“Fahafoizan-tena,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fahafoizan-tena
Ny fomba anehoantsika ny zavatra manan-danja indrindra amintsika
Mieritrereta fotoana iray ka tamin’izany dia nahafoy zavatra iray ianao ho an’olon-kafa. Mety zavatra sarotra natao izany, saingy tamin’ny alalan’izany fahafoizan-tena izany dia nampiseho ianao fa vonona ny hampandefitra ny zavatra ilainao manokana eo anatrehan’ny zavatra ilain’ny olona iray.
Torak’izany koa, rehefa mahafoy zavatra ho an’ Andriamanitra isika dia mampiseho fa tia Azy ary vonona ny hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. Tonga ilay fanehoana lehibe indrindra ny fahafoizan-tenantsika rehefa manao ny sitrapon’ Andriamanitra isika fa tsy ny sitrapontsika. Ny fahafoizan-tenantsika dia afaka maneho ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika an’i Jesoa Kristy izay, tao anatin’ny fihetsika feno fitiavana faran’izay lehibe indrindra, dia nanao sorona ny ainy mba hahafahantsika miverina miara-miaina amin’ny Ray any An-danitra.
Inona no atao hoe fahafoizan-tena?
Ny fahafoizan-tena dia fahafoizana zavatra iray ho an’ny zavatra iray hafa. Efa tamin’ny andro fahiny ny vahoakan’ Andriamanitra no naneho fahafoizan-tena ho Azy. Ankehitriny isika dia maneho fahafoizan-tena amin’ny alalan’ny fanolorantsika ny sitrapontsika amin’ Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotantsika amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina. Mahafoy ny fotoanantsika sy ny talentantsika koa isika mba hanohanana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Matio 6:33). Amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena no anehoantsika ny fahavononantsika hametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Matio 19:29).
Topimaso momba ny lohahevitra: Fahafoizan-tena
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fankatoavana, Fahafolonkarena, Fanokanana, Manompo ao anatin’ireo antso ao amin’ny Fiangonana
Fizarana 1
Nanome ny lalàn’ny sorona Andriamanitra ho fampahatsiahivana ny sorona nataon’i Kristy
Ireo zanak’ Andriamanitra dia niaina ny lalàn’ny sorona fahiny tamin’ny alalan’ny fanolorana biby atao sorona ho fampahatsiahivana fa ny Zanakondrin’ Andriamanitra dia hanavotra azy ireo amin’ny Fahalavoana (jereo ny Kolosiana 1:13–18; Mosesy 5:6–7). Taorian’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny ainy teo amin’ny hazofijaliana dia tsy nilaina intsony ny fanaovana sorona biby (jereo ny Lioka 23:46; 3 Nefia 9:19; 4 Nefia 1:12). Ny sorona nataon’ny Mpamonjy no hany fihetsika feno fitiavana faran’izay lehibe indrindra ary nitondra ny fanavotana sy ny famonjena ny olombelona (jereo ny Isaia 53:7; 2 Nefia 2:7).
Mba hianarana misimisy kokoa momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy dia jereo ny torolalana amin’ny fandalinana momba ny “Sorompanavotan’i Jesoa Kristy”.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nosedraina ny finoan’i Abrahama rehefa nandidy azy hanao sorona an’i Isaka zanany lahy Andriamanitra. Hevero ny hamaky ny Genesisy 22; Hebreo 11:17–19; ary ny Jakôba 4:5, momba ny sorona nasain’ Andriamanitra nataon’i Abrahama. Rehefa manao izany ianao dia eritrereto ny sorona nataon’ Andriamanitra tamin’ny fanolorany an’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana sy ny sorona nataon’ny Mpamonjy tamin’ny fanolorana ny ainy. Inona no ampianarin’ny Fanahy anao momba ny sorona nataon’ny Ray sy ny Mpamonjy rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Rehefa nanatanteraka ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy dia “nosoloin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ny ôrdônansin’ny fanaovana sorona.” Hevero ny hihira hira ao amin’ny fihirana toy ny “Viens vers moi” na ny “Endrey fahendrena, fitia.” Azonao atao koa ny mamaky ny soratra masina mifandray amin’ny hira tsirairay ao amin’ny fihirana ary mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahanao miomana amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Ahoana no mety hahafahan’ny fieritreretana ny fanasan’ny Tompo, ho toy ny fahafahana manao sorona zavatra ho an’ny Tompo, manao ny fitsaohanao ho manan-danja kokoa?
Hianatra misimisy kokoa
-
Levitikosy 1:2–3, 10; Almà 34:8–14; Fanekem-pinoana 1:3
-
Jeffrey R. Holland, “Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 44–46
-
Tracy Y. Browning, “Mahita taratra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, nôv. 2022, 13–15
Fizarana 2
Mangataka antsika hanolotra fo torotoro sy ny fanahy manenina Andriamanitra ho sorona ho Azy
Ankehitriny isika dia mbola miaina ny lalàn’ny sorona amin’ny alalan’ny fanolorana an’ Andriamanitra fo torotoro sy fanahy manenina (jereo ny 3 Nefia 9:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:8). Ahoana no fomba hanolorantsika izany karazana sorona izany? Amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy, ny fanentrentsika tena sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika ary amin’ny alalan’ny fanatonana Azy (jereo ny 3 Nefia 12:19; Môrônia 6:1–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37). Ny fanaovana ireo karazana sorona ireo dia maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy maneho fa vonona ny hanao izay angatahiny isika. Rehefa manolotra ny fanahintsika manontolo ho an’ Andriamanitra isika ary maharitra hatramin’ny farany dia afaka ny ho voavonjy sy hahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny Ômnia 1:26).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Toe-javatra mahazatra ny manontany tena raha toa ka tsikaritry ny Tompo sy nekeny ireo fahafoizan-tena nataonao mba hanarahana Azy. Saintsaino ny tenin’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:49–50. Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina an’i Joseph noho ny fahafoizan-tena nataony? Inona no fitahiana efa azonao noho ny fahafoizan-tena nataonao ho an’ Andriamanitra? Azonao atao ny mitanisa an-tsoratra ireo fitahiana efa noraisinao ary avy eo misaintsaina izany mandritra ny herinandro.
-
Fomba iray hanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny mahafoy tena mba hanatona Azy. Tao anatin’ny lahateniny “Ny avy ao am-pontsika manontolo,” ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanazava fa ny fahafoizan-tena asehontsika dia mety ho zavatra tsotra fotsiny tahaka ny famoizantsika ny fanirian’ny tenantsika manokana sy ny zavatra mampiadana antsika mba hanarahana tsara kokoa ny Mpamonjy. Hevero ny hamaky ny lahatenin’ny Loholona Uchtdorf sy hisaintsaina ny fomba ahafahanao manome ny avy ao am-ponao manontolo ho an’i Jesoa Kristy. Inona no azonao atao sorona mba hanarahana tsara kokoa ny Mpamonjy noho ny teo aloha?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
Hianatra misimisy kokoa
-
Salamo 51:16–17; Jaona 6:38; 2 Nefia 2:6–7; 4:32
-
Neill F. Marriott, “Manolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 30–32
Fizarana 3
Afaka ny ho tonga masina tahaka an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanaovana fahafoizan-tena isan’andro
Ny fanaovana fahafoizan-tena ho an’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika handray ny heriny izay ahafahantsika ho tonga masina. Amin’ny alalan’ny fanaovantsika fahafoizan-tena ho an’ny Tompo dia maneho ny fitiavantsika Azy sy ny hafa isika. Mety hihevitra isika fa tsy mora na sarotra atao ny fahafoizan-tena, saingy “fiainana isan’andro amin’ny maha-mpanara-dia marina an’i Kristy” no tena dikan’izany. Rehefa manao fahafoizan-tena isan’andro isika mba hitandremana ireo fanekempihavanantsika sy hanarahana an’i Jesoa Kristy dia manampy amin’ny fampandrosoana ny asan’ Andriamanitra isika.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Ny fomba iray ahafahantsika manao fahafoizan-tena isan’andro dia amin’ny alalan’ny fanolorana ny fotoanantsika ho an’ny Tompo. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra toy ny fanatanterahana ny antsontsika na ny fifanompoantsika. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fiainantsika izay ahitana fanompoana sy fahafoizan-tena no fanehoana tsara indrindra an’ilay fanolorantenantsika hanompo ny Tompo sy ny mpiara-belona amintsika.” Ahoana no fomba hanoloranao tsy tapaka ny fotoananao ho an’ny Tompo? Saintsaino ny fomba nanampian’ny fanaovana izany anao mba hanakaiky kokoa an’i Kristy sy ho lasa masina kokoa.
-
Indraindray ny fahafoizan-tena ataontsika isan’andro amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia mety ho tsapa ho toy ny kely sy tsy misy dikany amintsika. Saingy manan-danja amin’ny Tompo ireo fahafoizan-tena ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33 mba hahafantarana ny fomba fijeriny ny ezaka ataontsika, na manao ahoana na manao ahoana ny mety hakelin’izany. Amin’ny fomba ahoana no hanomezan’io andininy io herimpo anao hanohy hanao fahafoizan-tena kely isan’andro ho an’ny Tompo?
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ao amin’ilay horonan-tsary hoe “Un sacrifice de temps” dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy afaka ny hatao tanteraka ireo razambentsika raha tsy eo isika, ary tsy afaka ny hatao tanteraka isika raha tsy eo izy ireo.” Rehefa manao tsy tapaka ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana isika dia lasa masina kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy. Miaraha-mijery ny “Un sacrifice de temps” ary zarao avy eo ny fomba nitahian’ny fahafoizanao fotoana hanaovana asa any amin’ny tempoly sy asa momba ny tantaram-pianakaviana matetika kokoa. Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’ny hafa izay mitaona anao hanohy na hanomboka hahafoy ny fotoananao amin’izany fomba izany?
-
Misy fomba maro mety hahafoizanao zavatra ho an’ny Tompo sy ho an’ny hafa ary tsy tsapanao akory aza izany. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao ianao, na manompo namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana, na mandoa ny fahafolonkarenanao, na mizara ny talentanao, dia mahafoy tena ho an’ Andriamanitra sy ho an’ireo zanany ianao. Manaova lisitra izay ahitana ireo fomba manokana hanehoanao fahafoizan-tena isan’andro mba ho mpianatr’i Kristy. Avy eo dia azonao atao ny miresaka momba ny fiantraikan’ny fieritreretana ireo zavatra ireo amin’ny maha-fahafoizan-tena izany eo amin’ny maha-mpianatra anao sy ny fanampian’izany anao hanakaiky Azy kokoa.
Hianatra misimisy kokoa
-
1 Tantara 16:29; Lioka 18:22; Romana 12:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–13
-
Jeffrey R. Holland, “Called to Serve,” Liahona, nôv. 2002, 36–38