
  • Azonao atao ny mandalina ny 3 Nefia 10:5–6 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8 ary mifanakalo hevitra momba ny fomba hanangonan’ny Tompo ny vahoakany amin’ny andro farany. Inona no mampitovy ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny reniakoho manangona ny zanany? Rehefa misaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ireo sy io fanontaniana io ianao dia jereo ilay sarina reniakoho miaraka amin’ny zanany nampiarahina amin’ny lesona. Ifampizarao ireo antsipirian-javatra ao amin’ilay sary izay toa manan-danja. Ahoana no hanampian’ireo antsipirian-javatra ireo anao hahatakatra ny zavatra tian’ny Tompo hampianarina antsika momba ny fanangonana? Ahoana no hiarovana antsika ara-batana sy ara-panahy rehefa mivondrona miaraka amin’ny Olomasina hafa isika?

  • Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Jésus-Christ prophétise le rassemblement d’Israël” mba hianarana misimisy kokoa momba ny fanangonana amin’izao androntsika izao. Inona no ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’io tantara io mikasika ny fomba hahatanterahan’ny fanangonana an’i Isiraely? Resaho ny zavatra ianaranao sy ny maha-manan-danja izany amintsika ankehitriny.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Manana andraikitra hanampy ny Tompo hanangona an’i Isiraely ny Olomasin’ny Andro Farany

zatovolahy mizara soratra masina

Ny fanangonana an’i Isiraely dia sady ara-panahy no ara-batana (jereo ny 1 Nefia 22:3; Ny Fitsipiky ny Filazantsara [2011], 248). Fotoana fohy taorian’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hivondrona ara-batana tao Kirtland, Ohio; Independence, Missouri; Nauvoo, Illinois; ary taty aoriana dia tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Ankehitriny, ho solon’ny fiaraha-mivory amin’ny toerana iray, dia manorina ny Fiangonan’ny Tompo any amin’ireo faritra izay ipetrahan’izy ireo ny mpikamban’ny Fiangonana rehefa miangona ao amin’ny Mpamonjy—miangona ao amin’ny fotopampianarany sy ny fanekempihavanany (jereo ny 2 Nefia 10:2).

Manana adidy hanampy amin’ny fanangonana ireo mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2, 7; 88:81; Abrahama 2:10–11). Ampahany manan-danja amin’izany ezaka izany ny fizarana ny filazantsara. Toy izany koa ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, rehefa mikatsaka ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo anivon’ny velona sy ny maty isika.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny Loholona Ronald A. Rasband dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny asa fitoriana amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Hoy izy: “Manangona ireo zanak’ Andriamanitra isika amin’izao andro farany izao mba hahazoan’izy ireo -fitahiana lehibe [aidina eo ambony] lohany- [3 Nefia 10:18] ary ny fampanantenana ireo -haren’ny mandrakizay- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18]. Manaraka izany dia mila misiônera isika mba hanangonana an’i Isiraely—mihoatra lavitra noho ireo izay efa manompo [amin’izao fotoana izao]. … Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy, dia mangataka anareo aho mba hirotsaka amin’ny asa misiônera amin’ny fanangonana an’i Isiraely.” Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny Tompo hanangona ny olony, na amin’ny alalan’ny antso ho misiônera amin’ny fotoana feno izany na tsia. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao ary manaova asa mifanaraka amin’izany.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Iaraho mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16, dia ifampizarao ireo fahatsapana anananareo momba ny zavatra tsapan’ Andriamanitra momba ireo zanany. Nahoana no zava-dehibe tokoa Aminy ny asa fanangonana ireo zanany? Inona no hitantsika amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay manentana antsika hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampiantsika amin’ny fanangonana an’i Isiraely? Diniho ity fanazavana mafonja avy amin’ny Filoha Nelson ity: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona eo amin’ny lafy roan’ny voaly ianao hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy.” Mety hahafinaritra ny manao lisitra ireo asa atao izay tafiditra ao anatin’ny fanangonana an’i Isiraely. Jereo hoe iza no afaka manao lisitra lava indrindra! Azonareo atao ihany koa ny mifampizara zavatra vitsivitsy nataonareo tamin’ity herinandro ity—na hoe kasainareo hatao amin’ny herinandro ho avy—mba hanampy amin’ny asa lehibe fanangonana an’i Isiraely. (Mety ho ohatra amin’izany ny fampianarana ny kilasin’ny Kilonga na ny Sekoly Alahady, ny fanaovana tantaram-pianakaviana, ny fandehanana any amin’ny tempoly, ny fizarana soratra masina amin’ny tambajotran-tserasera, na ny fanampiana olona sahirana.) Inona avy ireo fitahiana hitanao rehefa nanampy an’ Andriamanitra tamin’ny asa izay ataony ho fanangonana ny vahoakany ho eo Aminy ianao?

Hianatra misimisy kokoa