Tahirim-pitaovana
Mikarakara ireo sahirana


“Mikarakara ireo sahirana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

zatovovavy manampy vehivavy zokiolona iray miampita arabe

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Mikarakara ireo sahirana

Afaka ny ho tanan’ Andriamanitra isika mba hanampy ny hafa

Efa mba nieritreritra ireo fahasahiranana sy fijalian’ny olona manodidina anao ve ianao ka nanontany tena hoe: “Olon-tokana ihany aho, inona no soa mety ho vitako?” Mety hoe olon-tokana fotsiny ianao, kanefa ianao mbola afaka mandray anjara lehibe ihany amin’ny fanaovana zavatra madinika sy tsotra mba hanampiana ireo sahirana. Ary zava-tsoa lehibe no tontosa isan’andro rehefa maro ireo olona manampy araka izay vitany amin’ny fombany na aiza na aiza izy ireo.

Afaka mikarakara ny sahirana manodidina anao ianao rehefa mizara ny fotoananao sy ny talentanao ary “[mizara] amin’ny fananana[o] amin’ny mahantra, … araka izay [ananao], toy ny famahanana ny noana, ny fanafiana ny mitanjaka, ny famangiana ny marary sy ny fiahiana ny fanampiana azy, na ara-panahy na ara-batana” (Môzià 4:26).

Inona no atao hoe mikarakara ny sahirana?

Ny hoe mikarakara ny sahirana dia midika hoe manampy ny hafa ara-nofo, sy ara-panahy, ary ara-pihetseham-po. Tafiditra ao anatin’izany ny “fanompoana ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiarahamonina; fizarana ireo loharanom-pitaovana … amin’ireo sahirana; [ary] fanampiana ny hafa ho lasa mizaka tena.” Ny fikarakarana amin’ny filàna ara-batana dia mety midika hoe manome ireo zavatra ilaina eo no ho eo, saingy mety midika ihany koa izany hoe manampy ny olona ho lasa mizaka tena kokoa mba hahafahan’izy ireo mahita izay ilainy manokana amin’ny hoavy. Ny fikarakarana amin’ny filàna ara-pihetseham-po sy ara-panahy dia ahitana ny fihainoana, sy ny fangorahana ary ny fanampiana ny hafa hahafantatra fa tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika dia manao fanekempihavanana isika ny hanompo sy hanampy amin’ny fikarakarana ireo manodidina antsika.

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fiantrana, Fifadian-kanina

vehivavy manisy entana anaty baoritra

Fizarana 1

Mandidy antsika hitia sy hanompo ny hafa Andriamanitra

Tia ny zanany rehetra Andriamanitra ary te hitahy azy ireo Izy. Matetika ny fomba hitahian’ Andriamanitra ny zanany dia amin’ny alalan’ny asa fanompoana izay ataontsika amin’ny hafa. Eny tokoa, iray amin’ireo didy roa lehiben’ Andriamanitra ny mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo ny Marka 12:28–34). Ny fomba iray hanarahantsika io didy io dia ny “mifanompo … [sy] manampy ireo izay mila fanampina” (Môzià 4:15–16).

Ao amin’ny tempolin’ny Tompo isika dia manao fanekempihavanana ny hanolotra sy hanokana izay rehetra ananantsika ho Azy. Ny fomba iray hanaovantsika izany dia amin’ny alalan’ny fanomezana amim-pahalalahan-tanana ny fotoanantsika sy ny ezaka ataontsika hanampiana ny olona manodidina antsika. Rehefa manao izany isika dia afaka manorina fifandraisana lalina kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ho tonga tahaka Azy Ireo kokoa.

Tsy tsotra na mora foana ny manao asa fanompoana. Saingy afaka mitondra fampiononana sy fahasambarana ho an’ny hafa isika rehefa mitia sy manompo azy ireo. Ary amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa dia afaka miaina fifaliana marina sy fahatsapana te-hanatratra tanjona isika amin’ny fanaovana zavatra tena manan-danja.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Raha te hanampy ireo izay sahirana ianao kanefa tsy azonao antoka hoe ahoana no hanaovana azy dia afaka manampy ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Mby amin’ny lalan’ny adidiny.” Nampianatra ny Loholona Bednar hoe: “[Ny] rahalahy sy rahavavy mahay mamantatra [dia] mitady ireo olona manirery ka mipetraka eo akaikin’izy ireny mandritra ny fivoriam-piangonana sy any amin’ny toe-javatra hafa. Tsy mitsahatra izy ireo miezaka –[mampionona] ireo izay mila fampiononana,– “Môzià 18:9] tsy miandrandra fankasitrahana na mila dera.” Azonao averina jerena ny hafany ary mitady fomba kely sy tsotra hanompoana olona iray sahirana. Soraty ireo hevitrao ary manaova asa araka ireo fahatsapana voarainao.

  • Nanoro hevitra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny lehilahy heniky ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy mifaly fotsiny amin’ny fitondrana fitahiana ho an’ny fianakaviany, fa mitety an’izao tontolo izao, maniry ny hitahy ny zanak’olombelona rehetra.” Nahoana araka ny eritreritrao no te hitahy ny olombelona rehetra ny olona iray heniky ny fitiavan’ Andriamanitra? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mizara ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny hafa? Amin’ny fomba ahoana ny asa feno fitiavana sy hatsaram-panahy ataonao no manova anao ihany koa?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Iaraho mamaky ny Lioka 10:25–37. Azonao jerena ihany koa ilay horonan-tsary hoe “Parable of the Good Samaritan” (4:55). Raha miara-mianatra amina ankizy ianao dia mety hankafizin’izy ireo ny milalao an-tsehatra ilay fanoharana. Avy eo dia azonareo resahana ny fomba nankatoavan’ilay Samaritana ilay didy mba hitia ny namany. Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra nataon’ilay mpisorona sy ilay Levita. Inona avy ireo antony sasany tsy hanompoantsika ireo sahirana indraindray? Ahoana no ahafahantsika mandresy ireo sakana ireo? Azonareo atao ny mifampizara zavatra niainana rehefa nanompo olona sahirana ianareo, na tamin’ny fotoana nanompoan’ny olona iray anao, sy ny zavatra tsapanao. Afaka samy mametraka tanjona ianareo ny hanompo olona iray isan’andro mandritra ny herinandro ary avy eo dia hanao tatitra momba ireo zavatra niainanareo.

  • Vakio ny Môzià 2:17, dia resaho ny fomba hanompoanao an’ Andriamanitra rehefa manompo ny hafa ianao. Azonao atao avy eo ny mijery ilay horonan-tsary “Day of Service” (5:08). Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ireo olona tao amin’ilay horonan-tsary rehefa nanompo izy ireo? Ahoana no nitahiana ny fiarahamonina? Diniho ny fomba ahafahanao mandray anjara ao anatin’ny vondrona amin’ny andro iray hanompoana. Azonao atao ny mijery ao amin’ny JustServe.org mba hakana hevitra.

Hianatra misimisy kokoa

  • Deotoronomia 15:11; Isaia 1:17; Matio 20:26–27; 22:36–40; Jakôba 2:17–19

  • Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 96–100

  • Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, toko 21–22, Médiathèque de l’Évangile

lehilahy manampy vehivavy mitondra entana

Fizarana 2

Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika rehefa mikarakara ireo sahirana

I Jesoa Kristy no ohatra lehibe ho antsika amin’ny fanompoana sy fanampiana ny hafa; tena “nandeha nanao soa” Izy (Asan’ny Apostoly 10:38). Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany dia asaina isika mba hikarakara ireo manodidina antsika (jereo ny Môzià 18:8–10).

Amin’ny maha-mpanaradia an’i Kristy dia miezaka ny mijery ny hafa tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo isika—toy ny fananana lanja tsy manam-petra sy ny fahafahany ho tahaka an’ Andriamanitra. Manampy azy ireo amin’ny filàna ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po isika. Namahana ny noana ny Mpamonjy ary nampionona ireo izay naratra (jereo ohatra ny Matio 14:14–21; Lioka 7:11–15). Afaka manao toy izany koa isika. Ohatra, izany dia mety midika hoe mitondra sakafo ho an’ny mpifanolobodirindrina sahirana, na mipetraka eo akaikin’ny namana iray izay namoy olon-tiana ary mihaino azy, na manampy amin’ny fikarakarana olona iray marary. Tsy manantena ny handray tambiny isika rehefa manompo ny hafa.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Tamin’ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny aprily 2010 ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra hoe: “Raha maka tahaka ny ohatra tonga lafatra nasehon’[i Jesoa Kristy] isika dia afaka ho lasa tanany ny tanantsika, ho lasa masony ny masontsika ary ho lasa fony ny fontsika.” Midika inona amin’ny tananao sy ny masinao ary ny fonao izany hoe tanana sy maso ary fon’ny Mpamonjy izany. Inona no fiantraikan’izany fomba fisainana izany amin’ny fomba fanompoanao ny hafa? Vakio ny 1 Jaona 3:17–19, ary saintsaino ny zavatra ampianarin’izany momba ny fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no hitaoman’ireo andininy ireo anao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa manompo ireo manodidina anao ianao? Afaka mieritreritra olona iray izay mila fanampiana na fampaherezana ianao ary manao asa fanompoana tsy mitonona anarana ho an’izany olona izany. Na afaka manompo olona iray ianao amin’ny alalan’ny fihainoana ny ahiahiny na amin’ny alalan’ny maha-tena namana marina. Azonao raketina avy eo ny eritreritrao momba ilay zavatra niainana.

  • Azonao atao ny mamaky na mihira ny tonon’ny fihirana iray momba ny fanampiana ireo sahirana, toy ny “Seigneur, je te suivrai na ny “Seigneur, j’ai tant reçu.” Rehefa mieritreritra ny tonon’ilay hira ianao dia eritrereto ny fomba hanarahanao ny Mpamonjy rehefa manompo ny hafa. Inona avy ireo fitahiana efa azonao ka azonao zaraina mba hampitraka ireo manodidina anao amin’ny fomba nanaovany azy?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong hoe: “Lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa isika rehefa manao –amin’ireto … kely indrindra ireto– tahaka izay ho nataontsika Taminy [jereo ny Matio 25:35–40], rehefa mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika [jereo ny Marka 12:31], sy rehefa mifankatia tahaka ny itiavany antsika isika [Jaona 13:34], ary rehefa hoe –izay te-ho lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.– [Matio 20:26].”

    “Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia mikatsaka ny hanompo ny hafa tahaka ny ataony isika satria misy fiainana miandry hovaina.”

    Azonao atao ny miresaka momba ny fomba sasany nanompoan’i Jesoa Kristy ny hafa (jereo ny Matio (jereo ny Matio 14:13–21; Marka 2:1–12; Lioka 17:11–19; Jaona 9:1–7; 11:1–44). Azonao atao ihany koa ny mitady ny sarin’ny sasany amin’ireo tantara ireo ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ao amin’ny angona “Horonan-tsary sy sary” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Ifampizarao ny zavatra nanaitra anao momba ny fomba nikarakaran’ny Mpamonjy ireo sahirana. Azonao atao avy eo ny misafidy zavatra iray momba ny fomba fanompoan’ny Mpamonjy izay tianao arahina. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny zavatra ataonao mitahy marina ireo izay manana “fiainana miandry hovaina.”

Hianatra misimisy kokoa

mpiangona ao amin’ny fiangonana

Fizarana 3

Mikarakara ny hafa isika rehefa manompo amin’ireo antso ao am-piangonana

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanome andraikitra manan-danja an’ireo mpianany i Jesoa Kristy mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Rainy (jereo ohatra ny Lioka 10:1–9). Manasa antsika ihany koa ny Tompo mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ankehitriny. Antsoina hoe antso ireo fahafahana hanompo ireo.

Ny antso dia andraikitra avy amin’ny Tompo ho an’ireo zanany izay manome azy ireo fahafahana hanompo ao amin’ny Fiangonany ary hanakaiky Azy sy ireo mpikambana hafa. Ireo antso ireo dia atolotra amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, izay mikatsaka fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo alohan’ny hanolorana fanasana mba hanompo. Ny antso sy andraikitra rehetra ato am-piangonana dia manan-danja amin’ny fanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra sy ny fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Eritrereto ireo antso na andraikitra nanananao tao amin’ny Fiangonana rehefa mamaky ny Jaona 15:16 ianao. Vakio avy eo ity fampianarana nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ity: “Mahafantatra anareo ny Tompo. Fantany hoe iza no tiany hanompo ao amin’ireo andraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonany. Nisafidy anareo Izy.” Eritrereto ny “vokatra” hitanao avy amin’ny fanompoana ao amin’ny antsonao na ny asa nampanaovina anao. Nahoana ny Tompo no mety nisafidy anao amin’ny antsonao amin’izao fotoana izao? Inona no azonao atao amin’ny antsonao mba hahafahan’ny asa fanompoanao hisy fiantraikany maharitra eo amin’ny hafa sy “haharetan’ny vokatrareo”?

Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Azonao soritana imbetsaka ny tongotrao mba hanaovana dian-tongotra tsotra ary avy eo dia manoratra ao anatin’ny dian-tongotra tsirairay ny fomba iray ahafahantsika manakaiky kokoa an’i Kristy rehefa manompo ao amin’ny antsontsika sy ny asa ampanaovina antsika ato am-piangonana isika. Avy eo dia azonareo vakina miaraka ity fampianarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity: “Raha toa ka raisintsika ho fahafahana manompo an’ Andriamanitra sy manompo ny hafa amim-pinoana sy amim-panetrentena ny antsontsika dia ho dingana iray atao eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra ny asa fanompoana rehetra.” Azonao atao avy eo ny mifampizara ny zavatra nosoratanao. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanompoana amim-pinoana sy amim-panetrentena bebe kokoa amin’ny antsonao. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana tonga, ary avy eo dia manaova zavatra araka izany.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny fikarakarana ireo sahirana

Fanamarihana

  1. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2.2, Médiathèque de l’Évangile.

  2. David A. Bednar, “Mby amin’ny lalan’ny adidiny,” Liahona, nôv. 2023, 7.

  3. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 426.

  4. Fomba iray ahafahantsika manome ny zavatra ilaina ara-nofo dia amin’ny alalan’ny fanomezana fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

  5. Ny olon-dehibe mpikamban’ny Fiangonana sy ny zatovo rehetra izay feno 14 taona no ho miakatra dia afaka manompo ho rahalahy na rahavavy mpanompo ny hafa. Amin’izay fomba izay, ny mpikambana tsirairay dia afaka manampy amin’ny fikarakarana sy ny finamanana no sady voakarakara sy mahazo namana ihany koa. Jereo toko 21 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa.

  6. (Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no tanako,” Liahona, mey 2010, 68.

  7. Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141

  8. Seigneur, j’ai tant reçu,” Cantiques, no. 139.

  9. Gerrit W. Gong, “Fanompoana,” Liahona, mey 2023, 18–19, 16.

  10. Jereo ny Boky torolalana maneran-tany, 30.0.

  11. Jereo ny Boky torolalana maneran-tany, 1.2.

  12. Henry B. Eyring, “Rise to Your Call,” Liahona, Nov. 2002, 76.

  13. Dieter F. Uchtdorf, “Izay lehibe aminareo,” Liahona, mey 2017, 80.