Tahirim-pitaovana
Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy


“Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

zatovolahy miresaka eo an-dalatsara

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Ireo fitahiana ara-panahy voaray amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Alaovy sary an-tsaina hoe vao nahazo fanomezana natao manokana ianao. Ilay olona nanao izany dia nisahirana tokoa mba hanomezana anao zavatra izay tsy vitan’ny hoe hitahy ny fiainanao fotsiny fa ny fiainan’ireo manodidina anao ihany koa. Rehefa manokatra ilay fanomezana ianao ary mahita ny ao anatiny dia tsapanao fa sarobidy kokoa izany noho izay zavatra rehetra azonao noheverina.

Torak’izany koa ny Ray any An-danitra dia vonona sy maniry ny hanome antsika fanomezana sarobidy mba hitahiana antsika. Antsoina hoe fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireo fanomezana ireo. Maro ireo karazana fanomezam-pahasoavan’ny fanahy, ary ny tsirairay dia afaka mampatanjaka sy manampy antsika. Saingy miankina amintsika ny mikatsaka azy ireo sy mandray azy ireo ary mampiasa izany mba hanaovana ny asan’ny Ray any An-danitra.

Inona no atao hoe ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?

Ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia fitahiana ara-panahy na fahaiza-manao nomena tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky. Izy ireo dia omena ho “fampandrosoana ny fiangonana” (1 Korintiana14:12) sy “ho tombontsoan’ny zanak’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:26). Miresaka momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy maro samihafa azontsika raisina ny soratra masina (jereo ny 1 Korintiana 12:1–11; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–25). Hanome ireo fanomezam-pahasoavana ireo ho antsika ny Ray any An-danitra rehefa mikatsaka izany amin-kafanam-po isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–9).

Topimaso momba ny lohahevitra: Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanomezana ny Fanahy Masina, Finoana an’i Jesoa Kristy, Fanantenana, Fiantrana

Fizarana 1

Manome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho an’ireo mahatoky ny Ray any An-danitra

vehivavy eo amin’ny polipitra

Andriamanitra dia manome antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy, na fitahiana ara-panahy, rehefa tia Azy sy miezaka mitandrina ny didiny isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:9). Amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia afaka mahazo fitahiana eo amin’ny fiainantsika manokana isika ary mitahy ny fiainan’ny hafa. Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia mitondra hery fanampiny eto amin’ity izao tontolo izao ity izay hitomboan’ny ratsy hatrany, ary amin’ny alalan’ireo fitahiana ireo no ahafahantsika mahita fiarovana ara-panahy sy fiadanana.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Apôstôly Paoly fa tahaka ny hananan’ny ampahany tsirairay amin’ny vatana anjara asa manan-danja, ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy tsirairay dia ilaina amin’ny “vatan’i Kristy,” na ny vatan’ny Fiangonana (1 Korintiana 12:27). Hevero ny hamaky ny 1 Korintiana 12:12–30 ary avy eo hisaintsaina ny fomba ahafahan’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy -ananantsika miara-miasa ho fitahiana ho an’ny rehetra. Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahin’ny hafa niara-niasa, tahaka ireo ampahany amin’ny vatana izay miara-miasa? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny hafa? Azonao atao ihany koa ny misaintsaina ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao sy ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Mandraisa andraikitra amin’izay fitaomam-panahy voarainao.

  • Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia ampanantenaina fa afaka manana mandrakariva ny Fanahy Masina miaraka amintsika—ary amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no handraisantsika ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Hevero ny hamaky ny vavaky ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79) ary saintsaino ny fomba ahafahan’ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavananao manampy anao ho vonona handray ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Efa nampatanjahan’ny olona iray hafa ve ny fijoroana ho vavolombelona anananao? Azonao atao angamba ny mitadidy fahatsiarovana manokana momba ny fotoana iray izay nahafahan’ny finoan’ny olona iray nahalalim-paka ny anao. Na mety hahatsapa ireo tombontsoa avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakavianao ianao isan’andro. Ao amin’ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–14, dia mianatra isika fa ny finoana ny fijoroana ho vavolombelon’ny olona iray momba an’i Jesoa Kristy dia fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Azonao atao ny mijery ity horonan-tsary avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity izay mamaritra ny fomba nandraisany izany fanomezana izany fony izy zatovolahy tamin’ny alalan’ireo ohatra sy fitiavana ary asa fanompoana nataon’ireo namany. Avy eo dia mifampizara traikefa mitovy amin’izany izay nanananao tamin’io fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy io. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny alalan’ireo ohatra mahatoky nasehon’ireo manodidina anao?

Hianatra misimisy kokoa

  • Romana 12:4–8; Môrônia 10:24–25

  • Dallin H. Oaks, “Spiritual Gifts,” Ensign, sept. 1986, 68–72

  • Gifts of the Spirit,” Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 115–23

Fizarana 2

Fantaro ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra anao

ankizy miaraka amin’ny mpampianatra

Nomen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika tsirairay avy ary mangataka antsika mba “hahatsiaro mandrakariva, ary hitana mandrakariva ao an-tsain[tsika] ireo fanomezam-pahasoavana ireo” Izy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:10). Ahoana no hamantarantsika ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananantsika mba hahafahantsika mahatsiaro azy ireny? Afaka manomboka amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina isika, izay manome ohatra maro amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Tafiditra ao anatin’izany ny finoana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny, ny fanaovana fahagagana, ary ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy (jereo ny 1 Korintiana 12:8–10; Môrônia 10:9–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–25).

Afaka mamantatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahintsika isika rehefa “mijery ny tsodranon’ny patriarika ho antsika, manontany ireo izay mahafantatra tsara antsika, ka hamantatra manokana isika hoe inona no haintsika ho azy sy tiantsika. Ary ny tena manan-danja indrindra dia afaka manontany an’ Andriamanitra isika [jereo ny Jakoba 1:5,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10) “ Rehefa mahita ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ny Ray any An-danitra antsika isika dia afaka ny hahafantatra Azy sy ny tenantsika bebe kokoa.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Mitaky finoana sy faharetana ny famantarana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy, saingy afaka mitarika anao ao anatin’izany dingana izany ny Tompo. Azonao atao angamba ny mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10 sy misaintsaina ny fomba ahafahan’ Andriamanitra manampy anao hahita ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao. Avy eo dia angataho Andriamanitra ao anatin’ny vavaka ataonao mba hanampy anao hianatra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay nomeny anao. Azonao atao ihany koa ny manontany ireo olona ao amin’ny fianakaviana, namana, ary mpanoro hevitra mba hanampy anao hamantatra ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay nomena anao. Rehefa mahita ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao ianao dia raketo izany mba hahafahanao mahatsiaro azy ireo sy mianatra bebe kokoa momba izany.

  • Rehefa mahita ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananantsika isika dia afaka miasa amin’ny alalantsika ny Tompo mba hitahiana ireo manodidina antsika. Ao amin’ny lahateniny hoe “Manana asa ho anao aho,” ny Loholona John C. Pingree Jr. dia nizara tantara iray momba ny vehivavy iray izay nomena ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba hahatsikaritra ny hafa. Hoy izy, “Nahitany fifaliana ny mahatsikaritra ny fisian’ ireo izay adino matetika, ary niasa tamin’ny alalany Andriamanitra mba hitahiana olona maro.” Avereno jerena ilay fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Mamantatra sy mampivelatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy” ao amin’ny hafatry ny Loholona Pingree. Inona avy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy anananao izay afaka manampy anao hanatanteraka ny asan’ Andriamanitra ho anao? Moa ve misy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy azonao fantarina ka afaka manampy anao amin’ny asa fanompoana ataonao manokana? Soraty izay fahatsapana voarainao ary avy eo dia mandraisa andraikitra amin’izany.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananantsika dia mety tsy ho mazava amintsika tahaka ny an’ny hafa. Ohatra, ny olona sasany dia manana “ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana any amin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana; ny fanomezam-pahasoavan’ny maha-mpianatra; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka; [ary] ny fanomezam-pahasoavan’ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika.” Inona avy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hitanao ao amin’ny vondrona misy anao? Soraty ny zavatra tonga ao an-tsaina, ary avy eo dia ifanakalozy hevitra ny fomba maha-fitahiana ho an’ny rehetra ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Azonao atao ihany koa ny mandray an-tsoratra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy tsikaritry ny vondrona misy anao aminao ary dinio ny fomba ahafahanao mampitombo izany.

Fizarana 3

Manampy antsika ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa ny fikatsahana sy ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

vehivavy iray mandalina ny soratra masina

Manasa antsika hikatsaka amin-kafanam-po ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy tsara indrindra ny Tompo, toy ny finoana, fanantenana ary fiantrana (jereo ny Môrônia 10:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8; jereo koa ny Etera 12:28). Rehefa miezaka mampihatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireo isika dia lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Mahatonga antsika ho afaka hanompo bebe kokoa amin’ny fomba tiany izany mba “ho lasa tanany ny tanantsika, ho lasa masony ny masontsika ary ho lasa fony ny fontsika.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nampianatra ny Loholona Joseph B. Wirthlin hoe: “Mamporisika anao aho handinika ny fiainanao. Fantaro hoe aiza ianao ary inona no tokony hataonao mba ho ilay karazan’olona tianao hisy anao. Mamoròna tanjona manentana ny fanahy sy ambony ary marina izay afon’ny fisaintsainanao sy hamorona fientanentanana ao am-ponao. Ary avy eo dia tazony eo amin’izy ireo ny masonao. Miasà tsy ankiato mba hanatanterahana azy ireo.“ Ahoana no ahafahanao mampihatra io torohevitra io amin’ny fikatsahana sy fampivelarana ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy? Ahoana no ahafahan’ireo fanomezam-pahasoavana ireo manampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa? Azonao atao angamba ny manoratra fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay antenainao hovolavolaina sy hevitra iray mikasika ny fomba ahafahanao manomboka miasa amin’izany. Rehefa mikatsaka ny haka sy hampihatra izany fanomezana izany ianao dia araho maso ny fomba hitahian’izany anao eo amin’ny fiainanao andavanandro sy ny fomba hitahian’izany ny hafa. Azonao atao ihany koa ny manolotra vavaka fankasitrahana mba hanolorana fisaorana noho ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy nomena anao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:32).

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mitaky fampiharana ny fahatongavana ho tahaka an’i Kristy bebe kokoa amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Nilaza ny Loholona Juan Pablo Villar hoe: “Mety hitranga kokoa ny hoe omeny [Ray any an-danira] fahafahana isika hamboly ireny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireny ao amintsika toy izay hoe omeny fotsiny antsika izy ireny kanefa tsy misy ezaka ara-panahy na ara-batana akory. Raha miray feo amin’ny Fanahiny isika dia hahay hamantatra ireny fahafahana azo araraotina ireny ary avy eo manao asa mifanaraka amin’izany.” Jereo ny horonan-tsary “Faith and the Goal” (4:40), ary resaho ny ezaka atao amin’ny fanorenana talenta ara-batana. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ilay asa ilaina mba hambolena fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Inona avy ireo fahafahana azonao hararaotina amin’ny fampiharana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao? Ahoana no ahafahan’ny fiasana amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao manampy azy ireo ho lasa tafiditra ao anatinao?

  • Mety hisy fotoana hahatsiarovantsika ny hampiasa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananantsika sy ireo fotoana hafa izay hanadinoantsika. Tokony ho antenaina izany—tsy misy olona tonga lafatra. Ny tena manan-danja dia ny fanasantsika ny Tompo ao anatin’ilay dingana. Hevero ny hihira ny hira hoe “Ah, donne-moi, Père.” Jereo ny fomba hitalahoan’ny tonon-kira mba hahazoana fanampiana amin’ny fahatongavana tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa. Ahoana no ahafahanao mikatsaka ny fitarihan’ Andriamanitra amin’ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao mba hahatonga anao ho tonga tahaka Azy bebe kokoa? Azonao atao ihany koa ny manoratra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voalaza ao amin’ilay hira ary misafidy ny hianatra misimisy kokoa momba azy ireo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ifanakalozy hevitra ny zavatra hitanao momba ireo fanomezam-pahasoavana sy hevitra anananao momba ny fampivelarana azy ireo.

Hianatra misimisy kokoa