Tahirim-pitaovana
Fahafolonkarena


“Fahafolonkarena,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

vehivavy manolotra fahafolonkarena amin’ny evekany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fahafolonkarena

Fanomezana ny iray ampahafolon’ny vola miditra amintsika mba hanampiana amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo eto an-tany

Tsy betsaka ilay izy. Raha ampitahaina amin’ny harena nalatsaky ny hafa tao amin’ny fandatsahan-drakitra dia anjara biriky kely fotsiny ireo farantsakely roa an’ilay mpitondratena. Saingy lehibe ny lanjan’ny fahafoizan-tena nataony. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra” (Marka 12:43). Nahoana no sarobidy tokoa toy izany ny fahafoizan-tena nataon’ilay mpitondratena? Satria “tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra” (Marka 12:44).

Ankehitriny isika dia tsy manome ara-bakiteny izay rehetra ananantsika rehefa mandoa fahafolonkarena mba hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Mangataka ny 10 isan-jaton’ny vola miditra amintsika fotsiny Izy. Fa afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ny fahafoizan-tena nataon’ilay mpitondratena nefa isika. Na manao ahoana na manao ahoana ny habetsaky ny 10 isan-jatontsika dia afaka manao ny fahafolonkarena ho resaka mahakasika ny finoana isika ary manokana izay ananantsika ho an’ny Tompo na dia tsy mora aza izany fahafoizan-tena izany amin’ny fotoana hanaovana azy.

Inona no atao hoe fahafolonkarena?

Ny fahafolonkarena dia fanokanana ny ampahafolon’ny vola miditra amintsika mba ho an’ny Tompo, amin’ny alalan’ny Fiangonana. Ny fanomezana io fanatitra io ho an’ Andriamanitra dia fomba iray ahafahantsika “[m]ametraka ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika, mihoatra noho ny fiahiantsika ny tenantsika sy ny tombontsoantsika manokana.” Manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany ny fahafolonkarena. Ampiasaina amin’ny tanjona maro izy ireo, anisan’izany ny fanorenana sy ny fikarakarana ireo tempoly sy trano fiangonana, ny fanohanana ny asa fitoriana, ary ny fanohanana ireo sekoly fianarana tantanan’ny Fiangonana. Mandidy ny Olomasin’ny Andro Farany ny Tompo mba hiaina ny lalàn’ny fahafolonkarena, na manahoana na manahoana ny toe-javatra iainan’izy ireo ara-toekarena amin’izao fotoana izao. Raha maneho ny finoantsika an’ Andriamanitra amin’izany fomba izany isika dia mampanantena ny hanome fitahiana sesehena ho antsika Izy (jereo ny Malakia 3:10).

Topimaso momba ny lohahevitra: Fahafolonkarena

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Ireo didy, Jeûne et offrandes de jeûne, Finoana an’i Jesoa Kristy, Fankatoavana

Fizarana 1

Didy fahiny naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao ny fahafolonkarena

ankizy mandoa fahafolonkarena

Ny lalàn’ny fahafolonkarena dia niainan’ny vahoakan’ Andriamanitra fahiny ary naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Genesisy 14:18–20; 3 Nefia 24:8–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4). Izany lalàna izany dia mitaky ny Olomasina hanome ny iray ampahafolon’ny vola miditra amin’izy ireo isan-taona amin’ny Tompo mba hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany sy hanampy amin’ny fanomezana izay ilain’ireo zanany.

Na dia lalàna ara-nofo aza ny fahafolonkarena dia lalàna ara-panahy ihany koa izany. Fomba iray ahafahantsika mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ny fanolorana na ny fanokanana ny ampahany amin’ny fidiram-bolantsika ho an’ny Tompo. Ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny asany mihoatra ny faniriantsika manokana dia manampy antsika ho lasa masina kokoa sy hanakaiky Azy kokoa.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Hevero ny hamaky ny Genesisy 14:18–20; 28:20–22 eo am-pisaintsainana ny antony nangatahana ny vahoakan’ Andriamanitra mba hiaina ny lalàn’ny fahafolonkarena hatramin’ny andro fahiny. Vakio avy eo ny tantaran’ny tenany manokana avy amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Saino amin’ny fomba selestialy!” mikasika ny fotoana iray izay nisafidianany hametraka ny Tompo ho lohalaharana tamin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena feno na dia tsy betsaka aza ny vola niditra tamin’izy ireo. Nampianatra izy hoe: “Mitaky finoana ny fandoavana fahafolonkarena, ary izany dia manorina koa ny finoana an’ Andriamanitra sy ny Zanany malalany.” Mitaky ny hanananao finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fiainana ny lalàn’ny fahafolonkarena? Ahoana no ampitomboan’izany ny finoanao Azy ireo?

Sahanasa hoentina miara-mianatra

  • Vakio ny Levitikosy 27:30–32 sy ny 2 Tantara 31:5–6 mba hahafantarana ny fomba nitandremana ny lalàn’ny fahafolonkarena fahiny. Nahoana araka ny eritreritrao no masina ho an’ny Tompo ny fahafolonkarena? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–12 mba hahitana ny fomba nanampian’ny fahafolonkarena an’ireo Olomasina tany aloha hanatanteraka ny asan’ny Tompo. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana azy ireo noho ny fankatoavana io lalàna io? Resaho ny fomba ahafahan’ny fandoavana fahafolonkarena manampy mba hanamafy ny faniriantsika manokana hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Ifanakalozy hevitra ny maha-sady lalàna ara-nofo no lalàna ara-panahy ny fahafolonkarena. Avy eo dia iaraho mamaky ny Marka 12:41–44, ary resaho ny maha-resaka finoana ny fandoavana fahafolonkarena. Azonareo atao ihany koa ny miara-mijery ny horonan-tsary “The Widow’s Mite” (1:57) na ny “Jésus enseigne le denier de la veuve” (1:14). Inona no dikan’ny hoe manome izay anananao rehetra ara-panahy rehefa manome ny fahafolonkarena ho an’ny Tompo ianao? Mampatanjaka ny finoanao sy manova anao ara-panahy amin’ny fomba ahoana ny fanomezana Azy izay anananao rehetra?

Hianatra misimisy kokoa

  • Hebreo 7:1–2, 9; Almà 13:13–15

  • Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 34.3.1, Médiathèque de l’Évangile

  • Sujets de l’histoire de l’Église, “Dîme,” Médiathèque de l’Évangile

  • Steven C. Harper, “La dîme de mon peuple,” ao amin’ny Révélations dans leur contexte (2016), 250–55

Fizarana 2

Mampanantena fitahiana ho an’ireo izay mankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena ny Tompo

vehivavy mitsiky

Mahazo fitahiana maro avy amin’ny Tompo isika rehefa miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena. Hoy ny Loholona Neil L. Andersen: “Mivoha amin’ny fomba maro ny varavaran’ny lanitra. Ny sasany ara-nofo, fa maro kosa no ara-panahy. Ny sasany dia manjavozavo ary mora hadinoina. Matokia ny fotoan’ny Tompo; tsy maintsy tonga ny fitahiana.” Rehefa mahay mijery tsara sy mahafantatra ireo fitahiana mibaribary sy tsy ampoizina avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena isika dia afaka mahatsapa fankasitrahana sy fitiavana ao am-pontsika ary manakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ampanantenaina fitahiana lehibe isika ao amin’ny Malakia 3:8–12 noho ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena. Ahoana no ahafahanao mahita kokoa ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainanao ankehitriny? Avereno jerena ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Ny varavaran’ny lanitra,” ary diniho avy eo ireo fomba tsotra izay nitahiana anao na azo hitahiana anao amin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena. Azonao atao angamba ny manoratra ny lisitr’ireo fitahiana nomen’ny Tompo anao ary misaintsaina izay mety ho vokatry ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena. Mampitombo ny fanirianao handoa fahafolonkarena feno sy hanatona an’i Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa tahiana ianao rehefa miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena?

  • Rehefa mampihatra finoana sy mandoa fahafolonkarena isika dia afaka manantena fitahiana avy amin’ny Tompo. Ao amin’ny lahateniny hoe “Comme un jardin arrosé,” ny Filoha Jeffrey R. Holland dia nanazava ny fomba nanohizan’i Mary Fielding Smith nandoa fahafolonkarena taorian’ny namonoana an’i Hyrum Smith vadiny. Hevero ny hamaky io tantara io ao amin’ny hafatry ny Filoha Holland. Inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’i Mary? Inona avy ireo fitahiana azonao raisina rehefa manomboka na manohy miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena ianao?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nampanantena antsika ny Tompo fa rehefa miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena isika dia “[hovohany] ny varavaran’ny lanitra” ary “[hampidina] fitahiana” eo amintsika Izy (Malakia 3:10). Inona no dikan’ny hoe hisokatra ny varavaran’ny lanitra rehefa mankatò io lalàna io isika? Iaraho mamaky ireto teny avy amin’ny Loholona Bednar ireto: “Mamela ny fahazavana ara-boajanahary hiditra ao anatin’ny trano iray ny varavarankely. Torak’izany koa ny fitaomana sy ny fivoarana ara-panahy izay arotsaka amin’ny alalan’ny varavaran’ny lanitra ary arotsaka eo amin’ny fiainantsika rehefa manaja ny lalàn’ny fahafolonkarena isika.” Azonareo atao angamba ny manakona vetivety ny hazavana miditra ao amin’ny efitrano iray avy eo amin’ny varavarankely iray na izay faritra misokatra hafa alohan’ny hamelana ilay hazavana hiditra indray. Ifanakalozy hevitra ny fiovana entin’ny fahazavana sy ny fomba ahafahan’ny fandoavana fahafolonkarena mitondra fahazavana na fanazavana ara-panahy ho anareo. Azonareo atao ihany koa ny mifampizara ny fomba niainanareo fanazavana ara-panahy teo amin’ny fiainanao manokana rehefa nankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena ianao.

Hianatra misimisy kokoa

  • Robert D. Hales, “Tithing: A Test of Faith with Eternal Blessings,” Liahona, Nov. 2002, 26–29

  • Sheldon F. Child, “The Best Investment,” Liahona, May 2008, 79–81

  • Yoshihiko Kikuchi, “Will a Man Rob God?,” Liahona, May 2007, 97–98

  • Valeri V. Cordón, “Ny fitenin’ny filazantsara,” Liahona, mey 2017, 55–57

Fizarana 3

An’ny Tompo ny volan’ny fahafolonkarena ary ampiasaina amin’ny alalan’ireo mpanompony

ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Ny fahafolonkarena dia ampiasaina mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra ara-nofo sy ara-panahy koa rehefa miparitaka manerana izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Azo tanterahina izany rehefa manolotra fahafolonkarena ho an’ny Fiangonana ny mpikambana. Ny filankevitra iray izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy no mamaritra ny fomba tsara indrindra ampiasana ireo vola masina ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 120:1).

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Ireo vola masina ireo dia tsy an’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana. An’ny Tompo izy ireo. Ireo mpanompony dia mahafantatra tsara fa masina ny fitantanan-draharaha ataon’izy ireo.” Mikatsaka ny sitrapon’ny Tompo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary mandray fanapahan-kevitra mikasika ny fahafolonkarena araka ny torolalana azon’izy ireo avy amin’ny Tompo.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ireo mpanompo voafidin’ny Tompo dia mpitantana ny vola omena ho fahafolonkarena. Nanazava ny Eveka Gérald Caussé hoe: “Ao amin’ny filazantsara, ny teny hoe fitantanan-draharaha dia manondro ireo andraikitra masina ara-panahy na ara-batana mba hikolokolo zavatra izay an’ Andriamanitra, izay maha-tompon’andraikitra antsika.” Ahoana no maha-andraikitra ara-panahy sy ara-nofo ho an’ireo mpanompon’ny Tompo ny fitantanan-draharaha amin’ny fahafolonkarena? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–17. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fanirian’ny Tompo “hamatsy ny Olomasi[ny]” amin’ny alalan’ny fitantanan-draharaha?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Maro amin’ireo fitahiana sitrahantsika ato amin’ny Fiangonana no azo noho ny vola omena ho fahafolonkarena izay ampiasaina mba hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao. Nampianatra ny Filoha Jeffrey R. Holland fa ireo “tempoly, trano fiangonana, seminera ary fanaovana asa soa” antsika dia azo tanterahina avokoa noho ireo fahafolonkarena arotsaky ny mpikambana ary “zara raha misy fomba hafa ahafahan’ireo fitahiana ireo ho tonga.” Mifampiresaha momba ireo fitahiana izay misy noho ny fahafolonkarena. Ahoana no ahafahan’ireo fitahiana ireo manampy antsika hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay sy hitondra antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’izy ireo mampitombo ny fanolorantenantsika handoa fahafolonkarena feno sy marina?

Hianatra misimisy kokoa