“Fifadian-kanina,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fifadian-kanina
Manakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy manampy ireo sahirana
Ny hoe tsy mihinan-kanina dia mety ho toy ny hoe manao noana, ary mety ho marina izany. Saingy rehefa tsy mihinan-kanina sy tsy misotro rano isika satria mankatò ny lalàn’ny fifadian-kanina, dia tsy vitan’ny hoe mandingana sakafo fotsiny isika. Mitandrina ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra izay manampy antsika ara-panahy hanakaiky Azy kokoa isika.
Amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia mamela ny sasany amin’ireo zavatra izay ianteherantsika ara-batana isika ary misafidy kosa ny hiantehitra amin’ Andriamanitra. Mitsaoka Azy isika ary mikatsaka ny fanomezany fampiononana, fitarihana ary tanjaka. Mifady hanina sy mivavaka ho an’ny hafa koa isika rehefa marary izy ireo na mila fitahiana manokana. Rehefa manaiky ny fanasan’ny Tompo mba hifady hanina isika dia lasa feno fangorahana kokoa, be fitiavana kokoa, manetry tena kokoa, ary vonona kokoa ny hanompo—mitovy kokoa amin’izay ataon’i Jesoa Kristy.
Inona no atao hoe fifadian-kanina?
Amin’ny ankapobeny ny fifadian-kanina dia ahitana “vavaka, tsy fihinanana sakafo na zava-pisotro mandritra ny fe-potoana 24 ora (raha mahazaka izany ny vatany), ary fanomezana fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana.” Asaina ny Olomasin’ Ny Andro Farany mba hifady hanina farafahakeliny indray mandeha isam-bolana ary hanolo-tena hanome ny fitambaran’ny vola izay ho nolanian’izy ireo tamin’ny sakafo nandritra ny fifadian-kanina nataony mba hanampiana ireo olona hafa sahirana. Samy afaka mifady hanina daholo na ny isam-batan’olona na ny vondrona. Ny fifadian-kanina dia mihoatra noho ny hoe “tsy mihinan-kanina fotsiny”—fomba iray “hankaherezana ny fontsika, ny saintsika, sy hanandratana ny feontsika hifandray amin’ny Raintsika any An-danitra” ary hikatsahana ny sitrapony sy ireo fitahiana avy Aminy izany.
Topimaso momba ny lohahevitra: Fifadian-kanina
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Vavaka, Fanambarana, Caring for Those in Need
Fizarana 1
Nanorina ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina Andriamanitra mba hitahiana ireo zanany
Niaina ny lalàn’ny fifadian-kanina ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ny andro fahiny (jereo ny Eksodosy 34:28; Estera 4:16; Matio 6:16–18; Almà 45:1). Namerina nampahafantatra io lalàna io ihany koa ny Tompo amin’izao androntsika izao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:76). Tsy mihinan-kanina sy tsy misotro rano mandritra ny 24 ora ny Olomasin’ny Andro Farany rehefa manao fifadian-kanina raha vitan’ny vatan’izy ireo izany. Ireo izay tsy afaka mifady hanina sy tsy misotro rano mandritra ny 24 ora dia afaka manapa-kevitra ny amin’izay mety ho fifadian-kanina azo atao mba hanampy azy ireo hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.
Miara-mifady hanina tsy tapaka ireo mpikamban’ny Fiangonana, raha ny mahazatra dia ny Sabata voalohan’ny volana tsirairay. Manolotra vola hatao fanomezana ihany koa izy ireo, izay antsoina hoe fanatitra amin’ny fifadian-kanina, farafahakeliny mitovy sanda amin’ny vidin’ny sakafo izay tsy nohanin’izy ireo nandritra ny fifadian-kanina nataony. Ny fanomezan’izy ireo dia manampy amin’ny fanomezana sakafo, trano fialofana, fitafiana, ary ireo zavatra hafa ilaina ho an’ireo izay sahirana. Mitondra fitahiana ara-panahy ihany koa ny fifadian-kanina. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny fifadiantsika hanina hanampiana ireo noana dia fihetsika mifono fiantrana, ary raha atao amin-kitsim-po, dia tena fivokisana ara-panahy.”
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Efa hatramin’ny andro fahiny no nitahian’ny lalàn’ny fifadian-kanina ireo zanak’ Andriamanitra. Vakio ny Isaia 58:6–11 mba hahafantarana ny sasany amin’ireo fitahiana ireo. Vakio avy eo ny Matio 25:35–40. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny fifadian-kanina sy ny fikarakarana ireo sahirana? Azonao atao angamba ny mandinika ombam-bavaka ireo andininy ireo amin’ny fotoana manaraka hifadianao hanina na hanaovanao fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Mahatonga ny zavatra iainanao amin’ny lalàn’ny fifadian-kanina ho manan-danja kokoa amin’ny fomba ahoana ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy?
-
Ao amin’ny Fiangonana dia atao isam-bolana ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Vakio ny Almà 5:45–48 mba hianarana ny fomba ahafahan’ny fifadian-kanina manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Azonao atao angamba ny mamerina mijery ireo andininy ireo alohan’ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona manaraka izay atrehanao. Rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantatrao sy inoanao ary tsapanao momba an’i Jesoa Kristy ianao, dia ahoana no hitondran’izany tanjona misimisy kokoa amin’ny fifadian-kaninao? Ahoana no ahafahan’izany manampy ireo olona hafa izay mifady hanina? Azonao atao ihany koa ny mirakitra an-tsoratra ireo bitsika ara-panahy voarainao rehefa mihaino ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny hafa ianao ary avy eo dia manao asa mifanaraka amin’izany.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Tombontsoa masina izay mitondra fahagagana ny fifadian-kanina. Jereo ny horonan-tsary “Fast Offerings: Are We Not All Beggars” (2:31), ary avy eo dia resaho ny fomba hanampian’ny lalàn’ny fifadian-kanina antsika hikarakara sy hitia ny hafa tahaka izay ho nataon’i Jesoa. Azonareo atao ihany koa ny mamaky na miara-mihira ilay fihirana hoe “Seigneur, j’ai tant reçu”. Resaho ny fomba nanehoan’ny Tompo falalahan-tanana taminao rehefa niaina ny lalàn’ny fifadian-kanina ianao. Ataovy lisitra na ataovy sary ireo fahagagana niainanao, ary ifanakalozy hevitra ny fomba hitahian’izy ireo ny fiainanao.
-
Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Mahavita mihoatra noho ny manampy amin’ny famahanana sy fanafiana vatana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina omenareo. Hanasitrana sy hanova fo izany.” Iaraho mandinika ny hafatry ny Filoha Eyring hoe “Tsy izao va no fifadian-kanina izay ankasitrahako?” Avy eo dia azonao atao ny mizara ny fomba nanasitranan’ny fanomezana na ny fandraisana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny fonao sy nanovan’izany ny fonao. Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboan’ireo zavatra niainana ireo ny fitiavanao ireo zanak’ Andriamanitra? Ahoana no nanampian’izany anao hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo anao?
Hianatra misimisy kokoa
-
Dean M. Davies, “Ny lalàn’ny fifadian-kanina: andraikitry ny tena manokana mba hikarakara ny mahantra sy ny sahirana,” Liahona, nôv. 2014, 53–55
-
Carl B. Pratt, “The Blessings of a Proper Fast,” Liahona, Nov. 2004, 47–49
-
Sujets de l’histoire de l’Église, “Jeûne”, Médiathèque de l’Évangile
Fizarana 2
Manampy antsika hiomana handray ireo fitahian’ Andriamanitra ny fifadian-kanina sy ny vavaka
Mifady hanina noho ny antony maro ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fifadian-kanina dia fomba iray hanampiana ny hafa sy hitsaohana an’ Andriamanitra ary hanehoana fankasitrahana Azy (jereo ny Almà 45:1). Afaka mifady hanina ihany koa isika mba hikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ Andriamanitra na hangatahana Azy mba hitahy ny marary sy ny ory (jereo ny Salamo 35:13; Almà 5:46). Amin’ny alalan’ny fifadian-kanina no ahafahantsika mahazo hery hanoherana ireo fakam-panahy sy mahazo fampiononana mandritra ireo fitsapana (jereo ny Matio 4:2–4; Almà 30:1–2). Ankoatra izany, ny fifadian-kanina dia manampy antsika hanetry tena kokoa, satria mampahatsiahy antsika izany fa miankina tanteraka amin’ Andriamanitra isika (jereo ny Salamo 35:13).
Miaraka ny vavaka sy ny fifadian-kanina. Ny fifadian-kanina dia afaka manampy singa iray amin’ny fahitsim-po sy ny fanoloran-tena amin’ny vavaka ataontsika, ary ny vavaka dia manatsara ny fifadian-kanina ataontsika mba tsy ho fandinganana sakafo fotsiny ihany fa mba hananana fifandraisana marina amin’ Andriamanitra. Ny fifadian-kanina sy ny vavaka miaraka dia misy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny fanetrentenantsika sy ny finoantsika an’i Kristy (jereo ny Helamàna 3:35).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Indraindray dia mety ho sarotra ny fifadian-kanina, kanefa mitondra fitahiana ara-panahy maro ihany koa izany. Vakio ny Matio 4:1–4, anisan’izany ny Dikantenin’Joseph Smith andininy 1 sy 2, mba hahitana ohatra amin’ny fotoana nifadian’i Jesoa Kristy hanina. Nahoana no zava-dehibe ho an’i Jesoa ny niaraka tamin’ Andriamanitra tamin’izany fotoana izany? Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka manampy anao hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Ahoana no ahafahanao manao ny vavaka ho avy amin’ny nahim-po kokoa ao anatin’ny fifadian-kanina ataonao? Manaova asa mifanaraka amin’izay fitaomam-panahy voarainao.
-
Afaka manampy anao ho fitaovana eo an-tanan’ny Tompo ny fifadian-kanina sy ny vavaka. Vakio ny Almà 17:1–3, 9. Inona avy ireo fitahiana ara-panahy tonga tamin’ireo zanakalahin’i Môzià avy tamin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka ka nanampy azy ireo hanao ny asan’ny Tompo? Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo rehefa manompo ny zanak’ Andriamanitra sy manatanteraka ny antsonao ary mizara ny filazantsara ianao?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ny Filoha Russell M. Nelson, amin’ny lahateniny hoe “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” dia nizara tantara iray momba ireo Olomasina ao Samoa, Fidji, Tahiti ary Tonga, izay nifady hanina sy nivavaka mba hisian’ny fahagagana. Vakio io tantara io, ary resaho avy eo ireo tendrombohitra na olana eo amin’ny fiainanao manokana (jereo ny Matio 17:14–21). Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’ny Filoha Nelson mikasika ny fomba ahafahan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka mitondra ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao? Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny eritreritrareo rehefa avy nijery sarina tendrombohitra na niaraka nandeha nihanika tendrombohitra. Azonareo atao ihany koa ny miresaka momba ireo fitahiana sy fahafahana nomena anareo rehefa nifady hanina sy nivavaka tamim-pinoana ianareo.
-
Mazàna ny fifadian-kanina dia midika hoe tsy mihinana na misotro, fa afaka mandray anjara amin’ny karazana fifadian-kanina hafa koa isika. Nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2018 dia nanoro hevitra ny Filoha Nelson hoe: “Manasa anareo aho handray anjara amin’ny fanalavirana mandritra ny 10 andro ny tambazotran-tserasera sy ny fitaovan-tserasera hafa izay mitondra eritreritra ratsy sy maloto ao an-tsainareo. Mivavaha mba hahafantarana izay fitaomana hoesorinareo mandritra izany fifadian-kanina ataonareo izany. Tsy hampoizinareo ny vokatry ny fanalavirana mandritra ny 10 andro izay hataonareo. Inona no tsikaritrareo rehefa avy miato amin’ny fanaon’izao tontolo izao izay mandratra ny fanahinareo? Misy fiovana ve izay tianareo handaniana ny fotoanareo sy ny tanjakareo izao? Misy niova ve ny laharam-pahamehanareo, na dia kely fotsiny aza? Mamporisika anareo aho mba hirakitra sy hanaraka ny fahatsapana tsirairay.” Resaho miaraka ao anatina vondrona iray ny zavatra sasantsasany azonareo hifadiana hanina izay mety hanakana anareo tsy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Avy eo dia ataovy ny fanamby nomen’ny Filoha Nelson. Rehefa avy mifady hanina ianareo dia ifanakalozy hevitra ny fomba nitarihan’ny vavaka ny zavatra niainanareo sy ny fomba nitahiana anareo noho ny fifadianareo hanina tamin’izany fomba izany.
Hianatra misimisy kokoa
-
Nehemia 1; Asan’ny Apostoly 10:30–33; 13:3; Môzià 27:22; Almà 17:3; 3 Nefia 27:1–2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:13–14
-
James B. Martino, “Mitodiha any Aminy dia hahazo valiny ianao”, Liahona,, nôv. 2015, 58–60
-
“The Hope of God’s Light” (Horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile