Tahirim-pitaovana
Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany


“Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany”, Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

I Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara

Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Ho avy indray amin-kery sy amim-boninahitra i Jesoa Kristy

Afaka mieritreritra fotoana iray izay niandrandranao fatratra ny fitsidihan’ny havana iray na namana iray izay nipetraka lavitra ve ianao? Inona no nataonao mba hiomanana amin’izany fitsidihana izany? Eritrereto ny fotoana natokanao sy ny ezaka nataonao mba hiomanana sy ny fifaliana tsapanao tao anatin’ny fiandrasanao fatratra ny fahatongavan’ilay olona.

Olona maro no miandrandra fatratra koa ny Fiavian’ny Mpamonjintsika Fanindroany. Ny fiverenany no ho famantarana ny fiafaran’ny ady sy ny fifandirana eto an-tany ary ho mariky ny fiantombohan’ny fiadanana sy ny fahamarinana mandritra ny arivo taona. Afaka manana fanantenana sy fifaliana isika satria miandrandra ny fiverenan’ny Mpamonjy. Fantatsika fa rehefa tonga Izy dia hanarina ny tsy mety rehetra ary “hofafany ny ranomaso rehetra” (Apokalypsy 21:4).

Rehefa mandalina ireo zavatra hitranga momba ny Fiaviana Fanindroany ianao dia afaka mieritreritra ireo zavatra ataonao sy ny zavatra bebe kokoa azonao atao mba hiomanana amin’izany zavatra hitranga mahatalanjona izany.

Inona no atao hoe Fiaviana Fanindroany?

Ny Fiaviana Fanindroany dia ilay fotoana hiverenan’i Jesoa Kristy indray eto an-tany mba hanapaka sy hanjaka. I Jesoa sy ireo mpaminany maro, fahiny sy maoderina, dia nampianatra fa hiverina fanindroany eto an-tany i Jesoa (jereo ny Isaia 66:14–15; Matio 24:42–44, 50; Asan’ny Apôstôly 1:11). Rehefa miverina amin’ny maha-olona nitsangana tamin’ny maty Azy miaraka amin’ny hery sy voninahitra lehibe Izy dia hanova mandrakizay izao tontolo izao izany. Amin’izany fotoana izany ny Mpamonjy dia hanambara ny tany ho fanjakany sy hanorina fiadanana manerana izao tontolo izao.

Topimaso momba ny lohahevitra: Fiaviana Fanindroany

Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Jesoa Kristy, Fitsanganana amin’ny maty, Fibebahana

Fizarana 1

Hiverina eto an-tany ao anatin’ny hery sy voninahitra i Jesoa Kristy

I Kristy manao akanjo lava mena

Rehefa tonga teto an-tany voalohany i Jesoa dia tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona fa nitranga izany. Izy dia nateraky ny vehivavy iray feno fanetrentena, tany amin’ny toerana lavitry ny fonenany ary nampandriana tao amin’ny tranon’omby iray. Rehefa ho tonga fanindroany Izy, dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa hoe: “Ho avy ny Zanak’olona amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjeliny” (Matio 16:27).

Ny mpaminany dia niresaka matetika koa momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Nantsoin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “fotoana manan-danja indrindra amin’ity fotoampitantanana farany ity” izany. Ary hoy ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany manana ny fahefana sy voairaka hanatanteraka ireo fanomanana ilaina amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Azo antoka fa naverina tamin’ny laoniny noho izany tanjona izany ny Fiangonana.”

Rehefa miverina i Kristy dia hahafantatra izany ny olona rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23). Nanambara i Isaia mpaminany hoe: “Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany” (Isaia 40:5). Io zavatra goavana hitranga io dia hanamarika ny fiantombohan’ilay vanim-potoana lehibe mandritra ny arivo taona izay fantatra amin’ny hoe ny Arivotaona, izay fotoana hanjakan’i Jesoa manokana eto an-tany ary tsy hananan’i Satana hery (jereo ny Apokalypsy 20:1–3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:55), ary hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny fifaliana ny olona rehetra.

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Rehefa miverina i Jesoa Kristy dia hifarana ny faharatsiana rehetra eto an-tany. Nahoana izany fotoana izany no hahatsiravina ho an’ny olona sasany? (Azonao atao ny mamaky sy misaintsaina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:17). Nahoana no tsy ho fotoana mampatahotra ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ho an’ireo olo-marina? (Azonao atao ny mamaky sy misaintsaina ny 1 Nefia 22:17, 22).

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Rehefa ho avy indray i Jesoa amin’ny maha-Tompon’ny tompo azy dia hisy zavatra manan-danja maro hitranga. Azonao atao ny mandalina ny iray na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary mizara ny zavatra nianaranao momba ireo tranga ho avy ireo: Matio 25:31–46; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:9–11; 63:53–54; 76:50–54, 63; 88:96–98; 101:24–25; 133:19, 25; ary Fanekem-pinoana 1:10. Inona no ampianarin’ireo zavatra hitranga ireo antsika momba an’i Jesoa Kristy?

  • Jereo ny sary iray mampiseho an’i Jesoa zazakely ary ampitahao amin’ny sary iray mampiseho ny Fiaviany Fanindroany izany. Azonareo atao ny mamaky na mihira ny “Tamim-panentren-tena no teraka i Jesoa mba hanampiana anareo hiresaka momba ny fahasamihafana sasantsasany misy eo amin’ireo sary anankiroa ireo. Manampy antsika hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy ireo sary ireo sy io hira io?

  • Azonareo atao ny miara-mihira na miara-mamaky ny tonon’ny hira iray na hira iray ao amin’ny fihirana momba ny Fiaviana Fanindroany toy ny hoe “Ry Mpanavotra na “Raha ho avy indray Kristy,” ary miresaka momba ny zavatra ampianarin’izany momba ny Mpamonjy sy ny fiverenany eto an-tany.

Hianatra misimisy kokoa

Fizarana 2

Tokony hiomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy isika

lehilahy iray sy ankizivavy iray mandalina soratra masina

Hoy i Jesoa hoe: “Fa ny amin’izany andro sy [oran’ny fiverenako] izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany” (Matio 24:36; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:7). Ho fotoana tsy nampoizina ny Fiavian’i Kristy Fanindroany ho an’ny maro (jereo ny 2 Petera 3:10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:4). Saingy tsy ho fotoana tsy nampoizina izany ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy marina. Nilaza ny Tompo fa ireo mpanara-dia Azy dia “ho zanaky ny fahazavana, ka tsy hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106:5).

Hoy ny Mpamonjy tamin’ireo Olomasina tany am-piandohan’ity fotoampitantanana ity hoe: “Miomàna ianareo, miomàna ianareo ho amin’izay ho avy, fa efa akaiky ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12). Naverimberin’ireo mpaminany koa ny filàna miomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Nanoro hevitra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Raha tsy manana ny hery hanovana ny fisian’ny Fiaviana Fanindroany isika sy tsy afaka mahafantatra ny fotoana marina hitrangan’izany, dia afaka manafaingana ny fiomanantsika manokana isika sy miezaka mitarika ny fiomanana ataon’ireo manodidina antsika.” Ny Tompo dia nanome famantarana izay haneho fa ho avy tsy ho ela Izy, ary afaka mitady sy mandalina ireo famantarana ireo isika (jereo mba hahitana ohatra ny Joseph Smith—Matio 1).

Zavatra tokony hosaintsainina

  • Ny fomba iray ahafahantsika miomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy dia ny fiezahana mitoetra any amin’ireo toerana izay ahafahan’ny Fanahiny miaraka amintsika. Ny Tompo dia nampianatra ireo Olomasina tany am-piandohana hoe: “Koa mitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo; fa indro avy faingana tokoa izany hoy ny Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8). Nahoana araka ny eritreritrao no fomba tsara hiomanana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy ny mitoetra any amina toerana masina? Nanazava ny Filoha Oaks hoe: “Aiza avy ireo –toerana masina– ireo? Mazava ho azy fa tafiditra ao anatin’izany ny tempoly sy ireo fanekempihavanany hajaina amim-pahatokiana. Mazava ho azy fa tafiditra ao anatin’izany ny tokantrano izay toerana hiarovana tsara ny zanaka sy hanajana ny ray aman-dreny. Azo antoka fa tafiditra ao anatin’ireo toerana masina ireo ireo andraikitra napetraka amintsika tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana, ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fitoriana sy ireo antso izay tanterahina amim-pahatokiana any amin’ireo sampana sy paroasy ary tsatòka.” Eritrereto ireo fitahiana voarainao rehefa manokana fotoana ianao hanaovana ireo asa mifantoka amin’i Kristy any amin’ireo toerana masina. Ahoana no fomba hanomanan’ireo asa atao ireo anao amin’ny fiverenan’ny Tompo?

  • Vakio ny Joseph Smith—Matio 1 ka tadiavo ireo faminaniana mikasika ireo zavatra hitranga mialoha ny Fiaviany Fanindroany. Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo zavatra hitranga ireo manampy anao hiomana amin’izany? Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakaviana na ny namana ho vonona amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ireo zavatra sarotra hitranga izay hitondra amin’izany? Ahoana no ahafahanao manomana ny fonao amin’ilay fiainana aorian’ny Fiaviana Fanindroany, izay tsy hisy fifandirana, na fahantrana, na faharatsiana? Inona avy ireo toetra tsara izay tsapanao fa hanan-danja ho anao ny fananana azy rehefa miverina ny Mpamonjy? Ahoana no fomba hanananao ireo toetra ireo? Manorata ary mandraisa andraikitra eo anatrehan’ireo fahatsapana voarainao.

  • Eritrereto ny anaran’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Midika inona aminao izany hoe “Olomasin’ny Andro Farany” izany? Ahoana no ahafahanao mampiasa bebe kokoa ny anaran’ny Fiangonana ao anatin’ny fifampiresahana ataonao isan’andro mba hampahafantarana ny hafa ny zavatra inoanao momba ny Mpamonjy sy ny finoanao Azy ary ny fanananao fanantenana momba ny fiverenany?

Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa

  • Nizara ny fanoharana momba ireo virijiny folo ny Mpamonjy mba hampianarana antsika ny maha-zava-dehibe ny fahavononana amin’izay fotoana rehetra hiverenany (jereo ny Matio 25:1–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57). Raha niresaka momba ilay solika voafariparitra tao amin’io fanoharana io ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe: “Azo indray mitete isak’izay mandeha ity solika sarobidy ity –andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [sy] fitsipika anampy fitsipika– (2 Nefia 28:30), amim-paharetana sy amim-pikirizana. Tsy misy fomba tsotra tsy mitaky ezaka; tsy misy fiomanana maimaika azo atao amin’ny fotoana farany”. Hevero ny hameno fitoeran-javatra iray amina solika indray mitete isaky ny mandeha rehefa miresaka momba ireo zavatra izay mety hataontsika tsirairay sy hataon’ny ao amin’ny fianakaviantsika ary hataon’ny ao amin’ny paroasintsika ianao mba hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  • Amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana anjara asa miavaka sy masina isika mba hanampy amin’ny fanangonana “vahoaka iray izay vonona ny handray Azy amin’ny fiaviany.” Avereno vakina ny lahatsoratry ny Filoha Nelson “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany”. Avy eo dia ifanakalozy hevitra ny dikan’ny hoe manomana izao tontolo izao handray ny Mpamonjy antsika. Nahoana araka ny eritreritrao no nampiandraiketin’ny Tompo ny Olomasin’ny Andro farany ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny fiaviany? Ahoana no hanaovantsika izany?

  • Mety hahatsapa tebiteby na tahotra ny olona sasany rehefa mieritreritra momba ireo zavatra hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Azonareo iarahana vakina ity teny nambara manaraka ity: “Ny fomba tsara indrindra ahafahantsika miomana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy dia ny fanekena ny fampianaran’ny filazantsara sy ny fampidirana izany ho anisan’ny mandrafitra ny fiainantsika. Tokony hiainantsika tsara araka ny tokony ho izy ny andro tsirairay isika tahaka ny nampianarin’i Jesoa fony Izy teto an-tany. Afaka miantehitra amin’ny mpaminany isika mba hahazoana fitarihana ary manaraka ny torohevitra omeny. Afaka miaina fiainana mendrika ny hananana ny Fanahy Masina mba hitarika antsika isika. Ka hiandrandra ny fiavian’ny Mpamonjy amim-pifaliana fa tsy amin-tahotra isika avy eo.” Resaho avy eo ny fomba ahafahan’ireo sosokevitra tsirairay ireo manampy antsika hiaina tsaratsara kokoa ny filazantsara mba hahafahantsika mahatsapa fiadanana sy fahatoniana rehefa mieritreritra ireo zavatra hitranga mahakasika ny fiverenan’ny Mpamonjy isika.

Hianatra misimisy kokoa