“Fianakaviana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fianakaviana
Ny faharian’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarantsika lehibe indrindra
Talohan’ny nahaterahantsika dia niaina niaraka tamin’ny ray aman-drenintsika any an-danitra isika. Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny anjarantsika sy fahasambaratsika mandrakizay. Ny fianakaviana no toerana ahafahantsika mahita ny sasany amin’ireo fifaliantsika lehibe indrindra eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay. Ary ny hoe ao anatin’ny fianakaviana dia afaka manampy antsika hianatra ny sasany amin’ireo lesona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana—lesona toy ny fanompoana an’ Andriamanitra sy ny hafa.
Voatahy isika rehefa manokana ny fotoanantsika hanorenana fifandraisana mafy orina amin’ny fianakaviantsika. Tsy hanaraka antsika any amin’ny fiainana ho avy ny fananana sy ny fiantsoana antsika eto, fa raha manao izay tsara indrindra avy amintsika isika mba hanarahana an’ Andriamanitra sy hitandrina ny fanekempihavanantsika Aminy dia manana ny fahafahana hiaraka amin’ny fianakaviantsika mandrakizay isika. Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry hoe: “Ao anatin’ny tontolo feno korontana sy fisalasalana, dia manan-danja kokoa noho ny hatramin’izay ny mahatonga ny fianakaviantsika ho ivon’ny fiainantsika sy ny tampon’ny laharam-pahamehantsika.” Na dia tsy tonga lafatra aza ny fianakaviana dia afaka mianatra sy mivoatra isika rehefa manao izay tsara indrindra avy amintsika mba hitia ny fianakaviantsika sy hiara-hivoatra mba ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa.
Inona no atao hoe Fianakaviana?
Eto an-tany dia maro ireo karazana fianakaviana. Ny fianakaviana iray dia mety ho ray aman-dreny sy ny zanany na ireo zanany. Saingy ny fianakaviana iray koa dia mety ho mpivady iray, ray na reny tokan-tena miaraka amin’ny zanaka, na andiana mpiray tampo. Tafiditra ao anatin’ny fianakaviana mivelatra ny ray aman-drenibe, zafikely, nenitoa, dadatoa, zanaky ny mpiray tam-po, ary maro hafa. Indraindray isika dia mety handray ireo namantsika akaiky ho toy ny fianakaviana na dia tsy misy fifandraisana amin’izy ireo aza isika. Amin’ny lafiny lehibe iray dia ny fianakavian’ Andriamanitra avokoa isika rehetra.
Topimaso momba ny lohahevitra: Fianakaviana
Torolalana fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanekempihavanana maharitra mandrakizay, Fiainana Mandrakizay, Fanambadiana, Fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ny famehezana any amin’ny tempoly
Fizarana 1
Zava-dehibe ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra ny fianakaviana
Ny fianakaviana no ivon’ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny anjarantsika mandrakizay. Niara-niaina tamin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany, ary ny fianakaviantsika eto dia manaraka ilay lamina nomen’ Andriamanitra.
Ny antony iray ahatongavantsika ety an-tany ao anatin’ny fianakaviana dia ny mba hahafahan’ny ray aman-dreny mampianatra ny filazantsara an’ireo zanany sy manampy azy ireo hanana fiainana sambatra sy manan-danja. Izany dia manampy amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra mba hanome antsika fahafahana hianatra sy hivoatra ary ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Vakio sy saintsaino ny Mosesy 5:12. Eritrereto ireo fahamarinana sy lesona manan-danja izay mety nampianarin’ireo ray aman-dreny ireo an’ireo zanany. Nampianatra ny rahavavy Tamara W. Runia hoe “Tsarovy fa ny fianakaviana dia labôratoara nomen’ Andriamanitra izay hianarantsika ny zava-drehetra, noho izany dia tsy vitan’ny hoe mety hitranga ny fahadisoan-dalana sy ny diso kajikajy, fa azo inoana koa. Ary moa ve tsy hahaliana raha toa ka amin’ny fiafaran’ny fiainantsika, dia ho hitantsika fa ireo fifandraisana ireo, eny fa na dia ireo fotoan-tsarotra ireo aza, no tena nanampy antsika ho tonga tahaka ny Mpamonjy antsika? … Ny fifandraisan’ny mpianakavy dia fiara mahery vaika hampianarana antsika ireo lesona nahatongavatsika eto mba hianarana.“ Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fianakaviana? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny zavatra niainanao tao amin’ny fianakavianao anao hivoatra sy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa? Inona no fiantraikan’ny fieritreretana ny fiainam-pianakavianao ho tahaka ny “laboratoara” eo amin’ny fomba fijerinao ny tsy fahalavorarian’ny fianakavianao?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Nanome izao torohevitra izao ny Filoha Gordon B. Hinckley: “Ny Tompo dia nanendry fa tokony hanambady isika mba hiara-hiaina amim-pitiavana sy fiadanana ary firindrana, fa hanan-janaka isika ary hitaiza azy ireo amin’ny fombany masina. … Rehefa voalaza sy vita avokoa ny zava-drehetra dia izany no momba ny filazantsara. Ny fianakaviana dia faharian’Andriamanitra. Izany no fahariana fototra. Ny fomba hanamafisana orina ny firenena dia ny fanamafisana orina ny tokantranon’ ny olona.“ Ifanakalozy hevitra ny antony nandefasan’ Andriamanitra antsika ety an-tany ao anatin’ny fianakaviana sy ny fomba hanampian’izany amin’ny fanatanterahana ny drafiny. Ahoana no ahafahan’ny fanamafisana orina ny tokantranontsika manampy amin’ny fanamafisana orina ny fiaraha-monina misy antsika? Mba hanehoana io hevitra io dia azonao atao ny manao kilalao izay mitaky fiaraha-miasa. Ohatra, afaka manamboatra fatotr’olombelona ianao (manaova faribolana ary asaivo misambotra ny tanan’ny olona roa samy hafa ny olona rehetra) ary miara-miasa mba tsy ho voafatotra kanefa tsy afaka mandeha. Na azonao atao ny mandamina ny tenanareo amin’ny tsipika mifototra amin’ny toetoetra sasantsasany kanefa tsy miresaka (toy ny filaharan’ny volana nahaterahanao, ny lokon’ny maso, na ny halavàna). Avy eo dia resaho ny fomba hanampian’ny fiaraha-miasa amin’ny maha-fianakaviana ny fanatanterahana ny tanjon’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany.
Hianatra misimisy kokoa
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17; Mosesy 2:27–28
-
D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?,” Liahona, mey 2015, 50–53
Fizarana 2
Nomen’ Andriamanitra andraikitra manan-danja ny ray aman-dreny
Nomen’ny Ray any An-danitra andraikitra ireo ray aman-dreny ho an’ireo fanahy zanany malalany fony izy ireo eto an-tany. Nomeny didy ireo ray aman-dreny mba hitaiza ny zanany “amin’ny fahazavana sy fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40). Nilaza ihany koa ireo Mpaminany hoe, “Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo.” Rehefa tsy afaka manome izay rehetra ilaina ny fianakaviana dia afaka miditra sy manampy ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:40; 83:1–6; 136:8).
Rehefa mitaiza ny zanany ny ray aman-dreny be fitiavana dia manana fahafahana tsara indrindra izy ireo hamelona sy hikolokolo ireo ankizy ireo ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetsehampo. Voatahy ny ray aman-dreny sy ny zanaka rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao an-tokantrano ny ray aman-dreny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Indraindray ny ray aman-dreny dia tsy afaka mitaiza ny zanany miaraka; amin’ny toe-javatra toy izany dia hitahy azy ireo ny Tompo rehefa manao izay tsara indrindra avy aminy izy ireo mba hitandremana ny fanekempihavanany sy hanarahana ny sitrapony.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Vakio ireto tantara manaraka momba ny ray aman-dreny izay nampianatra ny zanany ireto: Môzià 1:2–8; Helamàna 5:4–12. (Azonao atao ihany koa ny mamaky ny Deoteronomia 6:4–7; 11:19–21; Isaia 54:13; 2 Nefia 25:26 mba hahazoana hevi-baovao fanampiny momba ny fitaizana.) Inona no fitsipiky ny filazantsara nampianarin’ireo ray aman-dreny ireo? Nahoana no zava-dehibe ho an’ny zanaka ny mianatra ireo fitsipika ireo ankehitriny? Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao na ireo olon-tianao hafa hianatra sy hiaina ireo fahamarinana ireo? Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ray aman-dreny fakan-tahaka hafa izay fantatrao. Inona no ianaranao avy amin’izy ireo mikasika ny fomba ampianaran’ireo ray aman-dreny marina ny zanak’ Andriamanitra?
-
Nanoro hevitra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Aza miezaka mifehy ny zanakao. Fa henoy kosa izy ireo, ampio izy ireo hianatra ny filazantsara, ankaherezo izy ireo, ary tariho mankamin’ny fiainana mandrakizay izy ireo. Solontenan’ Andriamanitra ianareo amin’ny fikarakarana ireo zanaka izay nampandraiketiny anareo. Aoka ny fitaomany masina hitoetra ao am-ponareo rehefa mampianatra sy mandresy lahatra ianareo.” Ahoana no ahafahanao manaja ny fahatokian’ Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny fampianarana amim-pahazotoana ny filazantsara amin’ny zanakao? Ahoana no ahafahanao manaja ny fahafahan’ny zanakao misafidy rehefa mitarika azy ireo mankany amin’ny fiainana mandrakizay ianao? Diniho ny fomba ahafahanao mamela ny fitaomany hitarika anao isan’andro amin’ny ezaka ataonao.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Iaraho mamaky ny Mosesy 3:21–24. Avy eo dia vakio ity fampianarana ity izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen: “Tany am-piandohana, ny nanombohan’ Andriamanitra ny fanambadiana dia teo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray—i Adama sy i Eva. Nataony mihoatra noho ny fahafaham-pon’ny tena manokana sy ny fahafinaretana eo amin’ny olon-dehibe ny tanjon’ny fanambadiana, mba hanaovana zavatra manan-danja kokoa noho izany, dia ny handroso ho amin’ny fiainana tsara indrindra mba hiterahana sy hanabeazana ary hikolokoloana zanaka. Haren’ny lanitra ny fianakaviana.” Afaka mampiasa boatin’harena sarobidy ianao na mijery ilay sary miaraka amin’izany rehefa miresaka momba ilay andinin-tsoratra masina sy ny teny nambaran’ny Loholona Andersen. Azonao atao avy eo ny manoratra zavatra iray izay afaka manampy amin’ny famoronana tontolo tsara indrindra hianaran’ny ankizy sy hivoarana ao amin’ny filazantsara.
-
Jereo ilay sary miaraka amin’ity ary resaho ny antony maha-zava-dehibe ny fototry ny tokantrano iray. Nampianatra ny Loholona Tad R. Callister hoe: “Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia isika no tokony ho mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ny zanatsika sy ho ohatra ho azy ireo—tsy ny eveka na ny ao amin’ny Sekoly Alahady, na ny ao amin’ny Zatovovavy, na ny Zatovolahy, fa ireo ray aman-dreny. Amin’ny maha-tompon’andraikitra antsika voalohany amin’ny fampianarana azy ireo dia azontsika ampianarina azy ireo ny herin’ny Sorompanavotana sy ny tena fisiany marina—ny mikasika ny hoe iza marina izy ireo ary inona ilay hoavy araka an’Andriamanita miandry azy—ary rehefa manao izany isika dia manome fototra mafy mba hiorenan’izy ireo. Raha ny marina no ambarana, dia ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.” Azonao atao ihany koa ny miresaka momba ny maha-zava-dehibe ireo fahafahana mampianatra ny filazantsara, saingy ifanakalozy hevitra ihany koa ny fomba hitrangan’ny fampianarana mandeha hoazy ny zanatsika matetika rehefa manao ireo zavatra ataontsika isan’andro isika. Mizarà zavatra niainanao tamin’ireo fotoam-pampianarana tsy ôfisialy sy ny zavatra nianaranao avy amin’ireo zavatra niainana ireo. Ahoana no ahafahan’ireo fifampiresahana tsy tapaka sy mandeha hoazy ireo manampy amin’ny fakana antoka fa manana fototra mafy orina ny filazantsara ny ankizy sy ny zatovo mba hanorenana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo? Raketo an-tsoratra ireo hevitrao ary ataovy izay fahatsapana voarainao.
Hianatra misimisy kokoa
-
Ohabolana 22:6; Efesiana 6:1–4; Môzià 4:14–15; 3 Nefia 18:21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119–20
-
M. Russell Ballard, “Tsarovy izay zavatra manan-danja indrindra,” Liahona, mey 2023, 105–7
-
Dieter F. Uchtdorf, “I Jesoa Kristy no herin’ireo ray aman-dreny,” Liahona, mey 2023, 55–59
-
David A. Bednar, “Hazoto sy Hikarakara Bebe Kokoa ao An-tokantrano,” Liahona,, nôv. 2009, 17–20
-
Jereo ny “Tokantrano sy fianakaviana,” ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2022), 30–31
Fizarana 3
Manome antsika fomba hampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay Andriamanitra
Iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny hoe raha mijanona ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ataontsika isika dia afaka mitohy aorian’ity fiainana ity ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika—na mandrakizay mihitsy aza. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny filazantsara naverina amin’ny laoniny dia manome toky antsika fa ny Fitsanganana amin’ny maty dia ahitana fahafahana ho tafaraka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika—ny vady sy ny zanaka ary ny ray aman-dreny. Famporisihina mahery vaika ho antsika izany hanatanteraka ireo andraikitsika eo anivon’ny fianakaviana mandritra ny fiainana an-tany. Izany dia manampy antsika hiara-hiaina amim-pitiavana mandritra ity fiainana ity eo am-piandrandrana ilay fihaonana sy fiarahana feno fifaliana any ankoatra.”
Raha mitandrina ny didin’ny Tompo isika ka fehezina any amin’ny tempoliny masina ny fianakaviantsika, dia mampanantena Izy fa afaka mahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika isika. Afaka mahazo izany fitahiana faratampony izany isika na dia tsy mbola nanambady amin’izao fotoana izaona tsy manana zanaka na dia tsy nanana fahafahana hanaiky ny filazantsara nandritra ny androm-piainany aza ireo fianakaviantsika. Tsy hisy amin’ireo fitahian’ Andriamanitra tsy ho azon’ireo izay mendrika azy.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nampanantena ny Filoha Nelson fa: “Ao amin’ ny drafitra lehiben’ ny fahasambaran’ Andriamanitra dia azo fehezina any amin’ ny tempoly sy hiomana hiverina hiara-hipetraka eo anatrehany mandrakizay ny fianakaviana. Izany no atao hoe fiainana mandrakizay! Manatanteraka ilay faniriana lalin’ ny zanak’ olombelona izany—dia ny faniriana ara-boajanahary mba hiaraka tsisy fiafarany amin’ ireo olon-tiana ao amin’ ny fianakaviana.” Eritrereto ny fifaliana mety ho azonao miaraka amin’ny “fiarahana tsisy fiafarany” miaraka amin’ny fianakavianao. Aiza no misy anao eo amin’ilay lalana ahafahanao manatratra io tanjona io? Inona no dingana manaraka ataon’ny fianakavianao eo amin’izany lalana izany? Raha toa ianao ka manana toe-javatra sarotra eo anivon’ny fianakaviana izay mety hahatsapana fa ny “fiarahana tsisy fiafarany” amin’ny olona iray dia tsy lafatra loatra amin’izao fotoana izao, dia ahoana no mety hanasanao ny herin’ny Mpamonjy hanampy amin’ny fanasitranana ny fifandraisana ao amin’ny fianakavianao?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Azonareo atao ny miara-mijery ny horonan-tsary “Families Can Be Together Forever” (3:10). Resaho ny torohevitry ny Filoha Henry B. Eyring mikasika ny fitiavana ao anatin’ny fianakaviana iray. Mampahatsiahy antsika inona ireo teny farany nolazain’ny Filoha Eyring ao amin’ilay horonan-tsary? Avy eo dia vakio ity fampianaran’ny Filoha Nelson ity: “Izao fiainana izao no fotoana hiomanana ho amin’ny famonjena sy ho amin’ny fisandratana. Ao amin’ny drafitra mandrakizain’Andriamanitra, ny famonjena dia zavatra mahakasika ny tsirairay; Fa ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika ny fianakaviana.” Afaka miara-manomana zavatra mahafinaritra ianareo, toy ny fikarakarana tsakotsako ankafizina indrindra na fikarakarana sakafo tiana indrindra. Azonao atao avy eo ny miresaka momba ny antony maha-zava-dehibe ny fiomanana ara-panahy amin’ny fandraisana ny fisandratana sy ny fiarahana mandrakizay amin’ny maha-fianakaviana.
Hianatra misimisy kokoa
-
Henry B. Eyring, “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Liahona, mey 2021, 28–31
-
D. Todd Christofferson, “Ny fahefan’ ny famehezana,” Liahona, nôv. 2023, 19–22