“Ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana
Ny fomba hitarihan’ Andriamanitra ireo zanany hiverina hody
Alaovy sary an-tsaina hoe eo am-panaovana dia lavitra ianao. Tery ilay lalana ary indraindray dia sarotra ny mahita azy, kanefa fantatrao fa mizotra any amin’ny lalana tena izy ianao noho ireo mari-pamantarana vitsivitsy eny an-dalana. Rehefa tonga eo amin’ny tsirairay amin’izany ianao dia mihamanakaiky ny tanjonao. Farany, rehefa vita ilay dia nataonao dia mitodika any aoriana ianao ary mahita ny fomba nitarihan’ireo mari-pamantarana ireo anao ho any amin’ny toerana itodianao.
Ao amin’ny filazantsara, ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana dia toy ny mari-pamantarana eny amin’ny lalana tery. Samy manan-danja izy ireo amin’ny fanampiana anao amin’ny dianao mandritra ny fiainana, izay mitondra anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny tsirairay amin’izy ireo dia mitarika anao hiverina hody any amin’Izy Ireo, manampy anao mandritra ireo olana izay iainanao eto an-tany sy manomana anao amin’ireo fitahiana mandrakizay izay nomanina ho anao any amin’ny fiainana ho avy.
Inona avy ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana?
Ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana dia ampahany manan-danja amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra antsika hiverina any amin’ Andriamanitra. Any amin’ny tempoly isika no mandray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana. Mandritra ireo ôrdônansy ireo dia manao fanekempihavanana na fampanantenana amin’ Andriamanitra isika. Raha mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ataontsika izay mifandray amin’ireo ôrdônansy ireo isika dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Topimaso momba ny lohahevitra: Fanafiana masina, Famehezana
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanekempihavanana sy ôrdônansy, Tempoly, Participating in Temple and Family History Work
Fizarana 1
Mandritra ny ôrdônansin’ny fanafiana masina dia manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra isika
Ny iray amin’ireo ôrdônansy izay raisintsika ao amin’ny tranon’ny Tompo dia ny fanafiana masina. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny fanafiana masina. Mandritra io ôrdônansy na fombafomba masina io dia mianatra momba ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra sy ny anjara asa fototra sahanin’ny Mpamonjintsika ao anatin’izany drafitra izany isika. Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra koa isika. Mitahy antsika ny Ray any An-danitra amin’ny fanaovana sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fanomezana antsika fahafahana misimisy kokoa hahazo ny heriny. Ireo fanekempihavanana ataontsika ao anatin’ny fanafiana masina dia manome fahafahana antsika hivoatra sy hiova. Afaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa isika amin’ny alalan’izy ireo, ary hahatsapa fiadanana sy toky ary fifaliana.
Rehefa avy nandray ny fanafiana masina ho an’ny tenantsika manokana isika dia afaka mandray anjara amin’ny ôrdônansin’ny fanafiana masina ho an’ireo olona hafa izay efa nodimandry. Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ireo olona efa maty ireo dia afaka misafidy ny hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary koa ireo ôrdônansy tanterahina ho azy ireo ary handray ny famonjena sy ny fisandratana.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Manao fanekempihavanana ny hiaina lalàna dimy samy hafa isika mandritra ny fanafiana masina. Vakio ao amin’ny fizarana 27.2 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany (Médiathèque de l’Évangile) ny momba ireo lalàna ireo. Amin’ny fomba ahoana no efa iainanao ireo lalàna ireo? Inona no azonao atao mba hiainana azy ireny feno kokoa? Ahoana ny fomba anehoan’i Jesoa Kristy ny fiainana ireo lalàna ireo? Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fiainana ny tsirairay amin’ireo lalàna ireo manampy anao hitovy kokoa Aminy.
-
Sambatra isika miaina ao anatina fotoana izay hanorenana tempoly manerana izao tontolo izao. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Mazava ho azy fa loharanon’ny hafaliana lehibe sy antony iray hanaterana fisaorana ho an’ny Tompo ny fanambarana ny tempoly tsirairay avy. Na izany aza anefa dia tokony ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy izay afaka manova ny fotsika sy mampitombo ny fanoloran-tenantsika ho an’ny Mpamonjy no tokony hifantohantsika voalohany fa tsy ny toerana sy ny hatsaran’ilay trano fotsiny.” Ahoana no inoanao fa afaka manova ny fonao ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny fanafiana masina? Ahoana no ahafahan’izy ireo mampitombo ny fanoloran-tenanao ho an’ny Mpamonjy? Saintsaino hoe ahoana no ahafahan’ny fifantohana tahaka izany amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny fanafiana masina manampy anao hiomana amin’ny fisandratana.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny lahateniny hoe “Ny antony handehanana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana,” dia mampitaha ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fisorohana ny “fautes directes” amin’ny tennis. Vakio ao amin’ny hafany io fampitahana io ary ifanakalozy hevitra ny “fautes directes” sorohintsika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana dimy ataontsika mandritra ny fanafiana masina (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 27.2). Azonao atao ihany koa ny mijery horonan-tsary mirakitra lalao tennis na milalao tennis kely mihitsy aza mba hahitana hoe toy ny ahoana izany faute directes izany. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ireo fitahiana hafa avy amin’ny fitandremana fanekempihavanana izay zarain’ny Loholona Christofferson ao amin’ny hafany. Ahoana no hanamafisan’ireo fitahiana ireo ny fanirianao handeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy handray ny fanomezam-pahasoavan’ny fanafiana masina na hitandrina ireo fanekempihavanana izay efa nataonao tao amin’ny tempoly?
-
Tafiditra ao anatin’ny fanafiana masina ny fanaovana fitafiana masina rehefa manao fanekempihavanana sy mandray ireo ôrdônansy isika. Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireo ohatra sasantsasany amin’ireo fotoana hafa izay hanaovantsika fitafiana manokana sy ny antony maha-manan-danja izany fitafiana izany amin’ilay zavatra niainana. Avy eo dia azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Sacred Temple Clothing” (4:12), izay manazava ny zavatra asehon’ny fitafiana fanao any amin’ny tempoly sy ny antony mahatonga ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina hanao garmentan’ny tempoly ao anatin’ny akanjon’izy ireo isan’andro. Resaho ny fomba hanampian’ny fitafiana masina antsika haneho fahafoizan-tena ho an’ Andriamanitra sy hanampian’izany antsika hanakaiky Azy kokoa. Azonao atao koa ny mamerina mijery ny lahatenin-dRahavavy J. Anette Dennis hoe “Itafio Jesoa Kristy Tompo” mba hianarana misimisy kokoa momba ny garmentan’ny tempoly. Na azonareo jerena miaraka ny pejy “Temples” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hitadiavana loharanom-pitaovana manampy kokoa momba ny tempoly, anisan’izany ireo izay mampiseho anao ny ao anatin’ny tranon’ny Tompo. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo loharanom-pitaovana ireo mba hanampiana ny hafa izay mety manana fanontaniana momba ny tempoly sy ny fitafiana fanao ao amin’ny tempoly?
Hianatra misimisy kokoa
-
Dallin H. Oaks, “Fanekempihavanana sy andraikitra,” Liahona, mey 2024, 93–96
-
Torolalana fanampiny amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fankatoavana, Sacrifice, Chasteté, Consecration
-
“La dotation,” Médiathèque de l’Évangile
-
Sujets de l’histoire de l’Église, “Dotation du temple’, Médiathèque de l’Évangile
-
“Nous les mettrons à l’épreuve,” toko 37 ao amin’ny Les Saints : Histoire de l’Église de Jésus-Christ dans les derniers jours, tome 1, L’Étendard de la vérité, 1815–1846 (2018), 453–55
Fizarana 2
Ny ôrdônansin’ny famehezana dia mamatotra antsika mandrakizay amin’ny fianakavian’ Andriamanitra sy amin’ny fianakaviantsika eto an-tany
Azo amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana ny sasany amin’ireo fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. Mandritra io ôrdônansy io ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana rehefa manao fanekempihavanana masina eo amin’izy samy izy sy amin’ny Tompo izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4). Raha mahatoky amin’ny fanekempihavanany ireo mpivady dia azo fatorana mandrakizay amin’ny fianakavian’ Andriamanitra sy amin’ny fianakaviany eto an-tany izy ireo. Ampanantenaina fitahiana mahatalanjona any amin’ny fiainana ho avy ihany koa izy ireo.
Azo tanterahina ho an’ireo izay efa nodimandry ny famehezana mba hahafahan’izy ireo koa mandray ireo fitahiana mandrakizay sy ho iray mandrakizay amin’ny fianakaviany sy ny fianakavian’ Andriamanitra. Tahaka ireo ôrdônansin’ny fisoronana hafa rehetra, ny ôrdônansin’ny famehezana dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary afaka mitondra fiadanana sy tanjona ho antsika eto amin’ity fiainana ity.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Rehefa nomen’i Jesoa an’i Apôstôly Petera “ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,” dia nanome azy ny herin’ny famehezana Izy—ilay hery hanomezana ireo fitahiana eto an-tany izay hitohy any an-danitra (jereo ny Matio 16:19). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16; 132:7, 45–46 mba hahafantarana ny fomba namerenana tamin’ny laoniny ireo fanalahidy ireo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny andro farany. Hazonin’ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao ireo fanalahidy ireo ary mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay izany. Kanefa ny herin’ny famehezana dia “mety ho fotopampianarana tena sahy ho an’ny sasany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana128:9). Nahoana no mety ho toy izany ilay izy? Mitondra fanantenana ho anao amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa ny fifandraisan’ny fianakaviana izay fehezina eto an-tany dia fehezina ihany koa any an-danitra?
-
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fanekempihavanan’ny fanambadiana atao any amin’ny tempoly dia mifamatotra mivantana [amin’ny] fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama. Ao amin’ny tempoly ny mpivady dia ampahafantarina ireo fitahiana rehetra izay atokana ho an’ireo taranaka mahatokin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.” Vakio ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–60; 132:19 ny sasany amin’ireo fitahiana ireo. Ahoana no ahafahanao ho “mahitsy sy marina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:53) amin’ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra mba hahafahanao sy ireo olona akaikin’ny fonao mandray ireo fampanantenany lehibe indrindra? Soraty izay fahatsapana voarainao dia tanteraho izany avy eo.
-
Ny ôrdônansin’ny famehezana dia raisina eo amin’ny alitara masina ao amin’ny tempoly. Mety maneho inona ny alitara araka ny hevitrao? Ireto soratra masina ireto dia afaka mitarika ny eritreritrao: Genesisy 8:20; 26:23–25; 1 Nefia 2:7; Mosesy 5:5–9. Inona no hevitra aroson’ny tandindon’ny alitara aminao momba ny ôrdônansin’ny famehezana sy ny fifandraisan’ny fianakaviana?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Araka ny fanao hatrizay, ny tombokase dia nampiasaina tamin’ny antontan-taratasy ara-dalàna, ny diplaoma, na ireo taratasy manan-danja mba hanehoana fa ara-dalàna izy ireny. Azonao atao angamba ny mijery ny sarina karazana tombokase samihafa na manamboatra tombokase anao manokana. Avy eo dia avereno jerena miaraka ny lahateny nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Ny fahefan’ny famehezana”. Inona avy ireo fahasamihafana misy eo amin’ny tombokase eto an-tany sy ny fahefan’ny famehezan’ Andriamanitra? Inona avy ireo fitahiana azo amin’ny alalan’ny fahefan’ny famehezany? Raha efa nandray ny ôrdônansin’ny famehezana tao amin’ny tranon’ny Tompo ho anao manokana na ho an’ny razambe iray ianao dia hevero ny hizara ny zavatra niainanao. Tamin’ny fomba ahoana no nahafantaranao fa ny Tompo dia manaiky fa “ara-dalàna” na manan-kery ny ôrdônansin’ny famehezana nataonao?
-
Indraindray, ny toe-javatra sarotra na tsy mahasoa iainan’ny fianakaviana dia manasarotra ny fananana faniriana hiaraka amin’ny fianakaviantsika mandrakizay. Na angamba tsy nanaja ny fanekempihavanan’ny fanambadiany ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, ka noho izany dia miahiahy isika ny amin’ny hoe haharitra mandrakizay ny fianakaviantsika. Mahakasika ny tranga toy izany, dia nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ho anao izay niaina ratram-po noho ny fisaraham-panambadiana tao amin’ny fianakavianao na nahatsapa ny fangirifirian’ny faharavam-pitokisana, dia tsarovy fa manomboka aminao indray izany! Mety nisy masombỳ iray simba tao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakao, saingy ireo masombỳ marina hafa sy ny sisa tavela amin’ilay rojo kosa anefa dia manan-danja mandrakizay. Afaka manampy hery ao amin’ny rojo misy anao ianao ary mety hanampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ilay masombỳ simba mihitsy aza. Hotanterahina tsirairay izany asa izany.” Iaraho mamaky ny tenin’ny Loholona Bednar ary avy eo dia mamorona rojo vita amin’ny taratasy. Avy eo dia afaka manoratra tsirairay eo amin’ny iray amin’ireo rohy ny zavatra hataonareo ianareo mba ho rohy matanjaka ao amin’ny fianakavianareo amin’ny alalan’ny fahefan’ny famehezan’ny Mpamonjy.
Hianatra misimisy kokoa
-
Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–96
-
Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 46–49
-
“Le scellement au temple,” Médiathèque de l’Évangile
-
Sujets de l’histoire de l’Église, “Scellement,” Médiathèque de l’Évangile