Tahirim-pitaovana
Baiboly


“Baiboly,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

zatovovavy mamaky soratra masina

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Baiboly

Mampianatra finoana an’i Jesoa Kristy amin’olona an-tapitrisany

Ireo tantara ao amin’ny Baiboly dia nitranga an’arivon-taona maro lasa izay. Mamariparitra olona, kolontsaina ary toe-javatra izay matetika tena tsy mitovy amin’ny antsika amin’izao fotoana izao izany. Saingy rehefa mandalina ny Baiboly isika dia mahita fa ny ankamaroan’izany dia zavatra efa mahazatra. Mamaky momba ireo fianakaviana izay miaina fifaliana sy fifandirana isika, ireo olona izay mifikitra amin’ny finoan’izy ireo eo anatrehan’ny fahadisoam-panantenana, ary firenena izay miaina ady sy loza voajanahary. Ankoatra izany dia mamaky momba ireo olona izay mikatsaka fifandraisana amin’ Andriamanitra isika ary mahita izany amin’ny alalan’ny finoany sy ny fanantenany an’i Jesoa Kristy.

Inona no atao hoe Baiboly?

Ny Baiboly dia tenin’ Andriamanitra. Mirakitra ny asa soratr’ireo mpaminany sy ireo mpanoratra nentanim-panahy hafa izany nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy i Eva ka hatramin’ny andron’ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ireo asa soratra ireo dia ahitana ireo didin’ Andriamanitra, ireo fanekempihavanany, ireo fanambarany, ary ireo fifandraisany tamin’ireo zanany. Mizara roa ny Baiboly: ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ao amin’ny Testamenta Taloha dia mijoro ho vavolombelona momba ny fiavian’ny Mpamonjy ireo mpaminany. Ny Testamenta Vaovao dia rakitsoratra momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoana nataony.

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Soratra Masina, Bokin’i Mômôna, Mpaminany, Fanambarana, Joseph Smith

Fizarana 1

Tenin’ Andriamanitra sy vavolombelona iray momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly

fidiran’i Kristy tamim-boninahitra

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manome lanja sy manaja ny Baiboly amin’ny maha-tenin’ Andriamanitra izany isika. Mianatra ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika ao amin’ny Baiboly, izay ahitana ny didiny sy ny fampianarany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12).

I Jesoa Kristy no tena ifantohan’ny Baiboly. Antsoina amin’ny anarana maro izy ao anatin’ireo pejy mandrafitra izany toy ny hoe Jehovah, Tompo Andriamanitra, Mpanavotra, ilay Iray Masin’i Isiraely, Emanoela, ary Zanak’ondrin’ Andriamanitra. Ny asa nanirahana azy teto an-tany dia efa nambaran’ireo mpaminany mialoha tao amin’ny Testamenta Taloha, ary ny Testamenta Vaovao dia mizara ireo tantara izay nahitana maso izany asa nanirahana izany (jereo ny Isaia 9:6; Jaona 20:31). Ny Baiboly dia mijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra antsika izay naseho tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay nanao izay ahafahantsika mahazo famelana ny fahotantsika sy miverina miara-miaina eo anatrehan’ Andriamanitra. Afaka mahazo fampiononana sy fitarihana isika ao anatin’ny fandalinana ny Baiboly rehefa miezaka ny ho mpanara-dia an’i Kristy.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza izao mahakasika ny Baiboly: “Izay mamaky izany tena matetika dia ho tena tia izany ary izay mahafantatra ny ao anatin’izany dia hahafantatra ny tanan’ [Andriamanitra] na aiza na aiza ahafahany mahita izany.” Ahoana no fomba nanamafisan’ny Baiboly ny finoanao an’i Jesoa Kristy? Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra rehefa mamaky izany ianao? Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny fomba fahitanao ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainan’ireo olona izay niaina tamin’ny andro fahiny sy ny fomba nahitanao ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainanao ankehitriny.

  • Rehefa mikatsaka fahendrena na fitarihana ianao dia afaka mahazo toromarika amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra. Azonao vakina ny Ohabolana 3:5–6; Jeremia 29:12–13; Jaona 14:23; Kolosiana 3:16; ary ny Jakoba 1:5 mba hahitana ohatra momba ny fomba hanomezan’ny Tompo fitarihana antsika amin’ny alalan’ny Baiboly. Manorata andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Baiboly avy eo izay nanome anao fanantenana sy toromarika.

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Afaka mahafatantatra ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny Baiboly izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hiaraka hamaky ny Eksodosy 3:6–14; Matio 3:13–17; ary ny Lioka 2:25–38 mba hahitana ohatra momba ny fomba ijoroan’ny Baiboly ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Afaka mijery horonan-tsary momba ny Baiboly mikasika ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy koa ianareo. Mifanakaloza hevitra mikasika ny zavatra nianaranareo avy amin’ireo tantara momba ny asa masina nanirahana an’i Kristy ireo. Ahoana no fomba ijoroan’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ho vavolombelona fa i Jesoa no Mpamonjy antsika sy Mpanavotra antsika?

  • Ny sasany tamin’ireo zava-nitranga lehibe sy ireo fanambarana tao anatin’izao andro farany izao dia tonga rehefa nandalina ny Baiboly ireo mpaminany. Vakio sy ifanakalozy hevitra ny sasany tamin’ireo zava-nitranga tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana ireo izay voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:10–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:11–20; ary ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11. Azon’ny vondrona atao avy eo ny miaraka mihira fihirana vitsivitsy momba ny Famerenana amin’ny laoniny toy ny “Vavaka voalohany nataon’i Joseph Smith” na “Fanahin’ny Ray.”

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Narovan’ Andriamanitra ny Baiboly masina mba hitahiana ireo zanany

fianakaviana mandalina ny soratra masina

Tena fahagagana ny fananantsika ny Baiboly amin’izao fotoana izao mba hohalalinina sy hianarana. Noho ny Tompo sy ireo olona be herimpo tao anatin’ny tantara dia afaka mianatra avy amin’io rakitsoratra miavaka io isika “izay nampitodika ny fon’ny olona nandritra ny taonjato maro, nitarika azy ireo hivavaka, hisafidy ny lalana marina, ary hitady ilay Mpamonjiny. … Manampy antsika hahatsapa ny Fanahin’ Andriamanitra io boky masina io.

Ny Baiboly dia nosoratana tamin’ny teny Hebreo, Grika ary Aramaika tany am-boalohany. Saingy taorian’ireo taonjato maro sy ireo fanitsiana maro natao tamin’ilay boky dia nisy fahamarinana tsotra sy sarobidy sasantsasany very (jereo ny 1 Nefia 13:26–29; Fanekem-pinoana 1:8). Noho izany dia nanome torolalana ny Mpaminany Joseph Smith Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo ao anatin’ilay antsoina amin’izao fotoana izao hoe Fandikan’i Joseph Smith ny Baiboly. Ny dikantenin’ny Mpaminany izay azo avy amin’ny fanentanam-panahy dia maneho ny maha-zava-dehibe eo anatrehan’ny Tompo ny fahatakaran’ireo zanany araka ny tokony ho izy ny Baiboly sy ny fampianarany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Naharitra ela dia ela tao anatin’ny vanim-potoana maro ny tenin’ Andriamanitra mba hitahiana ny zanany ary tsy manam-petra ny teniny. Azonao vakina ny Isaia 40:8; Jaona 1:1; ary 1 Petera 1:25 mba hianarana ny maha-mandrakizay ny teniny. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Ahoana no fomba amporisihan’izany anao mba hampitombo ny fanolorantenanao handalina ny Babiboly?

  • Nahatsapa i Joseph Smith fa ny fanaovana fanitsiana azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny Baiboly dia tafiditra tao anatin’ilay antsony amin’ny maha-mpaminany azy. Na dia efa vitany aza ny ankamaroan’ny fandikany ny Baiboly tamin’ny 1833, dia nisy fanovana nataony teo amin’ny asany mba hamoahana izany mandra-pahafatiny tamin’ny 1844. Hevero ny hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 4:1–11; Matio 18:11; ary ny Marka 16:3–6. Inona no fanovana nentin’ireo fanitsiana ireo teo amin’ny fahatakaranao ny andinin-tsoratra masina tsirairay? Nahoana no zava-dehibe aminao ny namerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana ireo?

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Noho ny Baiboly dia “olona am-polony tapitrisa no lasa nanana finoana an’ Andriamanitra sy an’i Jesoa Kristy.” Inona no zavatra nitondra ny Baiboly nankany amina olona maro dia maro toy izany?

Afaka mizara ny zavatra tsapanareo momba ireo olona izay nanampy mba hahazoantsika ny Baiboly ankehitriny ianareo. Inona no fiantraikan’ny tantaran’izy ireo eo amin’ny fomba fieritreretanareo ny Baiboly sy ny fandalinanareo izany?

Hianatra misimisy kokoa

  • 2 Timoty 3:15–17; Almà 37:6–10

  • Robert D. Hales, “Preparations for the Restoration and the Second Coming: ‘My Hand Shall Be over Thee,’” Liahona, nôv. 2005, 89–90

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikantenin’i Joseph Smith (DJS),” Médiathèque de l’Évangile

  • Sujets de l’histoire de l’Église, “Traduction de la Bible par Joseph Smith,” Médiathèque de l’Évangile

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 66.

  2. M. Russell Ballard, “The Miracle of the Holy Bible,” Liahona, mey 2007, 80.

  3. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikantenin’i Joseph Smith (DJS),” Médiathèque de l’Évangile.

  4. M. Russell Ballard, “The Miracle of the Holy Bible,” 81.