“Mianatra sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Mianatra sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
Manatona kokoa an’i Kristy amin’ny alalan’ny fotopampianarany
Manana hery lehibe ny fianarana. Manokatra ny saintsika hahazo hevi-baovao ny fahalalana ary mahatonga ny zavatra iainana mahatalanjona maro ho azo tanterahina. Fa mbola manan-danja kokoa noho izany aza ny fianarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny fianarana sy ny fivoarana no sasany amin’ireo antony manan-danja indrindra nahatongavantsika teto an-tany. Ny fianarana no manome fahafahana antsika ho lasa ilay tena natao hahatongavantsika sy hahatratra ny hery anaty tokony hananantsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra sy mpandova ny fanjakany antsika. Iray amin’ireo tanjona fototra ahatongavana eto amin’ity tany ity ny hianatra zavatra izay tsy ho azontsika nofantarina tamin’ny fomba hafa ankoatra izany.
Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia manana fahafahana maro ihany koa isika hampianatra ny filazantsarany sy hizara ny fiadanany sy ny fifaliany amin’ny hafa. Nilaza izao tamin’ireo Olomasina teo aloha ny Tompo hoe: “Manendre mpampianatra iray eo anivonareo, ary aoka tsy indray ho mpitondra teny ny rehetra; fa aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra, mba hananan’ny olona tsirairay zo mitovy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122). Voatahy avokoa isika rehetra rehefa mihaino sy mampihatra finoana amin’ny hafatry ny filazantsara araka izay ampianarin’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana, ny mpampianatra, ny ray aman-dreny, ny zanaka ary ny hafa. Afaka mianatra sy mampianatra ny filazantsara avokoa isika rehetra any am-piangonana, any an-tokantrano, ary na aiza na aiza misy antsika.
Nahoana no zava-dehibe ny mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy mampianatra izany amin’ny hafa?
Mandalina sy mampianatra ny filazantsara isika mba hanamafisana orina ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny finoan’ireo manodidina antsika. Manampy antsika hitovy kokoa amin’Izy Ireo ihany koa izany ary hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra any aoriana any mba hiara-hiaina amin’ Izy Ireo. Rehefa mampianatra ny filazantsara isika dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy, izay mpampianatra lehibe indrindra. Rehefa mianatra sy miaina ny filazantsara isika ary avy eo mampianatra izany amin’ny hafa dia afaka manohy mandeha amin’ny lalana miverina any amin’ Andriamanitra avokoa.
Topimaso momba ny lohahevitra: Mampianatra ny filazantsara
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Conversion to Jesus Christ, Prophètes, Soratra masina, Truth
Fizarana 1
Mikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny finoana isika
Afaka mivoatra ara-panahy isika amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mianatra ireo fampianaran’ny filazantsarany isika rehefa mamaky ny soratra masina amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny alalan’ny finoana ary rehefa manaraka ny “feon’ny mpanompo[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia azo hamafisina amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa mandalina sy manao asa mifanaraka amin’ny zavatra ianarantsika isika, izay manampy antsika hivoatra sy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra kokoa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23).
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!” Ahoana no namaliana ny fanontaniana sy ny olanao rehefa nandalina ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ianao? Ahoana no nanampian’ny finoanao anao hianatra ny valinteny nilainao nandritra ireo fotoana ireo? Eritrereto ny zavatra azonao ianarana momba ny Mpamonjy amin’ity herinandro ity amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny finoana izay afaka manampy anao amin’ny fanontaniana na ahiahy izay hatrehanao amin’izao fotoana izao. Afaka manoratra drafitra iray ianao ary mametraka fampahatsiahivana mba harahina avy eo.
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Vakio sy saintsaino ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118. Inona no maha samy hafa ny fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana? Ahoana no hiarahan’ireo fitsipika roa ireo miasa? Moa ve isika manao ny fandalinana ny filazantsara amin’ny fomba hafa noho ny fianarana any an-tsekoly na amin’ny fianarana zavatra an-jotra? Nahoana? Ary inona no tian’ny Tompo holazaina amin’ny hoe “boky tsara indrindra”? Azonareo atao ny mandalina fizarana iray ao amin’ny “Hanafaka anao ny fahamarinana” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy ary avy eo dia miresaka momba ireo zavatra nianaranao mifandray amin’ireo fitahiana avy amin’ny fahazoana fahalalana. Hevero ny hametraka tanjona mifandray amin’ny zavatra nianaranao.
Hianatra misimisy kokoa
-
Almà 1:26; 31:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:53
-
David A. Bednar, “Mianatra araka ny fomban’ny Tompo,” Liahona, ôkt. 2018, 50–53
-
Ulisses Soares, “Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany,” Liahona, mey 2022, 115–17
-
“Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2022), 24–27
Fizarana 2
Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika rehefa mampianatra ny filazantsarany
Isika rehetra dia mila “[fahanana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra,” (Môrônia 6:4) mba hanampiana antsika hahatratra izay tena tokony hahatongavantsika mandrakizay. Ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika rehetra hivoatra ara-panahy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Rehefa mampianatra amim-pitiavana araka ny fitarihan’ny Fanahy isika dia afaka mahatsapa ny fahamarinan’ireo hafatra zaraintsika ny rehetra ary afaka maniry ny hiova sy hanaraka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12–14).
Manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fampianarana ny hafa isika (jereo ny Jaona 7:14–18) rehefa tia ireo izay ampianarintsika, mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy, mampianatra ny fotopampianarana marin’i Kristy, ary manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Ny fanaovana izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana dia ahitana ny famporisihana ny mpianatra hanao zavatra. “Hatrany am-piandohan’ny asa fanompoany dia nanasa ny mpanara-dia Azy ny Mpamonjy mba hiaina mivantana ireo fahamarinana sy ny hery ary ny fitiavana izay atolony. Nataony izany satria izany mihitsy no atao hoe fianarana. Tsy fihainoana na famakiana fotsiny fa fiovana sy fibebahana ary fivoarana ihany koa.”
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Ny fampahafantarana ny Avia, hanaraka Ahy dia manampy antsika hahatakatra ny antony maha-andraikitra masina ny fampianarana. Izao no voalaza ao hoe: “Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara dia ny mba hampahalalina kokoa ny fiovam-pontsika ary ny mba hanampiana antsika ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.” Azonao atao ny misafidy fizarana iray hohalalinina ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy mba hanampiana anao hampianatra tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Ahoana no ahafahanao mampianatra tsara kokoa ny filazantsara mba hitarihan’izany anao sy ny hafa ho tonga tahaka Azy kokoa? Inona avy ireo zavatra madinika azonao atao mba hampianarana amin’ny fomba tsara kokoa ny filazantsara any an-tokantrano, na any am-piangonana, na any amin’ny toerana hafa? Ahoana no ahafahanao mikatsaka ny hianatra amim-pahazotoana kokoa ny filazantsara mba hahafahanao mampianatra izany ny hafa amin’ny fomba tsara kokoa?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ny Loholona John C. Pingree Jr. dia nampianatra ao amin’ilay hafatra nozarainy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany hoe “Fahamarinana mandrakizay,” fa: “Ny tanjontsika dia ny mampianatra fahamarinana amin’ny fomba izay manasa ny herin’ny Fanahy Masina izay afaka mampiova fo.” Avy eo izy dia nizara fanasana tsotra miisa fito avy amin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny izay afaka manampy antsika hanasa ny Fanahy rehefa mampianatra. Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fitsipika fito ireo sy ny fomba ahafahan’izy ireo manampy antsika hampianatra ny filazantsara amin-kery amin’ny alalan’ny Fanahy. Azonareo atao angamba ny mamorona fomba mahafinaritra hifanampiana mba hahatsiarovana ireo fitsipika fito hahafahanareo mampihatra azy ireo, toy ny hoe mamorona fanafoizan-teny amin’ny fampiasana ny litera voalohany ihany na teny fohy tsotra hafa hanatsarana ny fitadidiana.
-
Ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, ny Fiadidiana Voalohany dia nanome fanasana mba: “hianatra kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba nampianarany ny filazantsara. Halalino ombam-bavaka ny teniny, sy ny zavatra nataony, ary ny toetrany, dia miezaha manaraka Azy akaiky kokoa.” Ifanakalozy hevitra ny sasany amin’ireo teny sy zavatra nataon’ny Mpamonjy ary ireo toetrany. Ahoana no ahafahan’izy ireo manampy anao hanasa ny Fanahy rehefa mampianatra ny filazantsara ianao? Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ihany koa dia mizara ireto fitsipika efatra amin’ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy ireto: tiavo ireo izay ampianarinao, mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy, mampianatra ny fotopampianarana, ary manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana. Resaho ireo fomba ahafahanareo mampihatra ireo fitsipika ireo rehefa mampianatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana ary any amin’ny toerana hafa ianareo. Azonareo atao ihany koa ny mamita ny tomban’ezaky ny tena manokana ao amin’ny pejy 37 ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo hevi-baovao azonareo ary avy eo dia diniho ombam-bavaka raha toa ka misy fanovana azonareo atao amin’ny fomba fiomananareo sy hampianaranareo ny filazantsaran’i Kristy.
Hianatra misimisy kokoa
-
Jaona 14:16–17, 26; Almà 37:33–37; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21–22; 42:12–17; 88:122
-
Jeffrey R. Holland, “A Teacher Come from God,” Ensign, May 1998, 25–27
-
Dieter F. Uchtdorf, “Lisitr’ireo zavatra hotontosain’ny mpampianatra” (lahateny natao nandritra ny fampitana ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12 jona 2022), Médiathèque de l’Évangile
-
Neil L. Andersen, “Ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarana madio” (fampitana mivantana momba ny fampianarana ny zatovo sy ny tanora, 11 jona 2023), Médiathèque de l’évangile
-
“Invite Diligent Learning” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile
Fizarana 3
Tena mahomby ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara rehefa atao ho ivon-toerany nytokantrano.
Mba hahatonga antsika hiova fo ho an’i Jesoa Kristy Tompo dia mila mianatra ny filazantsara ho an’ny tenantsika manokana isika. Ankoatra izany, ny ray aman-dreny dia tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Raha azo atao dia ny tokantrano no toerana tsara indrindra hianarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Voatahy daholo ny rehetra rehefa mankahery sy manohana ny hanaovana ny tokantrano ho ivon-toeran’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Fiangonana. Rehefa mandalina ombam-bavaka ny filazantsara ao an-tokantranontsika isika dia afaka mandany fotoana misimisy kokoa sy manana traikefa tsara kokoa amin’ny fianarana ny filazantsara. Avy eo isika dia afaka mizara ihany koa ny fahalalana azontsika any am-piangonana mba hitahiana sy hampianarana ny hafa.
Nanome ity torohevitra hendry ity Rahalahy Devin G. Durrant: “Ho anareo rehetra izay miezaka mafy hanao izay vitanareo hampianatra any an-tokantranonareo dia manantena aho fa hahita fiadanana sy fifaliana ianareo amin’ireo ezaka ataonareo. Ary raha toa ka mahatsapa ianareo fa afaka mivoatra na mila fiomanana bebe kokoa, dia miangavy anareo aho mba hanaiky izay bitsihan’ny Fanahy aminareo ary hanolo-tena hanao izany.”
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Eritrereto ny fahagagana avy amin’ny voa kely iray izay mivadika ho hazo lehibe iray rehefa mamaky sy misaintsaina ny Almà 32:28–31 ianao. Vakio avy eo ity torohevitra avy amin-dRahalahy Jan E. Newman ity: “Mandova zavatra maro avy amin’ny ray aman-dreniny ny zanaka, saingy tsy anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona. Tsy afaka manome fijoroana ho vavolombelona ho an’ny zanatsika isika tahaka ny tsy ahafahantsika manery ny voa iray mba haniry. Saingy afaka manolotra tontolo mamokatra, miaraka amin’ny tany tsara, tsy misy tsilo izay mety “[h]angeja ilay teny” isika. Azontsika atao ny miezaka mamorona ireo fepetra tsara indrindra mba hahafahan’ireo zanatsika—sy ireo hafa izay tiantsika—mahita toerana ho an’ilay voa, -[mandre] ny teny, sy [mahatakatra] izany- [jereo ny Matio 13:18–23] ary mahita amin’ny tenan’izy ireo -fa tsara ilay voa.- [Almà 32:30].” Inona no hanampy ny tokantranonao ho lasa tontolo mamokatra kokoa ho anao na ny fianakavianao mba hianatra fahamarinana mandrakizay? Ahoana no ahafahanareo mifanampy mba hianatra momba ny hatsaran’ny filazantsara? Inona no azonareo atao mba hifampikolokoloana sy hifanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny tsirairay momba an’i Kristy?
Sahanasa hoentina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Nampianatra ny Loholona David A Bednar hoe: “Raha ny zavatra [ampianarin’olon-kafa sy ambarany amintsika ihany no mba hany] fantatrareo [na] fantatro momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, dia miorina eo ambony fasika ny fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy sy ny asany be voninahitra amin’ny andro farany [jereo ny Matio 7:24–27]. Tsy afaka hiankina tanteraka na hindrana fahazavana sy fahalalana ny filazantsara avy amin’olona hafa isika, eny fa na ireo izay tiantsika sy atokisantsika aza.” Eritrereto ny tenin’ny Loholona Bednar eo am-piarahanareo mamaky ny Helamàna 5:12. Azonareo atao ny misaintsaina sy miresaka momba io teny nindramina sy andinin-tsoratra masina io rehefa mijery sarina moron-tsiraka na moron-dranomasina ianao (na rehefa mandeha eo amoron’ny dobo, na ny renirano, na ny farihy ianao). Eritrereto ny antony tsy hanorenan’ny olona ny tranony eo ambonin’ny fasika. Karazana fototra inona no hanorenan’izy ireo trano? Inona no azonareo atao mba hanorenana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo eo amin’ny fototra mafy orina? Inona avy ireo fahazarana amin’ny fianarana ny filazantsara izay mety hatombokareo na hanaovanareo fanoloran-tena indray fa harahinareo androany? Azonareo atao ny miara-mihira hira iray toy ny “Ny hendry sy ny adala” na ny “Fototra mafy orina” eo am-pieritreretanareo ny hanorina ny fiainanareo eo amin’ny fototra mafy orin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
-
Resaho fohifohy ny antony hisafidianan’ny olona hanamboatra indray ny endriky ny tranony. Azonareo atao mihitsy aza ny mijery sary vitsivitsy maneho fanavaozana lehibe atao amin’ny trano iray. Inona no vokatry ny fanamboarana endri-trano mahomby? Nampianatra ny Filoha Nelson fa ny fianarana ny filazantsara dia “manana ny fahafahana hamoaka ny herin’ny fianakaviana, rehefa miezaka manao zavatra am-pahamalinana sy am-pitandremana ny fianakaviana tsirairay mba hanova ny fonenany ho toerana masina isian’ny finoana. Mampanantena aho fa rehefa miasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara ianareo dia … Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo. … Ho lehibe sy hampahery ireo fiovana ao amin’ny fianakavianareo.” Resaho amin’ny fianakavianareo na amin’ny olona hafa miara-mipetraka aminareo ireo fiovana izay tianareo rehetra ho hita. Ahoana no ahafahanareo manamboatra ny tokantranonareo mba ho ivon-toerana tsara kokoa hianarana ny filazantsara? Ahoana no ahafahan’ny fandalinana ny filazantsara nohatsaraina sy mifantoka amin’ny ao an-tokantrano mampatanjaka anareo rehetra? Inona no azonareo atao mba hahatonga ireo fanovana irianareo, ary ahoana no ahafahanareo mandrefy ny fivoaranareo?
Hianatra misimisy kokoa
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:38–49; Mosesy 6:57–62
-
Devin G. Durrant, “Mampianatra ao an-tokantrano—andraikitra maharavoravo sy masina,” Liahona, mey 2018, 42–45
-
Apprentissage de l’Évangile centré sur le foyer (Amboarana loharanom-pitaovana fianarana ny filazantsara), ChurchofJesusChrist.org