“Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana,“ Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana
Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra
Alaivo sary an-tsaina ny hazo tsara tarehy iray izay misy faka miditra any amin’ny alalin’ny tany sy sampana maninjitra ny lalana maro. Miara-miasa ireo faka sy sampana ireo mba hanampiana ilay hazo hitombo sy hijanona ho matanjaka aman-taonany.
Tahaka ny hazo, ny fianakaviantsika dia mifandray amin’ny alalan’ireo faka sy sampana—na ireo razambe sy taranaka. Samy manan-danja izy ireo eo amin’ny fanampiana ny fianakaviantsika hiroborobo. Rehefa mianatra momba ireo razambentsika isika dia afaka mahazo hery sy fanohanana. Ary rehefa manao ny asan’ireo razambentsika any amin’ny tempoly isika dia afaka mandray ôrdônansy sy fanekempihavanana manan-danja ho an’ny famonjena izy ireo. Mifanampy isika mba hivoatra sy hiroborobo—tsy ao amin’ny fianakaviantsika ihany fa amin’ny maha isan’ny fianakaviana mandrakizain’ Andriamanitra antsika.
Inona izany hoe asan’ny Tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?
Ny asan’ny Tempoly sy ny tantaram-pianakaviana dia “ampahany manan-danja ao anatin’ny asa ho an’ny famonjena sy ny fisandratana.” Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia manana tombontsoa sy andraikitra amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa manan-danja amin’ny fitadiavana ny anaran’ireo razambeny ary avy eo manatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo any amin’ny tempoly. Ireo izay maty dia afaka misafidy ny hanaiky ireo ôrdônansy ireo any amin’ny tontolon’ny fanahy. Amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly dia akambana sy fehezina mandrakizay ny fianakaviana. Manasa ny zanany rehetra Andriamanitra mba handray ireo fitahiana ireo sy hiverina hiara-hiaina Aminy.
Topimaso momba ny lohahevitra: Tantaram-pianakaviana
Torolalana ho an’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fianakaviana, Tempoly, Ôrdônansy amin’ny fisoloana tena ho an’ny maty, fanekempihavanana sy ôrdônansy
Fizarana 1
Mampifandray antsika amin’ireo razambentsika sy ireo olon-tiantsika ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana
Rehefa mianatra sy manangona ary mitahiry fampahalalana momba ireo razambentsika isika dia afaka mahatsapa fifandraisana bebe kokoa amin’ireo izay efa lasa talohantsika. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa mitodika any amin’ireo razambentsika ny fontsika dia misy zavatra miova ao anatintsika. Mahatsapa zavatra lehibe noho ny tenantsika isika.” Ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ihany koa dia afaka manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika amin’izao fotoana izao. Ny fizarana tantara amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana momba ireo razambentsika dia afaka manampy antsika hifanakaiky kokoa sy hanana fahatakarana bebe kokoa momba ny hoe iza isika ary avy aiza isika.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Tao amin’ny lahateny nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany hoe “Faka sy sampana,” dia namporisika ireo fianakaviana hivondrona mba hivory mba hianatra momba ny fiainan’ireo olona ao amin’ny fianakaviany ny Loholona Quentin L. Cook. Ireo fivoriana ireo dia mety ahitana ny fizarana tantaram-pianakaviana, tantara, sary, na fananan’ny ray aman-dreny na raibe sy renibe. Ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay mahazo aina amin’ny teknôlôjia, anisan’izany ny zatovo, dia afaka mampiditra fampahalalana sy sary ao amin’ny Family Tree. Hevero ny hanao karazana fivoriana tahak’io miaraka amin’ny fianakavianao. Inona avy ireo fahaiza-manao ananan’ny olona tsirairay izay afaka manampy anao hianatra momba ny tantaram-pianakavianao izay nozaraina? Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fanaovana ny tantaram-pianakavianao manampy ireo taranaka hifandimby sy hanamafy orina ny fifandraisanao amin’ireo olona akaikin’ny fonao. Avy eo dia manomboha manao dingana tsotra mba hanomanana ny fivorian’ny fianakavianao manokana. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona ao amin’ny fianakavianao hanampy anao amin’ny dingana arahina.
-
Feno ohatra amin’ny tantaram-pianakaviana ny soratra masina. Vakio ny Etera 1 mba hahazoana ohatra iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no hitovian’ny famintinan’ny mpaminany Môrônia ny asasoratr’i Etera amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana? Inona avy ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’io toko io satria nosoratana sy notsimbinina izany? (jereo ny Etera 1:35–37, 40–43). Saintsaino ny fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ireo “tantaram-pianakaviana” izay voarakitra ao amin’ny soratra masina. Ahoana no ahafahan’ireo taranaka manaraka anao hahazo tombontsoa avy amin’ny tantaranao sy ny an’ireo razambenao?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Rehefa mieritreritra ny tantaram-pianakaviana ianao dia angamba mandeha any amin’ny fikarohana sy firaketana ara-tantara aloha ny eritreritrao. Saingy tafiditra ao anatin’ny tantaram-pianakaviana ihany koa ny fianarana momba ireo olona mbola velona ao amin’ny fianakavianao sy ny fahitana fifandraisana amin’ireo razambenao. Iaraho mamerina mijery ny lahatenin’ny Loholona Gerrit W. Gong’s hoe “Manana tantara avokoa isika tsirairay,” ary avy eo dia manaova tetikasa mba hianarana misimisy kokoa momba ny tenanao, ny olona ao amin’ny fianakavianao, na ny razambenao. Azonao atao ny manao sary na mandoko hazo misy faka sy sampana izay ahitana ny anaran’ireo razambenao na manaova boky izay mirakitra ny sasany amin’ireo tantaran’izy ireo. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny fomba hampifandraisan’ny fanaovana tantaram-pianakaviana anao amin’ny fianakavianao, anisan’izany ireo izay efa lasa talohanareo.
-
Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook hoe, “Mitombo ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika an’ireo razambentsika rehefa mahafantatra ireo fisedrana sy fotoan-tsarotra niainan’izy ireny isika.” Afaka mianatra momba ny iray amin’ireo razambenao sy ireo fitsapana niainany ianao ary avy eo dia mizara izany tantara izany amin’ilay vondrona. Azonao atao ihany koa ny mampiseho sary iray na mitondra zavatra iray izay maneho ny razambenao. Ifanakalozy hevitra ny fomba nahafahan’ireo tantara ireo nanosika anao sy nanampy anao hankasitraka ny toerana niavianao.
Hianatra misimisy kokoa
-
Lioka 3:23–38; 1 Nefia 5:14–17; 19:2–5
-
Dennis B. Neuenschwander, “Bridges and Eternal Keepsakes,” Ensign, Mey 1999, 83–85
Fizarana 2
Manana andraikitra isika handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana mba hanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hahazo ny fiainana mandrakizay
Tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra hahazo ny fiainana mandrakizay ary nomeny azy ireo ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana famonjena mba hanampiana azy ireo hiverina any Aminy. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo dia hita any amin’ny tempoly, na any amin’ny tranon’ny Tompo.
Maro amin’ireo izay efa nodimandry no tsy nanana fahafahana hianatra momba an’i Jesoa Kristy na handray ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsarany nandritra ny fiainan’izy ireo teto an-tany. Miandry ireo olona eto an-tany izy ireo mba hanao ny asan’ny tempoly ho azy ireo izay any amin’ny tontolon’ny fanahy. Anisan’ireo izay miandry ny hanaovana ity asa ity dia mety ahitana ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika efa maty. Amin’ny alalan’ny fikarohana ny anaran’ireo razambe ireo dia afaka manatanteraka ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly isika avy eo. Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ny maty dia afaka misafidy ny hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo ôrdônansy ireo ary handray ny famonjena sy ny fisandratana ary hitambatra amin’ny fianakaviany mandrakizay.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fandraisana ireo ôrdônansy ho an’ny maty manampy anao hahatsapa ho mifandray akaiky kokoa amin’ny lanitra. Avy eo dia vakio ireo tantara roa ao amin’ny lahatenin’ny Loholona Gerrit W. Gong’s hoe “Sambatra sy mandrakizay” momba ireo mpikamban’ny Fiangonana izay niaina zavatra ara-panahy tsy mahazatra tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tamin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fandraisanao anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana mitondra fiadanana, fanantenana, na fanasitranana eo amin’ny fiainanao ary manampy anao hianatra bebe kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
-
Ao amin’ny lahateniny hoe “Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” ny Filoha Henry B. Eyring dia nijoro ho vavolombelona fa ny fon’ny zanak’ Andriamanitra dia mitodika amin’ny rainy (jereo ny Malakia 4:5–6; 3 Nefia 25:5–6; Joseph Smith—Tantara 1:39). Hoy izy hoe: “Maro amin’ireo razambenao no tsy nandray ireo ôrdônansi[n’ny famonjena] ireo. Saingy nanome fomba ahafahanao manatanteraka izany Andriamanitra. Ary fantatr’ Andriamanitra fa hanana fahatsapana ho lasa manam-pitiavana ireo razambenao ianao ary hanana ny teknôlôjia ilaina mba hitadiavana azy ireo. Fantany ihany koa fa ianao dia hiaina ao anatin’ny fotoana iray hampitombo bebe kokoa noho ny hatramin’izay teo amin’ny tantara, ny fahafahana mandeha any amin’ny tempoly, izay toerana ahafahana manatanteraka ôrdônansy. Ary fantany fa afaka matoky anao Izy amin’ny fanatanterahana ity asa ity ho an’ny razambenao.”
Ahoana no hampitomboan’ny fahatokian’ Andriamanitra ny fanirianao hanampy ireo razambenao handray ireo fitahian’ny tempoly avy Aminy? Ahoana no hampatanjahan’ny fomba fijeriny ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa manana drafitra ho an’ny fianakaviany mandrakizay Izy? Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy amin’ny nahim-po kokoa amin’ny asan’ Andriamanitra, ary avy eo dia manaova asa araka izay fahatsapana voarainao.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Nnadritra ny fandevenana iray tamin’ny 15 aogositra, 1840 dia nampianatra Joseph Smith fa azo atao batisa ho an’ny maty ny lehilahy sy ny vehivavy. Tena nahafinaritra tokoa tamin’ireo Olomasina io vaovao io ka “nanomboka natao batisa avy hatrany izy ireo ho an’ireo olon-tiana lasana tao amin’ny renirano sy ny rano akaikin’i Nauvoo.” Hevero ny hiara-hamaky ny “Taratasy momba ny batisa ho an’ny maty” mba hianarana misimisy kokoa momba ny fotoana nanomezana ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny antony hifampilàn’ny velona sy ny maty. Midika inona ny hoe “Fa tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo izy ireo; tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18). Ahoana no fomba hanomanan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ny velona sy ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay?
-
Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund: “Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana andraikitra masina isika hikaroka ireo razambentsika ary hanangona tantaram-pianakaviana. … Tena mahavariana sy mampientanentana tokoa fa, amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia afaka manampy amin’ny fanavotana ireo maty isika.” Iaraho mamerina mijery io lahateny io, ary avy eo dia miaraha mivory miaraka amin’ny tanjona mifandray amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Ohatra, azonao atao ny manapa-kevitra ny hitondra anaram-pianakaviana any amin’ny tempoly sy hanao ôrdônansy ho an’izany razambe izany. Na azonao atao ny mandray anjara amin’ny firaketana faobe ao amin’ny FamilySearch mba hanampiana ny hafa hahita ny anaran’ireo razambeny. Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa ny fanavotana ny maty dia andraikitra nofidin’ Andriamanitra hampitombo ny fanirianao hanao ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana? Ahoana no nahatsapanao fa tarihin’ny Fanahy ianao tamin’ny ezaka nataonao? Ifanakalozy hevitra ny zavatra niainanao ary zarao ireo fitahiana noraisinao tamin’ny alalan’ny fanatanterahana io andraikitra manan-danja io.
Hianatra misimisy kokoa
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16; 128:15–19; 137:7–10; 138:29–35, 53–54
-
Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Manokatra ny lanitra amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana,” Ensign, Oct. 2017, 34–39
-
David A. Bednar, “Hitodika ny fon’ny zanaka,” Liahona, nôv. 2011, 24–27
-
Firaketana ny “Tempoly sy tantaram-pianakaviana” Médiathèque de l’Évangile
-
“Tempoly,“ ChurchofJesusChrist.org