“Bokin’i Môrmôna,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Bokin’i Môrmôna
Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy
Nanoratra ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny olona amin’izao androntsika izao ireo mpaminany fahiny. Amin’ny maha-soratra masina miara-miasa amin’ny Baiboly azy dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Ireo izay mamaky sy mandalina amin-kitsimpo ilay boky dia hahatsapa ny Fanahy Masina sy hahita ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra mahakasika ny fiainana. Amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mahafantatra manokana ny olona fa velona Andriamanitra, tia azy ireo Izy, ary naverina tamin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Nanasa matetika ny mpikamban’ny Fiangonana ireo mpaminany maoderina mba handalina tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra ny Filoha Russell M. Nelson dia nanambara hoe: “Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao.”
Inona no atao hoe Bokin’i Môrmôna?
Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, dia bokin-tsoratra masina iray. Ahitana ny asa soratr’ireo mpaminany fahiny izay niaina tany amin’ny ila bolantany Andrefana izany. Amin’ny maha-mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny azy dia nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra i Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3). Ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny Baiboly dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsara (jereo ny Ezekiela 37:15–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8–9). Ny Bokin’i Môrmôna koa dia porofo maneho ilay antso maha-mpaminany an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.
Topimaso momba ny lohahevitra: Bokin’i Môrmôna
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Soratra masina, Baiboly, Joseph Smith, Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara
Fizarana 1
Mijoro ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra izao tontolo izao
Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mandray ny Baiboly ho soratra masina. Ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia samy vavolombelon’i Jesoa Kristy sy ny asany mba hanatanteraka ny famonjena ireo zanak’ Andriamanitra. Ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratan’ireo mpaminanin’ Andriamanitra tany Amerika ary mijoro ho testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana ny “fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” ary manamafy amin’izao tontolo izao fa marina ireo tantara momba an’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny izay hita ao amin’ny Baiboly (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8–12). Ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny Baiboly dia manampy ny olona hahatakatra mazava kokoa ny drafitr’ Andriamanitra sy hanomana azy ireo hanaraka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Ezekiela 37:15–17; 2 Nefia 3:12).
Fitahiana lehibe ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra ankehitriny ny Bokin’i Môrmôna. Mirakitra ny tenin’i Jesoa Kristy izany (jereo ny 2 Nefia 33:10). Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
“[Ny Bokin’i Môrmôna] dia mirakitra ny valin’ireo fanontaniana tena manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana. Mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy izany. Mamelabelatra sy manazava fahamarinana “tsotra sy sarobidy” [jereo ny 1 Nefia 13:29–33] maro izay very nandritra ny taonjato maro sy noho ny dikantenin’ny Baiboly isan-karazany izany.
“Ny Bokin’i Môrmôna dia mitondra ny fahatakarana feno sy mari-pototra momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay tsy hita na aiza na aiza. … Ny hery rehetran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Izay no izy”.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nampianatra i Joseph Smith fa ny Bokin’i Môrmôna no “vato ifaharan’ny fivavahantsika” (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 64). Ao amin’ny hairafitrano, ny vato ifaharana dia vato iray miendri-pantsika eo afovoan’ny andohalambo iray, izay mitazona ireo vato hafa eo amin’ny toerany ary manakana ny andohalambo tsy hirodana. Tahaka ny vato ifaharana ao amin’ny hairafitrano, ny Bokin’i Môrmôna dia fototry ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Ahoana ny fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo lafin-javatra hafa ao amin’ny filazantsara?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ny hafatra fototry ny Bokin’i Môrmôna dia hoe i Jesoa no Kristy. Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hamaky ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ka hifantoka manokana amin’ny andiam-pehezan-teny faharoa. Ahoana no fomba hanamafisan’ny pejin-dohateny ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna? Mety hanampy koa ireto soratra masina manaraka ireto: 1 Nefia 6:4; Jakoba 1:7; Ômnia 1:26; 3 Nefia 11:13–17; Môrônia 10:32–33. Nahoana no zava-dehibe ny manampy ny hafa hahatakatra fa ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy?
Hianatra misimisy kokoa
-
2 Nefia 29:1–13; 33:10–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12; Joseph Smith—Tantara 1:34; Fanekem-pinoana 1:8
-
Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 60–63
-
“Chapter 9: The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson (2014), 125–34
Fizarana 2
Tonga tamin’ny fomba mahagaga ny Bokin’i Môrmôna
Tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny no nitondrana ny Bokin’i Môrmôna. Ilay boky dia noraketin’ireo mpaminany Amerikana fahiny teo amin’ny takelaka metaly tany am-boalohany. Nandritra ny taonjato maro dia nilevina teo akaikin’ny tranon’i Joseph Smith tany New York tany États-Unis izany, mandra-panoroan’i Môrônia, izay iraka avy any an-danitra, an’i Joseph Smith ny toerana hahitana izany. Nisy fitaovana iray nandikana ilay rakitsoratra, ny Orima sy Tomima, izay notehirizina niaraka tamin’ireo takelaka koa niaraka tamin’ireo vakoka fahiny (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:30–35).
Na dia 23 taona monja aza i Joseph Smith ary zara raha nandia fianarana dia nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Anglisy izy ka teo amin’ny valo pejy isan’andro teo ny fandikana vitany. Tsy nahatakatra ny dikan’ny ireo fiteny fahiny izy ary tsy nampiasa fanovozan-kevitra. Vitany tao anatin’ny 85 andro teo ho eo ny fandikana ilay boky iray manontolo. Rehefa nanontany ny olona hoe ahoana no nahafahany nandika teny, dia nilaza tsotra fotsiny i Joseph fa izany dia natao “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna; jereo koa ny Russell M. Nelson, “A Treasured Testament,” Ensign, jolay 1993).
Navoaka tamin’ny teny Anglisy andro vitsivitsy monja talohan’ny nanorenana ny Fiangonana tamin’ny taona 1830 ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Sujets de l’histoire de l’Église, “L’impression et la publication du Livre de Mormon,” Médiathèque de l’Évangile). Ankehitriny ny Bokin’i Môrmôna dia efa voadika amin’ny fiteny mihoatra ny 100 ary ampiasaina manerana izao tontolo izao.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nodidina i Joseph Smith mba hitahiry tsara ireo takelaka. Raha ny marina dia olona vitsy ihany no nahita ireo takelaka nandritra ny fizotran’ny fandikana. Na izany aza dia nasaina nampiseho ireo takelaka tamin’ny vitsivitsy tamin’ireo mpiara-miasa taminy akaiky i Joseph Smith. Ireo olona ireo dia lasa fantatra tamin’ny fomba ôfisialy hoe “Ireo Vavolombelona Telo” sy “Ireo Vavolombelona Valo.” Azonao vakina ao amin’ny “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” sy “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo” ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Nahoana no zava-dehibe ny manampy ny hafa mba hahafantatra ny zavatra niainan’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo? Inona no mety hataonao mba hizarana amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao momba ny Bokin’i Môrmôna?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Na dia maro aza ireo olona nanontany tena hoe toy ny ahoana ny dingana narahina tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, dia fampahalalana kely manokana no nomen’i Joseph Smith momba izany ankoatra ny filazana fa nadika “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” izany (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3). Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hamaky ny “La traduction du Livre de Mormon” ao amin’ny Sujets de l’histoire de l’Église (Médiathèque de l’Évangile). Anontanio izay hevi-baovao azon’izy ireo tamin’ny alalan’ny famakiana izany. Nahoana araka ny eritreritrao no nanamafy “ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” i Joseph Smith rehefa niresaka momba ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna?
Hianatra misimisy kokoa
-
Isaia 29:11–14, 18–19; Joseph Smith—Tantara 1:30–35, 42–54
-
Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 21–30, 39–64
-
Russell M. Nelson, “A Treasured Testament,” Ensign, jolay 1993
-
“Days of Harmony” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile
Fizarana 3
Afaka mahafantatra manokana ianao fa marina ny Bokin’i Môrmôna
Dingana atao mandritra ny androm-piainana ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy. Tsy mitovy ny toerana misy antsika tsirairay avy eo amin’ilay lalana ara-panahy miverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Saingy na aiza na aiza misy anareo eo amin’izany lalana izany dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa Azy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Feno hery manova fo ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 5:7; 31:5). Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy anao hisoroka ny famitahan’izao tontolo izao sy afaka mitarika anao eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiarovana ara-panahy (jereo ny 1 Nefia 15:24; Helamàna 3:29–30).
Noho ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna dia nanantitrantitra ireo mpanompon’ny Tompo fa tokony hikatsaka ny hahafantatra manokana fa marina ny Bokin’i Môrmôna ny mpikambana rehetra ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Milaza ny ao amin’ny Teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Manainga ny olona rehetra izahay, na aiza na aiza misy azy, hamaky ny Bokin’i Môrmôna, hisaintsaina ao am-pony ny hafatra raketiny, ary avy eo dia hanontany an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha marina ny boky. Ireo izay manaraka izany torolalana izany, ka mangataka amin’ny finoana dia hahazo ny fanambaran’ny fahamarinany sy ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. (Jereo ny Môrônia 10:3–5.)”
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy afaka ny hanana finoana feno ao anatin’ity asan’ny andro farany ity ny olona iray, ary avy eo hahazo fiadanana sy fampaherezana tena lehibe amin’izao androntsika izao, raha tsy efa mahafantatra ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna izy sy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy Tompo izay momba Azy no ijoroan’izany ho vavolombelona. Inona no fiantraikany nentin’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ny Bokin’i Môrmôna dia fitaovana iray nomanin’ Andriamanitra hitondrana fiovam-po izay manana hery hanovana ny saina sy ny fo ary ny fiainana rehefa mampifanaraka ny toetrantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany isika. Vakio miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity:
“Ny Bokin’i Môrmôna dia fitaovana iray izay narafitr’ Andriamanitra mba –[hipaohana] ny tany toy ny amin’ny tondra-drano, [ary hanangonana] ny olom-boafidi[ny].– (Mosesy 7:62.) Io bokin-tsoratra masina io dia ilaina mba ho lasa manan-danja kokoa eo amin’ny fitoriantsika ny teny sy ny fampianarantsika ary ny asa fitoriana ataontsika. …
“Manasa antsika rehetra aho mba hieritreritra ombam-bavaka ireo dingana izay azontsika atao manokana mba hitondrana ity tenivavolombelona vaovao momba an’i Kristy ity ho eo amin’ny fiainantsika manokana sy ho ao anatin’ity izao tontolo izao ity izay tena mila izany mafy.”
Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika manampy ny Tompo ao amin’ny asany mba hanapariahana ny Bokin’i Môrmôna manerana ny tany?
Hianatra misimisy kokoa
-
2 Nefia 25:17–18; Etera 4:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8–15
-
Jeffrey R. Holland, “Safety for the Soul,” Liahona, nôv. 2009, 88–90
-
Ronald A. Rasband, “Anio,” Liahona, nôv. 2022, 25–27
-
Michael T. Ringwood, “You Can Know for Yourself,” Ensign, feb. 2017, 66–69
Loharanom-pitaovana hafa momba ny Bokin’i Môrmôna
-
Loharanom-pitaovana ho an’ny ankizy