Tahirim-pitaovana
Mpaminany


“Mpaminany,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Ny Filoha Russell M. Nelson mandaha-teny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Mpaminany

Nantsoin’ Andriamanitra ho vavolombelon’i Jesoa Kristy

Tamin’ny andro fahiny dia niantso lehilahy tsotra sy mahatoky Andriamanitra mba ho mpaminany ary nomeny fahefana izy ireo mba hisolo tena Azy. Ireo mpanompo ireo dia nomeny fitaomam-panahy sy noresahiny ary nomeny ny heriny mba hanatanterahana ny asany. Ny iray amin’ireo hafatra manan-danja ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia ny hoe manana mpaminany velona eto an-tany isika amin’izao fotoana izao.

Noho ireo mpaminany nirahina mba hampianatra ny zanak’ Andriamanitra sy hitarika ny asany dia tena ilaina ny fihainoana ny tenin’izy ireo. Ny fianarana momba ny anjara asan’ny mpaminany dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatokiana ilay antso masina sahanin’izy ireo amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo azy ireo sy hampitombo ny fanirianao hatoky ny torohevitr’izy ireo sy ny fitarihan’izy ireo. Mampanantena fiarovana ary famonjena sy fiainana mandrakizay mihitsy aza Andriamanitra ho an’ireo izay manaraka ny mpaminany velona.

Iza ireo Mpaminany ireo?

Ny mpaminany dia olona iray izay nantsoin’ Andriamanitra hiteny amin’ny Anarany (jereo ny Jeremia 1:4–5; Amosa 3:7; Jaona 15:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38). Ny mpaminany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany. Mampahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny toetoetrany marina izy ireo. Manameloka ny fahotana izy ireo sy mampitandrina ny amin’ny vokatra aterak’izany ary manampy antsika hisoroka ny famitahana (jereo ny Ezekiela 3:16–17; Efesiana 4:11–14). Indraindray dia maminany ny zavatra ho avy izy ireo. Afaka manatanteraka ireo andraikitra ireo ny mpaminany satria mandray fahefana sy fanalahidy ary fanambarana avy amin’ Andriamanitra izy ireo.

Topimaso momba ny lohahevitra: Mpaminany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanambarana, Joseph Smith, Fanalahidin’ny Fisoronana, Fiangonan’i Jesoa Kristy

Fizarana 1

Miantso Mpaminany sy Apôstôly i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao

Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Hatramin’ny andron’i Adama dia nandefa mpaminany teo anivon’ireo zanany Andriamanitra. Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, dia nanangana ny Fiangonany teo ambonin’ny fanorenan’ny apôstôly sy mpaminany i Jesoa Kristy Tompo (jereo ny Efesiana 2:19–20). Nanaraka io lamina io ihany Andriamanitra amin’izao andro farany izao rehefa niantso ny Mpaminany Joseph Smith sy namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonany ary nametraka ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo Izy.

Ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’izao fotoana izao no mpaminanin’ Andriamanitra ho an’ny olona rehetra eto an-tany. Isika dia manohana ny Filohan’ny Fiangonana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara ary ho ilay hany olona tokana eto an-tany manana ny fahefana avy amin’ Andriamanitra mba hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra. Isika koa dia manohana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith mahakasika ny maha-zava-dehibe ny apôstôly sy ny mpaminany hoe: “Ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Kristy, fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra. Ireo zavatra hafa rehetra mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nantsoin’ Andriamanitra i Joseph Smith Mpaminany mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy hanampy ireo zanak’ Andriamanitra handray ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay ilaina ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ireo nandimby azy, tafiditra ao anatin’izany ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, dia nahazo fahefana sy andraikitra mba hanohy ny asa amin’ny maha-solontenan’ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:91–92. Inona no ambaran’io andinin-tsoratra masina io aminao mikasika ny anjara asa lehiben’ny mpaminanin’ny Tompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Voatahy ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mikatsaka ny hanaraka ireo mpanompo nofinidin’ny Tompo. Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao hampitaha ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Helamàna 13:24–28 sy ao amin’ny 3 Nefia 12:1–2. Nahoana ny olona sasany no manaja ireo mpaminany taloha kanefa mandà ireo mpaminany velona? Inona avy ireo fitahiana efa hitanao noho ny fananantsika mpaminany sy apôstôly velona eto an-tany amin’izao fotoana izao?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Manaraka an’i Jesoa Kristy isika rehefa mihaino ireo mpaminaniny

fianakaviana mamaky laharan’ny gazetibokin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny mandray ireo mpaminaniny sy apôstôliny velona i Jesoa Kristy Tompo. Manao izany isika rehefa mihaino sy manome lanja ny torohevitr’izy ireo. “Ary izay mandray ny mpanompoko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray ny Raiko; ary izay mandray ny Raiko dia mandray ny fanjakan’ny Raiko; koa izay rehetra ananan’ny Raiko dia homena Azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:36–38).

Mandidy antsika Andriamanitra mba handinika ny tenin’ireo mpanompony toy ireny hoe teniny manokana ireny. Nanambara izy hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Noho Andriamanitra mandefa ireo mpaminaniny hampianatra sy hitarika ireo zanany ary hanomana azy ireo amin’ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana, dia ho voaro sy hotahina isika rehefa mihaino an’i Jesoa Kristy sy ireo mpanompo nofinidiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:45–46).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha ny marina dia noho [ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo] izay miraharaha lalina tokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra no hanambaranay ny fahamarinany.” Mety tsy hilaza amin’ny olona ny zavatra tiany ho heno foana izahay. Mahalana ny mpaminany no hoe tiam-bahoaka. Saingy hampianatra ny fahamarinana mandrakariva izahay!” Oviana ny fahavononanao hatoky ny mpaminanin’ny Tompo no nanampy anao hamantatra ny fahamarinan’ny hafany?

  • Ny soratra masina dia mampitandrina ny amin’ireo mpaminany sandoka izay hitsangana amin’ny andro farany ary hiezaka ny hamitaka ireo zanak’ Andriamanitra (jereo ny Matio 24:24). Nanazava ny Tompo fa Izy dia hanangana mandrakariva ireo mpaminaniny amin’ilay alalan’ny lamina napetraka izay eken’ny Fiangonana. Vakio ny Jaona 10:1–2 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:7. Inona no dikan’ny hoe hiditra amin’ny vavahady ny mpanompon’ny Tompo? Nahoana no manampy anao hisoroka ny famitahana ny fahafantarana fa ny fanambarana avy Amin’ Andriamanitra dia tonga amin’ny alalan’ny fantson’ny fisoronana izay ekena ho ara-dalàna?

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Vakio miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity: “Ny fanohanantsika ireo mpaminany dia fanolorantena ataon’ny tena manokana fa hanao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanohanana ireo laharam-pahamehan’izy ireo amin’ny maha-mpaminany azy. Ny fanohanantsika dia toy ny voady enti-maneho fa ekentsika ny antson’izy ireo amin’ny maha-mpaminany azy mba hahatonga izany hanan-kery, ary ekentsika fa tsy maintsy manaja izany fanohanana izany isika.” Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manohana ny Fiadidiana Voalohany amin’ny alalan’ny “fahatokia[ntsika], ny finoa[ntsika] ary ny vavaka [ataontsika]”?

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 3

Ny anjara asan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

fanaovana fanohanana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba handrindrana sy hitantanana ny raharahan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny Matio 16:16–19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:1–2). Mampanantena ny Tompo fa ny heriny dia hiaraka amin’ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny alalan’ny firaisan’ny feon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ny Boky torolalana maneran-tany dia milaza hoe: “Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Izy rehetra miaraka no mandrafitra ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Eo ambany fitarihan’ny Tompo ary amin’ny alalan’ny firaisan’ny feo no hananan’io filankevitra io fahefana hanambara sy hanazava ny hevitry ny fotopampianarana ary hametraka fitsipika ho an’ny Fiangonana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 107:27–31)”.

Raha niresaka momba ny Fiadidiana Voalohany ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra hoe: “Ny Filoha na ny Fiadidiana [Voalohany] no eo amin’ny lohan’ny Fiangonana; ka tokony ho tonga amin’ny alalan’ny Fiadidiana ireo fanambarana mikasika ny ao an-tsain’ Andriamanitra sy ny sitrapony ho an’ny Fiangonana. Izany no lamin’ny lanitra, ary ny hery sy ny tombontsoa avy amin’ny Fisoronana [Melkizedeka]”.

Raha toa ka manome fanambarana amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly mba hitarihana ny zanany Andriamanitra, dia afaka mandray fanambarana manokana kosa ny olona tsirairay mba hanampiana azy ireo amin’ny zavatra ilain’izy ireo manokana sy ny andraikitr’izy ireo ary ny fanontaniana manokana ananan’izy ireo, sy mba hanampiana azy ireo hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Hifanaraka lalandava amin’ny fanambarana omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny fitaomam-panahy azon’ny tena manokana avy amin’ny Tommo.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Nanazava ny Apôstôly Paoly fa ny apôstôly sy ny mpaminany no fototra iorenan’ny Fiangonana (jereo ny Efesiana 2:19–20). Vakio ny Efesiana 4:11–14. Ahoana no fomba hiarovan’ireo apôstôly sy mpaminanin’ny Tompo antsika mba tsy ho “ahilangilana sy ampitambolimbolen’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”? (andininy 14).

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Vakio miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen manaraka ity:

    “Misy olona vitsivitsy izay miahiahy ny amin’ny finoan’izy ireo rehefa mahita fanambarana iray nataon’ny mpitarika iray tato amin’ny Fiangonana am-polon-taona maro lasa izay, izay toa tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarantsika. Misy fitsipika iray manan-danja izay mitantana ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Ampianarin’ireo mpikambana miisa 15 ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izany fotopampianarana izany. Tsy miafina ao anatina andiam-pehezan-teny iray saro-takarina ao anaty lahateny iray izany. Ampianarina imbetsaka ary ampianarin’ny olona maro ny fitsipika marina. Tsy sarotra hita ny fotopampianarantsika.”

    Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahantsika mamantatra ireo fitsipiky ny filazantsara marina sy ny fotopampianarana ôfisialin’ny Fiangonana.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 4

Afaka mikatsaka fanamafisana ara-panahy momba ny antso sy ny tenin’ny Mpaminany isika

fianakaviana mijery ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany amin’ny fahitalavitra

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny Tompo dia nampitaha ny anjara asan’ireo mpaminaniny amin’ny an’ny “mpitily” izay nanana andraikitra tamin’ny fampitandremana ny olona mikasika ny loza manonanontanona (jereo ny Ezekiela 33:1–7). Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanantitrantitra ny ilana ny fibebahana i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 4:17; 7:13–14; Lioka 5:32). Manana andraikitra mba hanambara hafatra mitovy amin’izany ireo mpaminany, hampitandrina ny vahoakan’ Andriamanitra mikasika ny vokatry ny fahotana sy ny faharatsiana ary hampianatra ny ilana ny fibebahana (jereo ny Asan’ny Apôstôly 10:43; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:4–5).

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mety tsy ho takatrareo foana ny fanambarana rehetra ataon’ny mpaminany velona. Kanefa rehefa fantatrareo fa mpaminany ny mpaminany iray dia afaka manatona ny Tompo amim-panetrentena sy amim-pinoana ianareo, ary mangataka fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenanareo manokana momba izay nambaran’ny mpaminaniny na inona izany na inona.

Tamin’ny andro nanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nandidy ny vahoakany ny Tompo mba handray ny tenin’ny mpaminaniny “toa ireny avy amin’ny vava[ny] ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5). Io torolalana avy amin’ Andriamanitra io dia milaza fa tsy ho mora foana ny manaiky ireo teny na fampianarana avy amin’ny mpaminany iray. Mety tsy hahatsapa fanamafisana ara-panahy avy hatrany mikasika ny maha-zava-dehibe izany isika. Izany no antony ampahatsiahivan’ny Tompo antsika mba hampihatra faharetana sy finoana eo am-piandrasantsika fahatakarana mazava kokoa. Nampanantena fitahiana lehibe ho an’ireo izay hatoky ny mpaminaniny amim-paharetana sy amim-pinoana ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia mamaky momba an’i Namàna, ilay komandin’ny miaramilan’ny mpanjaka Syriana. Nianjadian’ny aretina iray antsoina hoe habokana izy. Nampahafantarina an’i Namàna fa nisy mpaminany iray tany Isiraely izay nanana hery fanasitranana ka dia nandeha nanao dia izy mba hihaona aminy (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–9). Halalino ny 2 Mpanjaka 5:10–14. Nahoana i Namàna no sorena tamin’ny toromarika nomen’ny mpaminanin’ny Tompo? Inona no nitranga ka nitarika an’i Namàna hanaraka ny tenin’ny mpaminany sy ho sitrana tamin’ny farany? Ahoana no ahafahanao mampihatra io tantara io eo amin’ny fiainanao manokana?

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Mitondra fiarovana ny fisafidianana ny hanaraka ny torohevitr’ireo mpaminanin’ny Tompo. Iaraho vakina amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona ity teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring manaraka ity:

    “Ny fisafidianana ny tsy handray ireo torohevitry ny mpaminany dia manova tanteraka ny faritra ijoroantsika. Lasa mampidi-doza kokoa izany. Ny tsy fanekena ny torohevitra avy amin’ny mpaminany dia mampihena ny herintsika handray torohevitra azo avy amin’ny fanentanam-panahy any aoriana.

    “Isak’izay nisafidy ny hanemotra ny fanarahako ireo torohevitra azo avy amin’ny fanentanam-panahy teo amin’ny fiainako aho, na nanapa-kevitra fa niavaka tamin’ny rehetra ny tenako, dia fantatro fa nampidi-doza ny tenako aho. Isaky ny nihaino ny torohevitr’ireo mpaminany aho sy nahatsapa ny fanamafisana izany tamin’ny alalan’ny vavaka ary avy eo nanaraka izany, dia hitako fa nizotra nankany amin’ny toerana azo antoka aho. Teny an-dalana dia hitako fa efa nomanina ho ahy ilay lalana ary ireo toerana mikitoantoana dia natao malama. Nitarika ahy ho any amin’ny toerana azo antoka teny amin’ny lalana iray izay nomanina tao anatin’ny fikarakarana feno fitiavana Andriamanitra, ary indraindray dia efa nomanina hatry ny ela izany.”

    Asao ny mpikambana ao amin’ny vondrona hizara ireo fomba mety nahazoan’izy ireo fiarovana bebe kokoa noho izy ireo nisafidy ny hanaraka ny torohevitry ny mpaminany.

Hianatra misimisy kokoa

Loharanom-pitaovana hafa momba ny mpaminany

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 49.

  2. Russell M. Nelson, “The Love and Laws of GodFampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, sept. 17 2019], 3, speeches.byu.edu.

  3. (Russell M. Nelson, “Fanohanana ireo mpaminany,” Liahona, nôv. 2014, 75.

  4. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 5.1.1.1, Médiathèque de l’Évangile.

  5. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 197.

  6. Neil L. Andersen, “Fitsapana ny finoanao,” Liahona, nôv. 2012, 41.

  7. Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Ensign, ôkt. 2016, 31.

  8. Henry B. Eyring, “Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 24–26.