Tahirim-pitaovana
Maharitra hatramin’ny farany


“Maharitra hatramin’ny farany,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

zatovovavy ao an-tanàn-dehibe

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Maharitra hatramin’ny farany

Mijanona ho mahatoky amin’ny fanolorantenantsika amin’ Andriamanitra, na inona na inona mitranga

Alaovy sary an-tsaina hoe hanao hazakazaka lavitra ezaka ianao. Rehefa manomboka ianao dia feno hery ary vonona hiatrika ny asa izay miandry anao. Saingy lavitra ezaka sy mafy ilay hazakazaka. Manomboka tsapa ny havizanana, hatramin’ny harerahana mafy mihitsy aza. Kanefa dia miezaka hatrany ianao ao anatin’ilay fifaninanana, mandroso manao dingana hatrany mandra-pandinganao ny tsipika manamarika ny fahatongavana, ary mirehareha fa naharitra tsara hatramin’ny farany ianao.

Rehefa mandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia manomboka dia iray mandritra ny androm-piainana. Mety mahatsapa ho feno fanantenana sy fahavononana isika indraindray, ary mety ho lava sy sarotra ny lalana amin’ny andro hafa. Saingy tsy milavo lefona isika. Isika kosa dia miantehitra amin’ny fampanantenan’ny Tompo fa tsy handao antsika na hahafoy antsika mihitsy Izy (jereo ny Hebreo 13:5), ary misafidy isan’andro ny “[h]ibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy” isika (2 Nefia 31:20).

Inona no atao hoe faharetana hatramin’ny farany?

Ny faharetana hatramin’ny farany dia midika hoe mijanona ho mahatoky amin’ny fanolorantenantsika amin’ Andriamanitra sy ny didiny mandritra ny fiainantsika. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana fanekempihavanana Aminy, ny fibebahana isan’andro, ary ny fianteherana amin’ny herin’i Jesoa Kristy mba hanampiana antsika handresy ireo fitsapana sy fakam-panahy ary fanoherana. Ireo rehetra izay maharitra hatramin’ny farany dia handray ny fanomezana ny fiainana mandrakizay sy hiverina hiara-hiaina amin’ Andriamanitra (jereo ny Matio 10:22).

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fahafahana misafidy, Fanekempihavanana sy ôrdônansy, Fiainana an-tany

Fizarana 1

Mampanantena Andriamanitra fa hahazo ny fiainana mandrakizay isika raha maharitra hatramin’ny farany

I Kristy sy ilay zatovo mpanan-karena

Ny fanomezana lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra antsika dia ny fanomezana ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Io fanomezana io dia omena ireo izay mandray ny filazantsara sy manolo-tena amin’izany hatrany (jereo ny 3 Nefia 15:9). Ny faharetana hatramin’ny farany dia mihoatra ny fahatafavoahana velona amin’ny fitsapana na fanamby. Izany dia ezaka isan’andro “amin’ny fanatonana an’i Kristy sy ny fahatanterahana ao Aminy” mandritra ny androm-piainana manontolo. Nanamarika ny Loholona Kevin W. Pearson fa “ny maharitra hatramin’ny farany no ilay fizahan-toetra lehibe ho an’ireo mpianatry ny Tompo.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Niaina ilay fizahan-toetra lehibe indrindra amin’ny faharetana hatramin’ny farany i Jesoa Kristy rehefa nijaly noho ny fahotantsika Izy nandritra ny Sorompanavotany. Vakio ny Lioka 22:42 sy ny 3 Nefia 11:11. Inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’i Kristy ka afaka manampy anao haharitra hatramin’ny farany? Ahoana no ahafahanao miantehitra amin’ny Sorompanavotany rehefa miezaka ny haharitra hatramin’ny farany sy hahazo ny fiainana mandrakizay ianao? Raketo izay fahatsapana voarainao, ary avy eo dia tanteraho izany.

  • Ny faharetana hatramin’ny farany dia mety ho toy ny hoe mitaky fotoana ela be—ela tokoa, raha ny marina, ka mety ho toy ny hoe tsy ho vita mihitsy aza raha ny fahatsapana azy. Kanefa rehefa tsaroanao fa ny faharetana hatramin’ny farany dia mandeha tsikelikely, dia mety ho toa tsy dia sarotra loatra izany. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Katsaho ao anatin’ny andro iray isaky ny mandeha ny fitarihan’ Andriamanitra. Sarotra ny miaina ao anatin’ny fiahiahiana ny hoavy fa mora kosa ny miaina ao anatin’ny fiatrehana ny ankehitriny. Afaka ny ho marina ao anatin’ny iray andro isika—dia avy eo mitoetra ho marina indray ny andro aorian’izay ary toy izany hatrany hatrany—mandrapiainantsika fiainana izay tarihin’ny Fanahy, sy fiainana izay manakaiky ny Tompo ary fiainana ahitana ny fanaovana asa tsara sy ny fahamarinana.” Inona avy ireo safidy isan’andro azonao atao mba hijanonana ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahan’ireo safidy ireo manampy anao haharitra hatramin’ny farany? Azonao atao angamba ny misafidy toetra tahaka ny an’i Kristy iray izay tianao hatsaraina ary avy eo dia manasa ny Tompo ombam-bavaka mba hanampy anao hahazo izany rehefa miezaka manaraka Azy isan’andro ianao.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mampianatra ny soratra masina fa hahazo ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny faharetana hatramin’ny farany. Kanefa toy ny ahoana izany faharetana hatramin’ny farany izany? Vakio miaraka ny Romana 2:7; 2 Nefia 31:19–20; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23 ary avy eo dia ifanakalozy hevitra ny zavatra ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba haharetana hatramin’ny farany. Azonareo atao koa ny mihira na mamaky ao anaty vondrona ny fihirana “Saints, en avant! Armés de foi en Christ!” (Cantiques, no. 40) ary avy eo dia miresaka momba izay mety ho tonon-kira manentana anareo hibosesika handroso sy handray ny fanomezana ny fiainana mandrakizay.

  • Ao amin’ny hafany hoe “N’avons-nous pas raison de nous réjouir?” dia nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa tsy voatery haharitra hatramin’ny farany amin’ny herin’ny tenantsika isika. Hoy izy: “Ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy hoe fileferana amin’ny toe-java-tsarotra amin’ny fiainana fotsiny na koa -fijanonana amin’izao fotsiny.- Fivavahana mavitrika ny antsika, manampy ireo zanak’ Andriamanitra eo amin’ilay lalana ety sy tery mba hampivelatra ny zavatra mety ho vitan’izy ireo mandritra ity fiainana ity ka hiverina any Aminy indray andro any.” Jereo miaraka ny ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Uchtdorf ao amin’ilay horonan-tsary hoe “Endure to the End” (2:05). Mizarà hevitra avy eo hahafahana mifanampy mba hijanonana eo amin’ilay lalana izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Azonareo atao ihany koa ny mifampizara zavatra niainana sasantsasany mahakasika ny fotoana nanampian’ny olona iray anareo hiaritra tamim-pahatokiana fitsapana iray.

Hianatra misimisy kokoa