Tahirim-pitaovana
Fanekempihavanana maharitra mandrakizay


“Fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

I Abrahama mandohalika mivavaka

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fanekempihavanana maharitra mandrakizay

Ny fanekempihavanana vaovao sy tsy manam-pahataperana ataontsika amin’ Andriamanitra

Moa ve efa nisy olona akaikin’ny fo iray nampanantena ny hanao zavatra ho anao izay tena hitahy ny fiainanao? Inona no tsapanao rehefa nitazona izany fampanantenana izany izy ireo?

Manao fampanantenana mahatalanjona ho antsika koa ny Ray any An-danitra. Mitranga izany rehefa manao fampanantenana masina na fanekempihavanana miaraka Aminy isika rehefa mandray ireo ôrdônansy mitondra any amin’ny famonjena sy ny fisandratana ao amin’ny filazantsarany. Talohan’ny nahariana izao tontolo izao mihitsy aza dia efa nampanantena Andriamanitra fa afaka miverina sy miara-miaina Aminy isika raha toa ka manaraka an’i Jesoa Kristy Zanany. Tamin’i Adama no nanaovana voalohany io fanekempihavanana maharitra mandrakizay io ary avy eo dia nohavaozina tao anatin’ireo fotoampitantanana nanaraka taorian’izany.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa tena voatahy isika rehefa misafidy ny hiditra ao amina fifandraisana mifono fanekempihavanana amin’ Andriamanitra: “Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy. Raha ny marina, ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana. … Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika”.

Inona no atao hoe fanekempihavanana maharitra mandrakizay?

Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay izay fantatra koa amin’ny hoe fanekempihavanan’i Abrahama, dia ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary ahitana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra izay ilaintsika mba hahazoana ny famonjena sy ny fisandratana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:2). “–Vaovao– izany isaky ny havaozin’ny Tompo na haveriny amin’ny laoniny, ary –maharitra mandrakizay– satria tsy miova. Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay dia napetraka teto an-tany tamin’ny alalan’i Adama ary nohavaozin’ Andriamanitra vao haingana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izay anisan’ny mandrafitra ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao andro farany izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–23).

Topimaso momba ny lohahevitra: Fanekempihavanan’i Abrahama

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, Fanekempihavanana sy ôrdônansy, Tempoly, Fanambadiana, Tsodranon’ny patriarika, Fanangonana an’i Isiraely

Fizarana 1

Manomana antsika amin’ny fiainana mandrakizay ny fitandremana ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay

zatovo eo ivelan’ny tempoly

Naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay, dia ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, “ho fahazavana ho an’izao tontolo izao” ary “hanomana ny lalana” amin’ny fiaviany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9). Mba handraisana ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay dia apetratsika ho lohalaharana Andriamanitra ary tandremantsika ireo fanekempihavanan’ny filazantsara natao Taminy. Nampianatra ny Filoha Nelson fa ireo fanekempihavanantsika, manomboka amin’ny fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny batisa dia “hitarika antsika hanakaiky an’ [Andriamanitra] kokoa hatrany” ary afaka mamatotra antsika amin’ny “fifandraisana misy fatotra mandrakizay” izy ireo.

Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay izay ataontsika amin’ Andriamanitra dia hamatotra mandrakizay rehefa mitandrina izany isika. Raha mitoetra ho mahatoky amin’io fanekempihavanana io isika mandritra ny fiainantsika dia afaka ny hasandratra sy hiverina hiaina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra miaraka amin’ny fianakaviantsika.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:57–62 mikasika ny famerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Inona no mety ho dikan’ilay hoe, izany dia nentina tao anatin’ny “fahazavana sy fahatsorana”? Eritrereto ny fomba hanomanan’io fanekempihavanana maharitra mandrakizay izay tsotra nefa mahafinaritra io anao mba hahazo fiainana mandrakizay. Nahoana no mamporisika anao hanampy ny Tompo amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ny fahatakarana io fahafahana ho tonga amin’izany tanjona izany io?

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1–4, ny Tompo dia milaza fa nanavao ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay tamin’ireo Olomasina tany am-piandohana Izy. Vakio miaraka ny sasin-tenin’ny fizarana sy ireo andininy ireo, ary ifanakalozy hevitra ny zavatra ianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fanekempihavanana “vaovao” iray. Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “asa maty”? Resaho ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny andininy 3 momba ny maha-zava-dehibe ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay.

  • Noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay isika raha mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika Taminy. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ireo izay manao fanekempihavanana masina ary mitandrina izany dia ampanantenaina fiainana mandrakizay sy fisandratana, –ny fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra– (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). I Jesoa Kristy no mpiantoka ireo fanekempihavanana ireo (jereo ny Hebreo 7:22; 8:6). Ireo mpitandrina fanekempihavanana izay tia an’ Andriamanitra sy mamela Azy hanjaka amin’ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainany dia manao Azy ho ilay fitaomana mahery vaika indrindra eo amin’ny fiainany. Resaho ny fomba ahafahanao mamela an’ Andriamanitra “hanjaka amin’ny zavatra hafa rehetra” eo amin’ny fiainanao. Ahoana no hanampian’izany anao hahazo ny fiainana mandrakizay, ary nahoana no mendrika ny hanaovana fiezahana ny fandraisana ny fisandratana?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ireo fampanantenana fonosin’ny Fanekempihavanan’i Abrahama amin’izao androntsika izao

Tempolin’i Helena Montana

Ny fanekempihavanan’i Abrahama no anarana iray hafa iantsoana ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay. Napetraka talohan’ny nanorenana izao tontolo izao izany ary entina ilazana ireo fanekempihavanana ataon’ Andriamanitra amin’ireo zanany. Ilay anarany dia avy amin’ny fanekempihavanana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama (jereo ny Genesisy 17:1–8; Abrahama 2:6–11). Tao anatin’izany fanekempihavanana izany dia nampanantena fitahiana lehibe an’i Abrahama Andriamanitra noho ny fiainana amim-pahamarinana. Tafiditra ao anatin’ireo fitahiana ireo ny fananana taranaka hitohy mandrakizay, ny zo hanana ny fisoronana ary tany lova hatrany amin’ny mandrakizay (jereo ny Genesisy 13:14–17; Abrahama 2:8–11).

Ny fanekempihavanan’i Abrahama dia nampitaina tany amin’i Isaka zanakalahin’i Abrahama (jereo ny Genesisy 26:1–4) ary avy eo tany amin’i Jakoba zanak’i Isaka (jereo ny Genesisy 28:1, 13–14). Novain’ny Tompo ho Isiraely ny anaran’i Jakoba (jereo ny Genesisy 32:28) ho mariky ny fitohizan’ny fanekempihavanana nataony tamin’i Jakoba sy ny taranany. Naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ireo fampanantenana fonosin’ny fanekempihavanan’i Abrahama amin’izao androntsika izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:17–20; 86:8–11; 132:29–33).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Midika inona aminao izany hoe anisan’ny ao anatin’ny fanekempihavanan’i Abrahama izany? Eritrereto ireto fahamarinana ireto: Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ianao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao. Manavao izany fanekempihavanana izany ianao ary manao fanekempihavanana vaovao isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no ahafahanao manao ny tempoly ho zavatra ifantohana ao amin’ny fiainanao mba hahafahanao mandray anjara feno kokoa amin’ny fahafenoan’ny filazantsara?

  • Vakio ny Abrahama 1:2 ary eritrereto ny zavatra nianaranao momba ny toetran’i Abrahama. Inona no mety ho dikan’ny hoe “mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” amin’izao androntsika izao? Nahoana araka ny eritreritrao no “[nikatsaka] ny fitahian’ireo ray” i Abrahama? Inona no fitahiana efa azonao tamin’ny alalan’ny fanekempihavanan’i Abrahama? Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ireo fitahiana avy amin’io fanekempihavanana io?

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Halalino ireo ohatra maneho fahatokiana mikasika ny fiainana ny filazantsara avy amin’i Abrahama sy i Saraha sy ny fianakavian’izy ireo izay marin-toetra (ohatra, afaka miaraka mamaky ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra manaraka ireto ianareo: Genesisy 17:1–19; 18:1–19; 22:1–18; 24; 32:1–28; 33; 46:1–7; Isaia 51:1–3; Galatiana 3:27–29; 2 Nefia 8:1–3). Vakio ny Jaona 8:39 avy eo. Ny tsirairay avy aminareo dia afaka manao sary na manao sary hosodoko na manoratra tononkalo iray izay maneho ny fankasitrahanareo an’ireo fitahiana azonareo na afaka ny ho azonareo avy amin’ny fitandremana ilay fanekempihavanana tahaka ny nataon’i Abrahama sy i Saraha. Azonareo atao avy eo ny mifampizara ny sary na ny tononkalo nataonareo.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Lasa zanaky ny fanekempihavanana ireo izay atao batisa

mpikambana mihira hira ao amin’ny fihirana

Ireo olona rehetra izay atao batisa ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia lasa zanak’i Abrahama, na “zanaky ny fanekempihavanana” (jereo ny 3 Nefia 20:25–26). Ireo mpikambana ireo dia afaka mandova ireo fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba (Isiraely) rehefa mikatsaka ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ao amin’ny tranon’ny Tompo izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:29–32).

Ny taranak’i Abrahama dia miantsoroka andraikitra mba hanompo ireo zanak’ Andriamanitra mba hahafahan’ny olona rehetra mahazo ireo fitahian’ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay (jereo ny Abrahama 2:9–11). Isaky ny manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly isika, dia manampy ny olona tsirairay handray ireo fitahian’ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay sy manampy amin’ny fanatanterahana ilay fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama (jereo ny 1 Nefia 22:8–12; 3 Nefia 20:29–31).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ianarantsika ao amin’ny Môzià 5:1–8 ny fomba naneken’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka ny fampianarany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Vonona ny hanao inona izy ireo tamin’izay fotoana izay? Midika inona aminao izany hoe iray amin’ireo “zanak’i Kristy”? Inona no mety ho dikan’ny hoe “efa niteraka anareo ara-panahy” i Kristy? Ahoana no fomba “[niovan’ny fonao] tamin’ny alalan’ny finoana ny anarany”?

  • Ny Filoha Emily Belle Freeman dia niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fandehanana ao amin’ny fifandraisana mifono fanekempihavanana amin’i Kristy ary namintina ilay fampanantenana nataon’ Andriamanitra tamin’i Jakoba toy izao: “Izaho momba anao. Hiaro anao Aho. Hampody anao indray Aho. Tsy handao anao Aho. Hataoko izay voalazako taminao.” Nanazava izy avy eo hoe: “Nila nanao safidy i Jakoba. Afaka nisafidy ny hiaina ny fiainany amin’ny fahafantarana fotsiny ny Andriamanitry ny Rainy izy, na hisafidy ny hanana fiainana ao anatin’ny fifandraisana mifono fanekempihavanana feno fanolorantena miaraka Aminy”. Saintsaino ny dikan’ny hoe miaina ny fiainanao ao anatina fifandraisana mifono fanekempihavanana feno fanolorantena miaraka amin’i Kristy. Inona ny zavatra izay tianao hatomboka ny fanaovana azy na ny zavatra izay tianao hatsahatra ny fanaovana azy mba hahafahanao manamafy orina ny fifandraisana mifono fanekempihavanana miaraka Aminy?

Fiaraha-mientana ho an’ny fiarahana mianatra

  • Vakio ny Helamàna 5:12 sy ireto teny avy amin’ny Rahalahy Jan E. Newman ireto: “Ary mampianatra ny zanatsika isika mba hamatotra ny tenan’izy ireo Aminy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina, ka rehefa tonga ny tafiotra sy safodranon’ny fanoherana, izay tsy maintsy ho tonga tokoa, dia tsy hanan-kery firy amin’izy ireo izany –noho ilay vatolampy izay iorenan’[izy ireo]–”. Inona avy ireo “tafiotra sy safodranon’ny fanoherana” izay mety ho tonga eo amintsika? Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ny fanekempihavanana nataonareo manampy amin’ny fiarovana anareo sy ny fianakavianareo amin’ny “tafiotra mahe[rin’ny]” fahavalo.

  • Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ity: “Isika rehetra dia –zanaky ny fanekempihavanana– izay miely manerana ny tany any amin’ireo firenena sy ireo kolontsaina any amin’ny kaontinanta rehetra, ary mahatratra an-tapitrisany, eo am-piandrasantsika ilay fiverenana feno voninahitr’ilay Tompontsika sy Mpamonjintsika. Noho isika mamiratra toy ny hazavana ho an’ireo manodidina antsika, dia volavolaintsika amim-pitandremana tsara ireo faniriantsika, ireo eritreritsika, sy ireo safidintsika ary ireo zavatra ataontsika. Eo am-pikatsahana amin’ny fontsika iray manontolo ny hahafantatra sy ny hitia ny Mpamonjy, dia mampanalavitra ny tenantsika amin’izao tontolo izao isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fampisehoana fa miavaka sy tsy fahita firy ary manana toetra misongadina isika eo am-panajana Azy sy ny fampianarany, nefa tsy manasaraka ny tenantsika amin’ireo olona hafa eto amin’izao tontolo izao izay manana finoana hafa.” Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahantsika “[mikatsaka] amin’ny fontsika manontolo ny hahafantatra sy ny hitia ny Mpamonjy” ary ny hitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra.

Hianatra misimisy kokoa