Tahirim-pitaovana
Joseph Smith


“Joseph Smith,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Joseph Smith

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Joseph Smith

Mpaminany voafidin’ Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Nanatanteraka zavatra mahatalanjona ny mpaminany Joseph Smith nandritran’ny fiainany fohy. Amin’ny maha-mpaminany voafidin’ Andriamanitra azy dia nandika ny Bokin’i Môrmôna izy “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” (Teny Fanolorana ny Bokin’i Môrmôna), dia nahazo fahitana sy fanambarana, ary nanorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany. Mety ho sarotra ny mino hoe afaka manao zavatra betsaka toy izany ny olona iray. Saingy nanana iraka masina i Joseph mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary nanomana lalana ho azy ny Tompo mba hanatanterahany ny asany.

Noho ny Mpaminany Joseph Smith dia fantatsika fa tia antsika Andriamanitra ary mbola miresaka amintsika amin’izao fotoana izao. Fantatsika fa manana drafitra ho an’ireo zanany Izy ary nanomana lalana ho azy ireo hiara-hiaina Aminy indray. Ary fantantsika fa ity no asa[ny] sy ny voninahi[ny]—dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39).

Iza i Joseph Smith?

I Joseph Smith zanany dia teraka tamin’ny 1805 tany Vermont, Etazonia. Niantso an’i Joseph Andriamanitra mba ho mpaminany sy hamerina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao. Izy no Filoha voalohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nahazo fahitana sy fanambarana masina ny mpaminany Joseph Smith. Niseho tamin’i Joseph Smith Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Nandray ny fahefan’ny fisoronana avy tamin’ireo iraka avy any an-danitra izy ary nandika ny Bokin’i Môrmôna sy soratra masina fahiny hafa tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra. Matetika i Joseph no nenjehina noho ny fijoroany ho vavolombelona, saingy nijanona ho mahatoky hatramin’ny fiafaran’ny fiainany izy, rehefa novonoin’ny andian’olona mpihetraketraka izy sy i Hyrum rahalahiny tamin’ny 1844.

Topimaso mikasika ny lohahevitra: Joseph Smith

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Mpaminany, Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, Fahitana Voalohany, Bokin’i Môrmôna, Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana

Fizarana 1

I Joseph Smith dia vavolombelona nahita maso an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy.

I Joseph Smith tao amin’ny Fonjan’i Liberty

Fony Joseph Smith 14 taona monja dia nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany izy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–17). Io zava-nitranga io dia fantatra amin’ny hoe Ny Fahitana Voalohany ary nanamarika ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Rehefa nitohy ny fisehoan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tao anatin’ny fahitana hafa i Joseph ary nijoro ho vavolombelona momba Azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24; 137:1–3).

Niatrika fitsapana maro i Joseph ary nohenjehina noho ny zavatra fantany fa marina. Saingy na lehibe toy ny ahoana aza ny fahoriany, dia tsy nandà na ny fijoroany ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy izy na ny hoe nantsoina ho amin’ny asan’ny Tompo izy ( jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:25). Tamin’ny fiafaran’ny fiainany dia nofehezin’ny Mpaminany tamin’ny rany ny fijoroany ho vavolombelona rehefa maty maritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–3; jereo koa ny Olomasina, 1:542–52). Ny fahatokiany tamin’ny asan’ny Tompo dia nanampy tamin’ny fitondrana indray ny filazantsara ho an’ireo zanak’ Andriamanitra teto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:37–38).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny herin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Joseph Smith momba an’i Jesoa Kristy dia voarakitra ao amin’ny soratra masina. Vakio ny fijoroany ho vavolombelona ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–4. Saintsaino ny zavatra ianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo. Avy eo dia saintsaino ny fijoroanao ho vavolombelona anananao manokana momba ny Mpamonjy (jereo ny 2 Nefia 31:18). Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany Joseph Smith momba an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana? Azonao atao ihany koa ny mirakitra ny fijoroana ho vavolombelona anananao na ireo zavatra niainanao manokana izay nitondra anao hanakaiky kokoa ny Tompo.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Tamin’ny faha 14 taonany dia nahita voalohany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Joseph Smith. Hianaro ny momba io fahitana io amin’ny alalan’ny famakiana miaraka ny Joseph Smith—Tantara 1:14–20 . Inona no azontsika ianarana mikasika an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy avy amin’io tantara io? Ahoana no niovan’izao tontolo izao noho ny tenivavolombelon’i Joseph? Zarao ny eritreritrao ary avy eo dia jereo ny horonan-tsary “#HearHim: Listen to the Voice of Jesus Christ” (1:47) miaraka amin’ny vondrona. Ahoana no fomba hihainoanao ny feon’ny Mpamonjy? (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24; 8:2–3; 9:8–9; 11:12–13). Ifanakalozy hevitra ny eritreritrao ary avy eo dia resaho ny fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao eo amin’ny hafa rehefa mihaino ny Mpamonjy tahaka ny nataon’i Joseph ianao.

  • Ny teny vavolombelon’i Joseph dia tafiditra ao amin’ny “Ilay Kristy velona: Teny vavolombelon’ny Apôstôly.” Iaraho mamaky ny fijoroana ho vavolombelon’ny Mpaminany ao anatin’ilay fanambarana ary ifanakalozy hevitra ny fampahalalana ara-tantara momba ireo fahitana azony. Azonao atao ihany koa ny manao tsianjery ny fijoroana ho vavolombelon’ny Mpaminany ao anatin’ny vondrona iray. Azonao atao angamba ny mitanisa mafy ireo teny ary mampiasa sary avy ao amin’ny Tranombokin’ny Haino aman-jery an’ny Fiangonana na mamorona fitaovana hafa jeren’ny maso mba hanampiana anao. Resaho ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ny tenivavolombelon’ny Mpaminany mampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ho loharanon’ny hery, famporisihana, fankaherezana, ary fampiononana.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Nofinidin’ Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Joseph Smith.

I Joseph Smith nandohalika tao amin’ny ala kely masina

Nisafidy ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17; 27:13; “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” Médiathèque de l’Évangile). Tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra no nandikan’i Joseph ny Bokin’i Môrmôna ary namoahany soratra masina fanampiny (jereo ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3). Nanorina Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy nandray ny fahefan’ny fisoronana izy ary nanomana ny Olomasina hanangana an’i Ziona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1; Olomasina, 1:108–9).

Noho ny asa nanirahana an’i Joseph Smith dia fantatsika fa manana drafitra ho an’ny zanany Andriamanitra ary afaka mandray ireo ôrdônansy isika ary manao fanekempihavanana Aminy ao amin’ny tranon’ny Tompo. Ny asan’i Joseph dia nametraka ny fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany, ka namela ny Fiangonana handroso eo ambany fitarihan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara nentanim-panahy (jereo ny Olomasina, 1:519–20).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Jeffrey R. Holland hoe: “Fantatro fa i Joseph Smith, izay niaiky fa tsy tanteraka, no fitaovana nofinidy teo am-pelatanan’ Andriamanitra namerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara mandrakizay teto an-tany. Fantatro koa fa ny fanaovany izany—indrindra indrindra tamin’ny nandikany ny Bokin’i Môrmôna—dia nampianatra ahy bebe kokoa mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra, sy ny maha Andriamanitra an’i Kristy, ary ny herin’ny fisoronana mihoatra noho izay mpaminany hafa rehetra efa novakiako na fantatro na henoko ny momba azy hatrizay, nandritra ny androm-piainana nikatsahana.” Inona no nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith anao momba ny fitiavan’ Andriamanitra, ny maha-Andriamanitra an’i Kristy, ary ny herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana no ijoroan’ireo fampianarana ireo ho vavolombelona aminao fa i Joseph Smith dia voafidin’ Andriamanitra? Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana mety voarainao.

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mahazo fitahiana maro isika satria naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny filazantsara. Miezaha mamorona lisitr’ireo fitahiana ireo ao anatin’ny vondrona iray. Azonao atomboka amin’ireo voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Ireo teny avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson dia afaka manome anao hevitra vitsivitsy ihany koa: “[Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara] dia midika fa afaka ny hofehezina miaraka mandrakizay ianao sy ny fianakavianao! Midika izany fa noho ianao vita batisa tamin’ny alalan’ny olona iray izay manana fahefana avy amin’i Jesoa Kristy ka noraisina ho mpikamban’ny Fiangonany, dia afaka mianoka ny fananana mandrakariva ny Fanahy Masina ho namanao. Hitarika sy hiaro anao Izy. Midika izany fa tsy ho avela na oviana na oviana ho tsy hisy mpankahery ianao na ho tsy afaka hahazo ny herin’ Andriamanitra hanampy anao. Midika izany fa ny herin’ny fisoronana dia afaka mitahy anao rehefa mandray ireo ôrdônansy ilaina ianao ary manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ka manaja izany.” Avy eo dia resaho ny fomba ahafahanao maneho ny fankasitrahanao ny zavatra nomen’ny Tompo anao tamin’ny alalan’ny mpaminaniny Joseph Smith.

  • Fantatrao ve fa nisy mpaminany iray hafa nantsoina hoe Josefa, izay niaina taloha, nahita ny asa nanirahana an’i Joseph Smith? Vakio ny 2 Nefia 3:6–15 mba hahafantarana ny zavatra naminanian’i Josefa tany Egypta momba an’i Joseph Smith sy ny asany manan-danja. Inona avy ireo teny ampiasaina mba hamaritana an’i Joseph Smith ao amin’ireo andininy ireo? Inona no nanomanan’ Andriamanitra azy mba ho ataony? Miresaha amin’olona iray hafa momba ny zavatra hitanao. Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’io faminaniana io sy ny fomba niavian’izy ireo tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenanao manokana ianao fa Joseph Smith dia mpaminanin’ Andriamanitra.

ankizilahy iray mandohalika mivavaka

Mitaona fanahy ny mieritreritra fa fony izy zazalahy 14 taona, dia nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Joseph. Saingy inona no nitranga talohan’ny nandraisan’i Joseph ny Fahitana Voalohany? Nisaintsaina ny soratra masina izy, naniry fahendrena avy amin’ Andriamanitra, ary nivavaka mba hahazo ny fitarihany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10–19). Ny tantaran’i Joseph dia mampahatsiahy antsika fa isika koa dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany—anisan’izany Joseph Smith voantso hamerina izany amin’ny laoniny. Na dia mety ho tonga tsikelikely aza io tenivavolombelona io fa tsy amin’ny tranga iray miavaka, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia afaka mahafantatra ny Fahamarinan’ny zava-drehetra isika (jereo ny Môrônia 10:5).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Maro ireo fomba ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona manokana fa i Joseph Smith dia mpaminany. Hoy ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Mety ho tonga izany rehefa mandohalika mivavaka ianao ary mangataka amin’ Andriamanitra mba hanamafisany fa mpaminany marina i Joseph Smith. Mety ho tonga izany rehefa mamaky ny fitantaran’ny Mpaminany ny Fahitana Voalohany ianao. Mety hitsika ao amin’ny fanahinao ny fijoroana ho vavolombelona iray rehefa mamerimberina mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. Mety ho tonga izany rehefa mizara ny fijoroanao ho vavolombelona manokana mikasika ny Mpaminany ianao, na rehefa mijoro ao amin’ny tempoly ianao ka mahafantatra fa naverina tamin’ny laoniny teto ambonin’ny tany tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny hery masin’ny famehezana.” Eritrereto ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny anjara asan’i Joseph Smith amin’ny maha mpaminanin’ Andriamanitra azy. Inona no nanampy anao hino ny antsony masina? Inona koa no mety ho azonao atao mba hahazoana na hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mpaminany izy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ny fijoroana ho vavolombelona manokana fa Joseph Smith dia mpaminanin’ Andriamanitra dia tsy tonga amintsika fotsiny—zavatra mitaky asa avy amintsika izany. Azonao atao ny manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny antson’i Joseph amin’ny alalan’ny fizarana soratra masina iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny vondrona misy anao ary miresaka momba ny maha-fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra an’i Joseph mba hahatonga izany soratra masina izany ho antsika. Azonareo atao koa ny mifandimby mirakitra ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Mpaminany avy ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ary avy eo dia mihaino izany na mizara izany amin’ny hafa. Ahoana no hampatanjahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Joseph ny finoanao fa nantsoin’ Andriamanitra i Joseph?

  • Afaka mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny antso masin’i Joseph Smith mandritra ny fiainantsika isika. Angamba ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny anjara asany dia tsapa ho matanjaka kokoa amin’ny fotoana sasantsasany noho ny amin’ny hafa. Azonareo atao ny miara-mamaky ity torohevitry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity: “Manasa anao aho mba hiato kely, hanombantombanana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny fanamoranao ny hoe maha-mpianatra.” Hevero ny hamantatra ny fomba iharan’ny torohevitry ny Filoha Uchtdorf amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph amin’ny alalan’ny fijerena sary iray izay mifanaraka amin’ny antsipiriany iray. Resaho miaraka ny endrik’izany sary izany. Avy eo dia jereo avy lavitra kokoa ilay sary mba hanehoana ny sary iray manontolo. Inona no tsy mampitovy ilay sary tamin’ny teo aloha? Inona no ampianarin’io ohatra io anao momba ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny antso masin’i Joseph Smith Mpaminany?

Hianatra misimisy kokoa

Fanamarihana

  1. Jereo ny Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 (2018), 384–90.

  2. Jereo ny Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88.

  3. Jeffrey R. Holland, “Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 95.

  4. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” 88.

  5. Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 30.

  6. Jereo ny L. Whitney Clayton, “Safidio ny hino,” Liahona,, mey 2015, 38.

  7. Jereo Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” 30.

  8. Dieter F. Uchtdorf, “Mitondra soa izany!,” Liahona, nôv. 2015, 22.